Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Mino ny Baiboly?—Tantaran’ny Mpahay Siansa Iray

Nahoana Aho no Mino ny Baiboly?—Tantaran’ny Mpahay Siansa Iray

Nahoana Aho no Mino ny Baiboly?Tantaran’ny Mpahay Siansa Iray

NOTANTARAIN’I ALTON WILLIAMS

NISY zavatra tena lehibe roa nitranga teo amin’ny fiainako tamin’ny 1978. Nahazo diplaoma aho ny volana Septambra tamin’io taona io, ka lasa manam-pahaizana momba ny fizika niokleary. Lasa Vavolombelon’i Jehovah aho ny volana Desambra.

Manontany tena mazàna ny olona mahafantatra ahy hoe ahoana no ahafahako mampifanaraka ny fahalalana ara-tsiansa ananako amin’ny finoako ny Baiboly. Na izaho koa aza, dia mba efa nanontany tena nandritra ny taona maro raha afaka mifanaraka ireo zavatra roa ireo. Niaiky tanteraka anefa aho tatỳ aoriana, fa afaka mifanaraka ny siansa sy ny Baiboly. Fa nahoana? Aleo aloha hotantaraiko ny nahatongavako ho mpahay siansa.

Fianarana naharitra 19 taona

Teraka tany Mississippi, eto Etazonia, aho, tamin’ny 1953. Izaho no fahatelo tamin’ny ankizy 11. Nahantra ny fianakavianay. Tsy maintsy nifindra trano matetika izahay, satria tsy nahaloa hofan-trano ny ray aman-dreninay. Nanome anay fanampiana manokana ny fanjakana, ka izany no nahazoanay ny ankamaroan’ny sakafonay. Nanadio trano sy biraon’olona ny reniko, ka ny akanjo tsy nampiasaina intsony, nomen’ireny olona ireny no nanaovanay.

Naverimberin’ny ray aman-dreninay taminay foana hoe ny fianarana ambony no hany fomba hialana amin’ny fahantrana. Mbola tena kely àry aho, dia efa nataoko tanjona ny hahazo diplaoma ambony. Niditra nianatra aho tamin’izaho enin-taona, ary tsy nijanona mihitsy nandritra ireo 19 taona nanaraka. Tia siansa sy matematika aho, ka nataoko izay hahatongavana ho mpahay siansa, rehefa tafiditra tany amin’ny oniversite aho.

Nihaona tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Del aho, tany amin’ny oniversite. Nasain’ny mpampianatra siansa iray hanatona ahy izy, satria nila fanampiana tamin’ny taranja siansa. Tsy ela anefa dia tsy siansa fotsiny no noresahinay, ary lasa nifankatia izahay. Natao tamin’ny 10 Janoary 1974 ny mariazinay, ka nandritra ny adiny roa, nanelanelana taranja roa, no nanaovana izany! Azoko ihany tamin’ny 1978, izany hoe efa-taona tatỳ aoriana, ny diplaoma ambony indrindra tamin’ny fizika niokleary.

Tratrako ilay noheveriko fa hany fomba ahitana fahombiazana eo amin’ny fiainana. Lasa mpahay siansa aho, sady amin’izay siansa momba ny fizika niokleary! Efa afaka nampiasa ny vokatry ny fianarana lava be nataoko aho izao, satria efa azoko ny diplaomako. Afaka ny ho tonga olo-malaza eo amin’ny sehatry ny siansa aho, ary tsy andriko ny hahatanterahan’izany. Afaka nifidy izay asa tiako koa aho, satria samy nanolotra asa maro ahazoam-bola be, na ny orinasa tsy miankina na ny fanjakana.

Nisy dingana lehibe nataoko anefa, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 30 Desambra 1978. Nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia hitako, fa io dingana io no nanjary nisy heriny kokoa teo amin’ny fiainako sy ny hoaviko, noho ilay diplaoma vao azoko. Ahoana no nahatonga izany?

Nanjary nahaliana ahy ny boky iray

Nisy Vavolombelona roa nandondòna tao aminay tamin’ny faramparan’ny 1977, tamin’izaho nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Massachusetts, any Amherst. Ny vadiko sy ny zanakay telo taona ary ny zanakay iray hafa vao teraka no tao an-trano. Nampandrosoin’ny vadiko ireo Vavolombelona. Nahafinaritra azy ny niresaka tamin’izy ireo, ka nanaiky hotsidihin’izy ireo indray mandeha isan-kerinandro izy, mba hampianatra azy Baiboly.

