Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Taiza ilay lehilahy jamba no nasain’i Jesosy nisasa, mba hahiratra indray? (Jaona 9:7)

2. Taiza i Satana no nampirisika an’i Jesosy hitsambikina, ka nilaza taminy fa hamonjy azy ny anjely, na dia hianjera aza izy? (Matio 4:5, 6)

3. Nahoana ny vahoaka no niangavy an’i Jesosy “mba havela hikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony ivelany fotsiny”? (Matio 14:35, 36)

4. Inona no zavatra nampiasaina fahiny hanasana lamba sy hanadiovana metaly toy ny firamainty sy volafotsy? (Isaia 1:25)

5. Inona avy no anarana nomena ny zanaka lahimatoan’i Rebeka, ary nahoana? (Genesisy 25:25, 30)

6. Inona no fepetra napetrak’i Jehovah, mba hifidianana ireo mpisafo tany 12 halefa any Kanana? (Nomery 13:2)

7. Taiza i Paoly no nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo? (Hebreo 13:24)

8. Tamin’ny volana jiosy inona i Solomona no nahavita ny tempoly? (1 Mpanjaka 6:38)

9. Iza ireo roa lahy nanohana ny tanan’i Mosesy mandra-panomen’i Jehovah fandresena ny Israelita niady tamin’ny Amalekita? (Eksodosy 17:12)

10. Inona ilay bibikely malaza ho mazoto miasa sy manana fahendrena voajanahary? (Ohabolana 6:6)

11. Taiza i Jona no nanandrana nandositra, rehefa tsy nankany Ninive araka ny nandidian’i Jehovah? (Jona 1:2, 3)

12. Taiza i Mosesy no nanorina ny tabernakely? (1 Tantara 21:29)

13. Koa satria tsy nanana anjara tany ny Levita, inona no nivelomany? (Nomery 18:21)

14. Taiza i Jesosy no niseho tamin’i Kleopasy sy ny mpianatra iray hafa, tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty? (Lioka 24:13)

15. Iza avy no notendren’i Jehovah ho lehiben’ny mpanao asa tanana, rehefa naorina ny tabernakely? (Eksodosy 31:1-11)

16. Inona matetika no niantsoan’i Paoly an’ireo niara-niasa mafy taminy? (Filipianina 4:3)

17. Nahoana i Jehovah no nandidy ny Israelita hanisy somotraviavy misy kofehy manga eo amin’ny sisin’ny fitafiany? (Nomery 15:37-40)

18. Hazo inona no nanaovana ireo kerobima roa sy ny varavaran’ny Masina Indrindra? (1 Mpanjaka 6:23, 31)

19. Araka ny nosoratan’i Zakaria, inona no tenin’i Jehovah, mba hampisehoany ny fihetseham-pony rehefa ampahorina ny vahoakany? (Zakaria 2:12)

20. Iza no rain’i Jezebela? (1 Mpanjaka 16:31)

21. Nahoana i Pilato no niezaka nanafaka an’i Jesosy? (Lioka 23:4)

[Efajoro, pejy 20]

Valiny

1. Dobon’i Siloama

2. Teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly

3. Te ho sitrana izy ireo

4. Lavenona (karibonetra, na karibonetra misy potasioma)

5. “Esao”, satria tena voloina izy tamin’izy vao teraka, ary “Edoma”, satria natakalony voanemba mena ny fizokiany

6. ‘Lehilahy iray avy isam-pirazanany, ka samy lohan’ny fireneny avy’

7. Italia

8. Bola, volana fahavalo amin’ny kalandrie ara-pivavahana

9. Arona sy Hora

10. Ny vitsika

11. Tarsisy

12. Tany an’efitra

13. Nomena azy ny ampahafolon’ny vokatra sy ny biby fiompin’ny foko hafa

14. Tany amin’ny lalana nankany Emaosy

15. Bezalila sy Oholiaba

16. “Mpiara-miasa amiko”

17. Mba hampahatsiahivana azy ireo fa vahoaka masina ho an’i Jehovah izy ireo, ka tokony hanaraka foana ny didiny

18. Hazo oliva

19. ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko’

20. Etibala, mpanjakan’ny Sidoniana

21. Tsy hitany izay helony