Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Zava-mahatalanjona Isan-taona Any Namaqualand

Ilay Zava-mahatalanjona Isan-taona Any Namaqualand

Ilay Zava-mahatalanjona Isan-taona Any Namaqualand

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

Feno voninkazo maro loko ny tany lemaka midadasik’i Namaqualand isan-taona, na aiza na aiza jeren’ny maso. Mientanentana erỳ mazàna izay mpitsidika mahita mivantana izany zava-mahatalanjona izany. Hoy ny mpizaha tany iray: “Raha vao jerena ireo voninkazo ireo, dia toy ny ranoka volkano, mivolondaoranjy manjelanjelatra, mikoriana moramora avy any an-tsefatsefaky ny vatolampy, ary mameno ilay faritra manontolo.”

Manova ny faritr’i Namaqualand ireo voninkazo ireo amin’ny lohataona. Nahoana anefa io faritra io no tena mahatalanjona amin’izay fotoana izay? Toerana malalaka nefa ngazana, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Afrika Atsimo i Namaqualand. Misy tendrombohitra any avaratra, ka ny Renirano Orange any ambadik’izy ireo no sisiny indrindra amin’i Namaqualand. Lehibe noho i Soisa i Namaqualand (50 000 kilaometatra toradroa eo ho eo ny velarany). Mahatratra 200 kilaometatra ny halavany manomboka eo amin’ny Renirano Orange hatrany atsimo. Mbola 200 kilaometatra eo ho eo miala eo amin’io sisiny atsimo io Le Cap. Saika mandritra ny taona, dia mahatratra 40 degre ny hafanana eo amin’io toerana ngazana io, amin’ny antoandro. Mangatsiaka be kosa amin’ny alina, satria midina hatrany amin’ny 8 degre ambanin’ny zero ny maripana. Tsy dia misy farihy sy renirano any, ary tena kely sady masirasira ny rano ambanin’ny tany. Toa tsy dia mahasarika loatra àry i Namaqualand, afa-tsy mandritra ilay zava-mahatalanjona isan-taona ihany!

Lasa feno voninkazo tampoka mantsy io tany ngazana io, aoriana kelin’ny orana amin’ny ririnina, manomboka amin’ny voalohandohan’ny Aogositra ka hatramin’ny tapaky ny Septambra. Volondaoranjy, mavo, mavokely, fotsy, mena midorehitra, manga, ary volomparasy ny lokon’izy ireo. Herinandro vitsivitsy monja isan-taona ireo voninkazo maro be ireo no mamelana, ka tsindrian-daona erỳ ny mpitsidika avy any amin’ny tany samihafa, miandry ny fotoana hankafizany ny hakanton’izy ireo.

Orana antonony tsara sy hafanana be dia be no ilaina, mba hahazoana ireo voninkazo kanto ireo. Antenain’ny rehetra koa fa tsy hitsoka ny rivotra mahamay avy any atsinanana, satria halazo sy ho vasoka haingana ireo felana marefo.

Manome voa betsaka ireo voninkazo ireo, ka lasa misy zanany maro be. Mamelana indray ireo avy eo, ka izany koa no anisan’ny mahatonga an’i Namaqualand ho kanto. Tsy mitsimoka isan-taona anefa ny maro amin’ireo voa ireo. Rehefa mety tsara aminy ihany ny toetrandro, vao mitsimoka sy mampiseho ny hakantony izy. Herintaona monja dia mitsimoka ny voa sasany. Ny hafa kosa tsy mitsimoka raha tsy afaka taona maromaro, satria miandry ny fotoana mety indrindra aminy. Manazava ny mpitsidika iray hoe: “Tsy mitsimoka avy hatrany ny voa sasany, na dia misy orana sy hafanana aza. Rehefa mangatsiatsiaka sy mando ihany izy vao mitsimoka, satria izay no fotoana mety indrindra aminy, mba hahafahany hitombo sy ho velona ao amin’io tany ngazana io.”

Samy hafa foana ny endrik’i Namaqualand isan-taona. Kanto kokoa ny endriny, rehefa antonony tsara ny orana milatsaka, ary rehefa tsy tonga ny rivotra mahamay. Hoy ny boky iray momba ny voninkazodian’i Namaqualand: “Samy hafa foana ny karazam-boninkazo mitsimoka isan-taona, arakaraka ny fotoana ilatsahan’ny orana voalohany. Tsy mitovy mantsy ny maripana mampitsimoka ny karazam-boa tsirairay. Mety ho amin’ny Aprily ka hatramin’ny Jolay koa no milatsaka ny orana voalohany (tsy mitovy ny maripana amin’ireo volana ireo).”

Tena maro samihafa ny voninkazon’i Namaqualand! Maherin’ny 4 000 ny karazany, ary samy manana ny endriny sy ny lokony ary ny fomba fitsimohany izy rehetra. Tany amin’ny toerana sasany, dia efa ho 10 ka hatramin’ny 20 ny karazam-boninkazo teo amin’ny tany iray metatra tora-droa monja. Tena kanto ilay faritra, ka toa tsy hahita loko ampy hanaovana ny sariny ny mpanao hoso-doko. Miavaka aoka izany ny hakanton’i Namaqualand, ka na ny teny marevaka indrindra aza angamba, tsy hahalaza izany.

Mampisy aingam-panahy ao amin’ny mpanao zavakanto sy poety ary mpanoratra anefa io zava-miseho hafakely io. Izao, ohatra, no nolazain’ilay poety avy eto Afrika Atsimo antsoina hoe Diederik Opperman: ‘Ny fotoam-pamafazana lehibe indrindra teto an-tany tamin’izay. Nisy loaka ny sobika fasian’Andriamanitra ny voa tsara indrindra, ka nilatsaka teto ny sasany taminy.’ Hoy ny nosoratan’ny olona iray tena tia mitsidika an’i Namaqualand: “Toy ny hoe nisy avana nivezivezy nanerana ilay tany ngazana, ka nanaparitaka loko hatraiza hatraiza.” Hoy ny mpitsidika iray hafa: “Mahatonga antsika hankasitraka ny fahalalahan-tanana sy ny fahendrena lehibe ananan’i Jehovah, Mpamorona antsika, io faritra kanto lalandava io.”

Ambonin’izany, rehefa mahita ny hakanton’io zava-mahatalanjona isan-taona any Namaqualand io isika, dia vao mainka mino fa afaka mampiasa ireo zavatra noforoniny ny Mpamorona mba hamerenana ny Paradisa maneran-tany. Hitondra fahafinaretana mandrakizay ho an’ny mpanompony tsy mivadika sy mahay mankasitraka io Paradisa io. (Salamo 37:10, 11, 29) Ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe amin’izay, ilay andinin-teny hoe: ‘Ravoravo ny efitra, ary ny tani-hay mamony tahaka ny lilia.’​—Isaia 35:1.

[Sary, pejy 16, 17]

Rakotry ny voninkazo ilay faritra mirefy 50 000 kilaometatra toradroa eo ho eo