Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Anarana Andriamanitra!

Manana Anarana Andriamanitra!

Manana Anarana Andriamanitra!

Iza no anaran’Andriamanitra? Manana anarana daholo ny olona. Maro aza no manome anarana ny bibiny! Tsy ara-dalàna ve raha manana anarana koa Andriamanitra? Tena zava-dehibe ny fananana anarana sy ny fampiasana azy io, rehefa mifandray sy mifanerasera amin’olona. Tsy tokony ho toy izany koa ve ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Mahatsikaiky fa tsy mampiasa ny anaran’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly akory, ny ankamaroan’ireo milaza ho mino azy. Efa an’arivo taona anefa no fantatra ny anarany. Ho hitanao amin’ireto lahatsoratra ireto fa olona maro be fahiny no nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Ho hitanao koa hoe nahoana no milaza ny Baiboly fa zava-dehibe ny mahafantatra tsara an’Andriamanitra.

FIRENENA maro tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-17, no nampanefy vola madinika nisy ny anaran’Andriamanitra. Niharihary teo amin’ny vola madinika alemà ny anarana hoe Jehovah, tamin’ny 1634. Nanjary fantatra tamin’ny hoe vola madinik’i Jehovah izy ireny, ary nampiasaina nandritra ny am-polo taona.

Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah * no nampiasaina hatramin’ny taonjato maro. Amin’ny teny hebreo izay vakina miankavia, izy io dia miseho amin’ny renisoratra efatra hoe יהוה. Azo adika hoe YHWH, ireo litera hebreo antsoina hoe Litera Efatra ireo. Tamin’io endrika io no nisehoan’ny anaran’Andriamanitra tamin’ireo vola madinika tany Eoropa, nandritra ny am-polo taona.

Ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ny trano, tsangambato, zavakanto, ary hiram-pivavahana maro. Milaza ny rakipahalalana iray any Alemaina fa nitondra famantarana nisy sarina masoandro sy sarin’ireo Litera Efatra, ny printsy protestanta taloha. Hita tamin’ny saina sy vola madinika koa io famantarana antsoina hoe Jehovah-Masoandro io. Mazava àry fa fantatr’ireo olona mpivavaka be tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18, fa nanana anarana ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Ny mbola zava-dehibe kokoa aza dia hoe tsy natahotra nampiasa azy io, izy ireo.

Nahafantatra ny anaran’Andriamanitra koa ireo olona tany Amerika Avaratra tamin’ny fotoan’ny fanjanahan-tany. Teo, ohatra, i Ethan Allen, miaramila nitolona ho an’ny fahaleovan-tenan’i Amerika. Araka ny tantaram-piainany, tamin’ny 1775, dia nodidiany hitolo-batana “tamin’ny anaran’i Jehovah Lehibe” ny fahavalony. Tatỳ aoriana koa, tamin’ny fotoana naha filoham-panjakana an’i Abraham Lincoln, dia nampiasa imbetsaka ny anarana hoe Jehovah ny maro tamin’ireo mpanolo-tsainy, rehefa nanoratra ho an’i Lincoln. Misy antontan-taratasy hafa momba ny tantaran’i Amerika koa misy ny anaran’Andriamanitra. Azon’ny rehetra jerena any amin’ny trano fitahirizam-boky maro izy ireny. Ohatra vitsy monja ireo, ahitana fa naharihary ny anaran’Andriamanitra, nandritra ny taonjato maro.

Ary ahoana ny amin’izao andro izao? Hadino ve ny anaran’Andriamanitra? Tsia dia tsia. Hita amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra. Raha mikaroka vetivety any amin’ireo trano fitahirizam-boky na mijery diksionera ianao, dia ho hitanao fa ny anarana hoe Jehovah no tena ampiasain’ny maro handikana an’ireo Litera Hebreo Efatra. Milaza mazava, ohatra, ny Rakipahalalana Iraisam-pirenena fa ny hoe Jehovah no “endrika maoderina isehoan’ilay anaran’Andriamanitra nosoratana taloha tamin’ny teny hebreo.” Manazava ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) nivoaka vao haingana, fa ny hoe Jehovah no “anaran’Andriamanitra ampiasain’ny fivavahana jiosy sy kristianina.”

Mety hanontany tena anefa ianao hoe ‘mbola zava-mahaliana ny olona amin’ny androntsika ihany ve ny anaran’Andriamanitra?’ Mbola hita amin’ny endrika samihafa, eny amin’ny toerana ho an’ny besinimaro ny anaran’Andriamanitra. Ahitana azy io, ohatra, ny vato fehizoron’ny tranobe iray any New York. Ary mbola any amin’io tanàna io ihany, dia hita amin’ny teny hebreo eo amin’ny kisarisary mandravaka ny garana métro be mpandeha koa ilay anarana. An’arivo no mandalo amin’ireny toerana ireny, nefa vitsy angamba no mahatsapa ny hoe zava-dehibe ilay soratra.

Zava-dehibe amin’ny olona eo amin’ny toerana misy anao ve ny anaran’Andriamanitra, sa ny hoe “Andriamanitra” ihany no iantsoan’ny ankamaroan’ny olona ny Mpamorona, ka toy ny hoe izany mihitsy no tena anarany? Tsikaritrao angamba fa tsy maharototra ny olona loatra ny hoe manana anarana Andriamanitra. Ahoana ny aminao? Tsy saikatra ve ianao miantso an’Andriamanitra amin’ny anarany hoe Jehovah?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Miseho amin’ny endriny 39 amin’ny fiteny 95 ny anarana hoe Jehovah, ato amin’ireto lahatsoratra mifampitohy ireto.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

Mpanjaka Nampahafantatra ny Anaran’i Jehovah

Nisy antokona misionera tamin’ny 1852, niainga avy tany Hawaii ho any amin’ireo nosin’i Mikronezia. Nitondra taratasy nisy ny tombo-kasen’ny Mpanjaka Kamehameha III (mpanjakan’ireo nosy tany Hawaii) izy ireo. Nosoratana tamin’ny teny hawaiien io taratasy ho an’ireo mpitondra tany amin’ireo nosin’i Pasifika io. Izao no tapany taminy: “Misy mpampianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, miainga ho any amin’ny nosinareo. Hampahafantatra anareo ny Teniny izy ireo, mba hahazoanareo famonjena mandrakizay. . . . Mampirisika anareo aho hanaja sy handray tsara, ary hihaino ny fampianaran’ireo mpampianatra tsara ireo. . . . Ario ny sampinareo, ary ekeo ho Andriamanitrareo i Jehovah Tompo, mivavaha aminy ary tiavo Izy, fa hitahy sy hamonjy anareo.”

[Sary]

Kamehameha III

[Sary nahazoan-dalana]

Arsivam-pirenen’i Hawaii

[Sary, pejy 3]

Ireo “Litera Efatra” mampiseho ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo