Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Notoherina ny Anaran’Andriamanitra

Notoherina ny Anaran’Andriamanitra

Notoherina ny Anaran’Andriamanitra

MANAM-PAHAIZANA jiosy tamin’ny taonjato faharoa i Hananiah ben Teradion. Anisan’ny nampahalaza azy ny fampianarana ampahibemaso ny horonam-bokin’ny Torah, izay mirakitra ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Fanta-bahoaka koa i Ben Teradion noho izy nampiasa sy nampianatra ny anaran’Andriamanitra. Ahoana tokoa moa no tsy hampianarany ny anaran’Andriamanitra, nefa izy io miverina im-1 800 mahery ao amin’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly?

Nandry an-driran’antsy anefa ny manam-pahaizana jiosy, tamin’ny andron’i Ben Teradion. Milaza ny mpahay tantara jiosy fa nodidian’ny emperora romanina homelohina ho faty, ireo nampianatra na nanaraka ny Jodaisma. Nosamborin’ny Romanina i Ben Teradion tamin’ny farany, ary nisy kopian’ny horonam-bokin’ny Torah teny an-tanany tamin’izy nosamborina. Rehefa nofotorana izy dia sahy nanazava fa noho ny didin’Andriamanitra no nampianarany Baiboly. Novonoina ho faty ihany anefa izy.

Tamin’ny fotoana namonoana an’i Ben Teradion, dia nofonosina tamin’ilay horonana Baiboly tratra teny aminy izy. Nodorana teo amin’ny tsato-kazo izy avy eo. Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy), fa “nasiana volon’ondry mando tandrifin’ny fony, mba hijalijaly aloha izy vao ho faty.” Novonoina ho faty koa ny vadiny ho saziny, ary namidy tamin’ny trano fivarotan-tena ny zanany vavy.

Tompon’andraikitra tamin’io famonoana mahatsiravina an’i Ben Teradion io ny Romanina, nefa milaza ny Talmoda * fa “nodorana izy ho saziny, satria nanonona ny Anaran’Andriamanitra.” Tena fahotana lehibe amin’ny Jiosy mantsy ny manonona ny anaran’Andriamanitra.

Ny Didy Fahatelo

Toa niely patrana teo amin’ny Jiosy koa ny finoanoam-poana momba ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra, nandritra ireo taonjato roa voalohany. Milaza ny Mishnah (tahirim-panazavana nakana ny Talmoda) fa tsy hanana anjara amin’ilay Paradisa eto an-tany ampanantenain’Andriamanitra, “izay manonona ny anarany feno.”

Avy taiza io fandrarana io? Nino ny Jiosy, hoy ny olona sasany, fa masina loatra ny anaran’Andriamanitra ka tsy mendrika hanonona azy ny olombelona tsy lavorary. Nampiahotra ny olona tatỳ aoriana koa, na dia ny nanoratra ilay anarana aza. Milaza ny antony ny rakipahalalana iray. Mety hiafara any amin’ny fanariam-pako mantsy, hoy izy, ilay taratasy ka ho voazimbazimba ny anaran’Andriamanitra misoratra ao.

Nambaran’ny Rakipahalalana Judaica, fa “ny tsy fahazoana ny hevitry ny Didy Fahatelo . . . no nahatonga ny olona tsy hanonona an’ilay anarana hoe YHWH.” Izao mantsy ny fahatelo amin’ireo Didy Folo nomen’Andriamanitra ny Israelita: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.” (Eksodosy 20:7) Nanjary voaolana io didin’Andriamanitra io, izay mandrara ny fampiasana ny anarany amin’ny tsy tokony ho izy.

Tsy hisy mihitsy olona hilaza fa sitrak’Andriamanitra ny handorana eo amin’ny tsato-kazo ny olona manonona ny anarany! Mbola tsy lefy anefa ny finoanoam-poanan’ny Jiosy momba ny anaran’Andriamanitra. Mbola maro ihany no manolo ireo Litera Efatra amin’ny hoe ilay “Anarana Tsy Hay Tononina.” Misy koa tsy te handika ny lovantsofina ka manao fanahy iniana mandiso ny fanononana ilay anarana. Tsy manonona ny anaran’Andriamanitra nohafohezina hoe Jah, na Yah, ohatra, izy ireo fa soloany hoe Kah izany. Tononiny hoe Halelokà koa ny hoe Haleloia. Misy koa aza tsy manoratra manontolo ny teny hoe “Andriamanitra.”

Ezaka hafa nanafenana ilay anarana

Tsy ny Jodaisma irery no fivavahana mandà tsy hanonona ny anaran’Andriamanitra. Raiso koa ny ohatr’i Jérôme, izay pretra katolika sady mpitan-tsoratry ny Papa Damase I. Nahadika ny Baiboly manontolo tamin’ny teny latinina izy, tamin’ny taona 405. Vulgate latinina no nahafantarana azy io, ary tsy mba nampidiriny tao ny anaran’Andriamanitra. Araka ny nahazatra tamin’ny androny, dia nosoloan’i Jérôme tamin’ny hoe “Tompo” sy “Andriamanitra” ilay anarana. Ny Vulgate latinina no fandikan-teny katolika nahazoan-dalana voalohany, ary fandikan-teny maro koa no nalaina avy tamin’izy io.

Ny Vulgate latinina, ohatra, no nakana ny Dikan-tenin’i Douay (Baiboly Katolika nadika tamin’ny 1610, teny anglisy). Tsy mahagaga àry raha tsy hita tao amin’io fandikan-teny io koa ny anaran’Andriamanitra. Fandikan-teny tena nankatoavin’ny maro anefa ny Dikan-tenin’i Douay. Izy io no hany Baiboly Katolika nahazoan-dalana ho an’ireo Katolika miteny anglisy, hatramin’ireo taona 1940. Eny, nafenina an’ireo Katolika an-tapitrisa be fandavan-tena ny anaran’Andriamanitra, nandritra ny taonjato maro.