Notoheriko avy hatrany ny vadiko, rehefa nilaza izany tamiko. Tsy nampaninona ahy izay fivavahana tiany harahina, fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy! Tsy tena nahalala ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho raha ny marina, fa nihevitra fotsiny hoe antokon’olona hafahafa izy ireo, ary nampiasa ny Baiboly hamitahana ny olona. Nieritreritra aho fa voataonan’ny Vavolombelona ny vadiko, ka mba hampiala azy amin’izany, dia hampiasa ny fahalalana ara-tsiansa ananako aho mba hanaporofoana fa diso ny fampianaran’izy ireo.

Indray andro, dia najanoko alohaloha ny fikarohana nataoko tany amin’ny oniversite, ary nody aho mba hanatrika ny fianaran’ny vadiko. Efa handeha anefa ilay vehivavy nampianatra Baiboly, vao tonga aho. Nomeny boky hoe Ahoana no Nampisy ny Olombelona: Evolisiona sa Famoronana? aho. * Niteny tamin’ny vadiko koa izy hoe amin’ny herinandro manaraka izy ireo, dia handinika ilay faminaniana ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa taona tena lehibe ny 1914. Izay indrindra no nandrasako! Nilaza tamin’ilay Vavolombelona aho fa hanatrika io fiaraha-midinika io. Tiako ho hita raha tena marina ny kajy hataony momba ny taona 1914.

Ny alin’iny ihany, dia nanomboka namaky ilay boky nomen’ilay Vavolombelona aho. Tsoriko fa tena nampiaiky volana ahy ilay izy. Nirindra tsara ny zavatra voasoratra tao anatiny, ary nahitana fanazavana siantifika maro be mifandray amin’ny evolisiona. Gaga aho rehefa nahita fa marim-pototra kokoa noho ny zavatra efa fantatro hatramin’izay ny fanazavan’ny Baiboly momba ny famoronana. Voavakiko tao anatin’ny andro vitsivitsy monja ilay boky. Niaiky aho fa tsy mifanohitra velively amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa momba ny fiainana eto an-tany, ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana.

Niezaka nitady izay diso

Mbola nampisalasala ahy ihany anefa ny fampianaran’ny Vavolombelona, ka tsy andriko izay hanamarinana tamin’ny alalan’ny kajy ny faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny taona 1914. Nino aho fa tsy maintsy ho menatra ilay Vavolombelona, ary ho hitan’ny vadiko fa diso ny fampianarany.

Niverina niaraka tamin’ny lehilahy iray, anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, ilay vehivavy, ny herinandro nanaraka. Ilay anti-panahy no nitarika ilay fianarana. Ny faminaniana ao amin’ny toko faha-4 sy faha-9 amin’ny bokin’i Daniela, momba ny nanosorana an’i Jesosy ho Mesia sy nanendrena azy ho Mpanjaka no noresahiny. Niezaka nitady izay diso tamin’ny fanazavany aho, nefa tsy nahita. Nampiaiky volana ahy toy ny teo aloha kosa aza ny firindran’ny fanazavana ao amin’ny Baiboly.

Nihevitra foana aho talohan’izay hoe noho ny fihetseham-po fotsiny no mahatonga ny olona hino an’Andriamanitra, fa tsy dia mamakafaka loatra izy ireo. Tena diso anefa aho! Nisaotra an’ireo Vavolombelona aho satria nahalalako zavatra ilay fiaraha-midinika, ary nilaza aho fa te hiara-mianatra amin’izy ireo isan-kerinandro. Sady niara-nianatra Baiboly tamin’ny vadiko àry aho nanomboka tamin’izay, no nanohy ny fianarako tany amin’ny oniversite. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izahay mivady.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, dia nianatra fahamarinana ara-baiboly maro aho, ary tsy ela dia nahafeno fepetra hiara-mitory isan-trano tamin’ny Vavolombelona. Nitory foana aho na dia nitaky fotoana be tamiko aza ny famaranana ny fianarako tany amin’ny oniversite. Tany antenatenan’ny 1978, dia vitako ny boky nirakitra ny valin’ny fikarohana nataoko, ary nifindra teto amin’ny fanjakan’i Alabama aho. Nanomboka nampianatra fizika tao amin’ny Oniversiten’i Alabama, eto Huntsville, aho. Nifandray avy hatrany tamin’ny Vavolombelona teto an-toerana izahay, ary nanohy ny fianaranay Baiboly niaraka tamin’ny anti-panahy iray sy ny vadiny. Natao batisa izahay mivady, volana vitsivitsy taorian’izay, ka andro iray ihany no nanaovana izany.

