Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?

Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?

Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?

NAHARAY izao taratasy izao ny mpanoratra an-gazety iray: “Namaky loha ahy nandritra ny androm-piainako ity fanontaniana ity, ka antenaiko fa hanome valiny ahy ianao. Iza no anaran’Andriamanitra? Tsy fantatra intsony mantsy, hoy ny Jiosy, ny tena anarany rehefa nandeha ny fotoana. Miantso Azy hoe Jesosy ny Kristianina, fa ny Silamo kosa manao hoe Allah. . . . Iza marina àry no tena anarany?” Izao no valiny nomen’ilay gazety, niaraka tamin’io fanontaniana io: “Tompon’ny hery fara tampony Andriamanitra araka ny fampianarana hebreo, ka tsy misy anarana azo amaritana Azy. Mahazo matoky anefa ianao fa hamaly anao Izy, na inona na inona anarana iantsoanao Azy amim-panajana.”

Maro koa ankehitriny no mihevitra fa tsy manana ny anarany manokana Andriamanitra. Maro amin’ireo tia fivavahana sy mino ny Baiboly koa aza, no tsy mihevitra ny anaran’Andriamanitra ho zava-dehibe. Inona anefa no tsapan’Andriamanitra momba izany? Tsy dia mampaninona azy loatra ve izany?

Tena zava-dehibe aminy

Mariho fa ampiasain’ny Baiboly imbetsaka tokoa ny anaran’i Jehovah. Miverina im-7 210 izy io, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao! * I Jehovah mihitsy no nanome ny fanahiny masina ho an’ireo mpanoratra ny Baiboly, mba hanandratan’izy ireo ny anarany. Hoy i Asafa mpanao salamo: “Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Hoy koa ny salamo iray nataon’i Davida: “Ny anaran’i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.”​—Salamo 20:7.

Asehon’ny Baiboly fa dinihin’i Jehovah ny fontsika, hahitany izay tsapantsika momba ny anarany. Hoy ny mpanao salamo: “Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay. . . . Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.” (Salamo 44:20, 21) Hoy i Isaia mpaminany: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany, ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.”​—Isaia 12:4.

Nilaza Andriamanitra hoe: “Ho fantany fa Jehovah no anarako.” (Jeremia 16:21) Hoy koa izy tamin’ny fotoana iray hafa: “Hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 36:23) Resahin’ny sasany amin’ireo andininy ireo, fa ho tezitra i Jehovah ka hanafay an’izay tsy manaja ny anarany. Tena zava-dehibe aminy mantsy ny anarany.

Tsy lavitra anao i Jehovah Andriamanitra

Ahoana no hahafantaranao tsara an’Andriamanitra? Inona no dikan’ny hoe mahafantatra tsara an’Andriamanitra? Hoy ny Baiboly: “Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.” (Salamo 9:10) Tsy vitan’ny hoe mahalala ny anarany fotsiny àry ny hoe mahafantatra tsara an’Andriamanitra. Tsy maintsy mitoky aminy koa ianao. Anisan’izany ny fiezahana mamantatra hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana izy, ary manao ahoana ny toetrany sy fisainany. Hanosika anao hatoky azy izany.

Ny fianarana tsara sy ny famakiana Baiboly ihany no fomba ahatakaranao hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana i Jehovah. Mampanantena izy fa hiaro an’ireo tia azy sy tia ny anarany. Hoy i Jehovah momba ny olona toy izany: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho, raha ory izy; hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahela-velona izy; ary hasehoko azy ny famonjeko.”​—Salamo 91:14-16.

Tena manokana tokoa ny fifandraisan’i Jehovah Andriamanitra amin’ireo mahafantatra tsara azy! Afaka mankafy izany fifandraisana izany koa ianao. Aza misalasala miantso azy amin’ny anarany, rehefa mivavaka amim-pahatsorana ianao. Tena hamaly anao izy, satria lazain’ny Baiboly fa ‘tsy lavitra antsika tsirairay izy.’​—Asan’ny Apostoly 17:27.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mampiasa fomba fiteny andavanandro, ho solon’ny fiteny tranainy ampiasain’ireo fandikan-teny taloha Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miavaka io fandikan-teny io noho izy namerina indray ny anaran’Andriamanitra amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’ny Baiboly. Efa misy 122 tapitrisa mahery amin’izy io izao (Baiboly manontolo na tapany aminy), no vita pirinty amin’ny fiteny 45.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

Fantatr’Andriamanitra ny Anaranao

Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Mahalala anao tokoa Aho.” (Eksodosy 33:12) Manamarina izany ilay tantara malaza momba ilay roimemy nirehitra. Milaza ny Baiboly fa “niantso azy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy!” (Eksodosy 3:4) Iray monja amin’ireo ohatra maro be fantatra io ohatra io, izay mampiseho fa niantso olona tamin’ny anarany manokana i Jehovah. Tena liana amintsika tsirairay tokoa ny Mpamorona an’izao rehetra izao.

Milaza ny Baiboly fa fantatr’Andriamanitra avokoa ny anaran’ireo kintana an’arivo tapitrisa. (Isaia 40:26) Azo antoka àry fa hiahy kokoa ny olombelona manompo azy izy! Nilaza ny apostoly Paoly fa “fantatr’i Jehovah ny azy.” (2 Timoty 2:19) Milaza izany fa mihoatra noho ny anarana fotsiny no tadidin’i Jehovah. Fantatr’Andriamanitra koa ny fiainana manokan’ny mpanompony. Tokony hahalala an’Andriamanitra kosa isika, ka hianatra hahafantatra ny toetrany.

Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa misy boky tsy ara-bakiteny, hanoratan’Andriamanitra ny anaran’ireo nanompo azy hatramin’izay. Antsoina hoe “horonam-bokin’ny fiainana” izy io, satria homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay ireo manana ny anarany voasoratra ao. (Apokalypsy 17:8) Fanantenana mahatalanjona izany ho an’izay mahafantatra tsara an’Andriamanitra.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Nanambara ny Anaran’Andriamanitra Izy Ireo

● Hiran’i Mosesy taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Ny anaran’i Jehovah no hotoriko.”​Deoteronomia 32:3.

● Tenin’i Davida tamin’i Goliata goavam-be: ‘Izaho manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro.’​1 Samoela 17:45.

● Tenin’i Joba taorian’ny namoizany ny fananany sy nahafaty tampoka ny zanany rehetra: “Isaorana anie ny anaran’i Jehovah.”​Joba 1:21.

● Lahateny nataon’ny apostoly Petera, nalainy tao amin’ny Soratra Hebreo: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”​Asan’ny Apostoly 2:21.

● Mpaminany Isaia: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, . . . ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.”​Isaia 12:4.

● Vavaka nampianarin’i Jesosy Kristy ny mpianany: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.’”​Matio 6:9, 10.

● Vavak’i Jesosy Kristy tamin’Andriamanitra: “Ny anaranao efa nampahafantariko.”​Jaona 17:6.

● Tenin’Andriamanitra tamin’ny vahoakany: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa.”​Isaia 42:8.