Sady mpahay siansa no mpitory

Hitako fa nifanaraka tsara ny asako sy ny fivavahako. Nanomboka tamin’ny 1983, dia mpahay fizika momba ny kintana no asako. Teto Huntsville ihany aho no niasa, tany amin’ny Foibe George Marshall Misahana ny Fandehanana any Ambony Tsy Taka-maso, izay an’ny NASA (Sampan-draharaham-pirenena Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso). * Nanao fikarohana momba ny teleskaopy iray fijerena taratra X aho, ary narahina fanandramana izany avy eo. (Tafakatra soa aman-tsara tany ambony tsy taka-maso io teleskaopy antsoina hoe Teleskaopin’i Chandra Natao Hijerena Taratra X io, tamin’ny 1999, ka ny sambon-danitra Columbia no nitondra azy.) Tiako ny nanao io asa io, satria nahafahako nahalala tsara kokoa ny zavaboary manodidina antsika. Tafiditra tamin’ilay izy mantsy ny fandinihana ny taratra X avoakan’ny kintana samihafa sy ny vahindanitra.

Antony roa no nahatonga ahy ho tia ny asako. Voalohany, nahaliana ahy ny fikarohana nataoko momba ny siansa, ary faharoa, nanjary nankasitraka kokoa ny hery sy ny fahendren’ny Mpamorona aho. Lasa nisy heviny manokana tamiko mihitsy aza ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia, mpaminany fahiny, manao hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:26) Arakaraka ny ‘nanandratako ny masoko’ mba handinika izao rehetra izao midadasika sy be tsipiriany ary kanto, no nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa ny asan’ilay Mpamorona, izay manam-pahaizana tokoa. Izy no nanao izao rehetra izao sy ireo lalàna mampirindra azy tsara.

Nazoto namoaka fanazavana vaovao momba ilay fikarohana nataoko mifandray amin’ny taratra X aho, nandritra izany fotoana izany. Navoakako tao amin’ny gazety momba ny siansa ireny fanazavana ireny. Nazoto nanao asa kristianina teo anivon’ny fiangonana koa anefa aho. Anti-panahy aho, ary nandany 20 ora teo ho eo isam-bolana tamin’ny asa fitoriana. Ny vadiko kosa nanao asa fampianarana Baiboly manontolo andro.

Te handany fotoana bebe kokoa hanampiana ny hafa hianatra ny fahamarinana tena lehibe ao amin’ny Baiboly aho, rehefa avy niasa nandritra ny efa-taona teo ho eo tao amin’ny NASA. Ahoana anefa no hahavitako izany? Hitako fa nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisiko, rehefa avy niresaka ny faniriako tamin’ny vadiko sy tamin’i Jehovah aho.

Fanapahan-kevitra lehibe

Nanatona ny lehibeko tao amin’ny NASA aho, ary nilaza taminy fa naniry hiasa efatra andro ao anatin’ny herinandro, fa tsy dimy andro intsony. Mazava ho azy fa tsy maintsy hihena ny karamako. Nohazavaiko tamin’ilay lehibeko fa tiako holanina hanaovana asa fitoriana ny andro telo hafa amin’ny herinandro. Nanaiky izy, na dia mbola tsy nisy mpahay siansa nanao izany mihitsy aza tao amin’ny NASA. Nilaza tamiko anefa izy fa nila niresaka tamin’ny lehibeny aho. Nanao izany aho, ka sady gaga no faly, rehefa nanaiky ny fangatahako koa io olona ambony io. Nanomboka ny asa fitoriana manontolo andro àry aho tamin’ny Septambra 1987, ka nandany 90 ora teo ho eo isam-bolana tamin’ny fitoriana isam-baravarana sy ny lafiny hafa amin’ny fanompoana.

Niantso ahy an-telefaonina tatỳ aoriana, ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Oniversiten’i Alabama, eto Huntsville. Nanontany ahy izy raha afaka hampianatra fizika aho. Nilaza taminy aho fa hanao izany, raha afaka manao fanompoana amin’ny ankamaroan’ny fotoanako. Nanome toky azy anefa aho fa tsy hanao tsirambina ny asako. Nanaiky ilay tompon’andraikitra. Mbola mampianatra ao amin’io oniversite io aho izao, sady mbola mpitory manontolo andro. Mbola nanana fotoana nianarana teny espaniola koa aza aho. Manompo ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny espaniola eto Huntsville izao izahay mivady.

Siansa sy finoana

Mbola tsy nahita mihitsy aho hoe nisy zavatra hitan’ny mpahay siansa nifanohitra tamin’ny Baiboly, nandritra ireo taona nanaovako fikarohana momba ny siansa. Misy olona mieritreritra an’izany anefa matetika, satria tsy azony tsara ny fampianarana ara-tsiansa na izay tena lazain’ny Baiboly. Misy mpahay siansa sy olon-kafa mihevitra, ohatra, fa voalazan’ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro naharitra 24 ora avy, no niforona ny zavamaniry sy ny biby ary ny olombelona. Mifanohitra amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Tsy mampianatra izany koa anefa ny Baiboly. Milaza izy io fa naharitra an’arivo taona ireo “andro” famoronana. *

Misy mieritreritra koa hoe noho ny fihetseham-po fotsiny no mahatonga ny olona hino an’Andriamanitra. Miorina amin’ny zava-misy, izay azo porofoina, anefa ny finoana an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Izao no amaritan’ny Baiboly ny finoana: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Miorina amin’ny porofo mazava tokoa ny finoana. Faminaniana an-jato no tanteraka taloha sy amin’ny androntsika. Vao mainka isika hino fa ho tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny hoavy raha ampiasaintsika hanaporofoana azy ireny, ny fomba ampiasain’ny mpahay siansa mba hanamarinana fanazavana iray.

Anisan’izany faminaniana izany, ohatra, ilay fampanantenana hoe ho lasa Paradisa ny tany tsy ho ela, ka afaka ny hiaina ao isika. Tsy hisy intsony ny voka-dratsin’ny fahanterana, aretina, fahafatesana, ady, ary ny tsy rariny. (Apokalypsy 21:3, 4) Amin’izay isika, dia hanana fotoana handinihana tsara ireo zavaboary kanto noforonin’i Jehovah Andriamanitra, sy ireo lalàna maro be napetrany mba hifehy izao rehetra izao mahatalanjona.

Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra aho, satria nampiany hahalala ny fomba hahitana ny tena fahasambarana. Tsy inona izany fa ny fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Mivavaka aho mba ho maro kokoa ny olona, anisan’izany ny mpahay siansa, hahita izany fahamarinana sarobidy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 22 Orinasam-panjakana amerikanina tsy miankina amin’ny fikambanana ara-panjakana hafa ny NASA.

^ feh. 30 Jereo ny toko faha-6 manao hoe: “Un récit ancien de la création: est-il fiable?”, ao amin’ny boky Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Nihevitra aho hoe noho ny fihetseham-po fotsiny no mahatonga ny olona hino an’Andriamanitra, fa tsy dia mamakafaka loatra izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 24]

Mbola tsy nahita mihitsy aho hoe nisy zavatra hitan’ny mpahay siansa nifanohitra tamin’ny Baiboly

[Sary, pejy 23]

Mampianatra tapa-potoana aho, mba hamelomako ny fianakaviako

[Sary, pejy 25]

Teleskaopin’i Chandra Natao Hijerena Taratra X any ambony tsy taka-maso; taratra X avy amina kintana sy lavaka mainty

[Sary nahazoan-dalana]

NASA Photo

NASA/CfA/J. McClintock et al.

[Sary, pejy 25]

Tianay mivady ny fanompoana manontolo andro