Teo koa ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nisy manam-pahaizana vitsivitsy tamin’ny 1604, nasain’ny Mpanjaka Jacques I (nanjaka tany Angletera), nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy. Vita izany rehefa afaka fito taona teo ho eo, ary navoaka ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, izay antsoina koa hoe Dikan-teny Nahazoan-dalana.

Nisafidy ny tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra koa ireo nandika an’io Baiboly io, afa-tsy tamin’ny andininy vitsivitsy monja. Matetika ireo Litera Efatra no novana hoe “TOMPO” na “ANDRIAMANITRA.” Izy io anefa no lasa fandikan-teny fampiasan’ny olona an-tapitrisa miteny anglisy. Milaza ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa “tsy nisy dikan-tenin’ny Baiboly anglisy hafa, nalaza sy niely toy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, nandritra ireo 200 taona taorian’ny namoahana azy. Tamin’izany fotoana izany dia ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques no tena nampiasain’ireo tany niteny anglisy.”

Telo monja amin’ireo fandikan-teny maro nanaisotra na nanao ambanin-javatra ny anaran’Andriamanitra, ireo noresahintsika ireo. Tsy mahagaga raha miahotra hampiasa ny anaran’Andriamanitra na tsy mahafantatra azy io akory ny ankabeazan’ireo milaza azy ho Kristianina. Soa ihany fa nisy mpandika Baiboly sasany tsy nanaisotra ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny fandikan-teniny. Saika tatỳ aoriana avokoa anefa izy ireny no navoaka, ka tsy liana firy tamin’ilay anarana intsony ny olona amin’ny ankapobeny.

Fanao tsy tian’Andriamanitra

Ny lovantsofina no nahatonga ny olona tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra, fa tsy ny fampianaran’ny Baiboly mihitsy. Hoy ny fanazavan’i Tracey Rich, mpikaroka jiosy, izay namorona ilay toerana ao amin’ny Internet atao hoe Jodaisma 101: “Tsy mandrara ny fanononana ny Anaran’Andriamanitra mihitsy ny Torah. Toa nahazatra mihitsy aza ny nanonona azy io, raha ireo andinin-teny ao no jerena.” Tena nampiasa ny anaran’Andriamanitra tokoa ny mpivavaka marina, tamin’ny andron’ny Baiboly.

Mazava àry fa eken’Andriamanitra kokoa ny fivavahantsika, toy ny an’ireo nekeny tamin’ny andron’ny Baiboly, raha fantatsika sy ampiasaintsika ny anarany. Mety ho ny dingana voalohany hahafahantsika hanana fifandraisana manokana aminy izany. Tsara lavitra noho ny mahalala ny anarany fotsiny izany. Manasa antsika hifandray aminy i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny fanasana feno fitiavana nomeny tamin’ny alalan’ny fanahy masina: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Ahoana no hahafahan’ny olombelona mety maty hifandray akaiky amin’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony?’ Hanazava ny momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Fitambaram-boky mirakitra ny fombafomba jiosy fahiny ny Talmoda, ary heverina ho anisan’ny masina sy hajain’ny olona indrindra amin’ireo asa soratra momba ny fivavahan’ny Jiosy.

[Efajoro, pejy 6]

Haleloia

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mandre hoe “Haleloia” ianao? Angamba ianao hahatsiaro an’ilay hira hoe “Messiah”, izay sangan’asan’i Haendel tamin’ny taonjato faha-18 ary miavaka noho ny famerimberenana isan’andininy ny hoe Haleloia. Na hahatsiaro ny hiran’ny tarika malagasy iray, nampitondrainy ny lohateny hoe “Haleloia ô!” ianao. Na ahoana na ahoana anefa dia azo antoka fa efa nandre ny hoe “Haleloia” ianao. Mety ho efa mampiasa azy io matetika koa aza ianao. Fantatrao ve anefa ny heviny?

Haleloia: Teny malagasy nandikana ny teny hebreo hoe ha·lelu-Yahʹ, izay midika hoe “derao Jah.”

Jah: Fanafohezana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Miseho in-50 mahery izy io ao amin’ny Baiboly, raha isaina miaraka amin’ny hoe “Haleloia.”

[Efajoro, pejy 7]

Misy ny Anaran’Andriamanitra ve ny Anaranao?

Olona maro no manana anarana avy ao amin’ny Baiboly. Matetika no tafiditra amin’ireny anarana hebreo ireny, ny anaran’Andriamanitra. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’izy ireny sy ny heviny. Mety ho anisan’izy ireto ny anaranao.

Johana: “Namindra Fo i Jehovah”

Joela: “Jehovah no Andriamanitra”

Jaona: “Nampiseho Fankasitrahana i Jehovah”

Jonatana: “Jehovah no Nanome”

Josefa: “Hanampy Anie Jah” *

Josoa: “Jehovah no Famonjena”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 34 Fanafohezana ny hoe “Jehovah” ny hoe “Jah.”

[Efajoro, pejy 8]

Teny ao Amin’ny Baiboly Iantsoana An’Andriamanitra

Mampiasa teny maro ho solon’ny hoe Andriamanitra ny Soratra Hebreo nandikana ny Soratra Masina. Anisan’ireny ny hoe Tsitoha, Mpamorona, Ray, ary Tompo. Raha atambatra anefa ireny rehetra ireny, dia hita fa mbola ampiasaina imbetsaka lavitra ny anarany. Miharihary fa sitrak’Andriamanitra ny hampiasantsika ny anarany. Hitanao amin’ity lisitra ity ny hisehoan’ireny teny ireny ao amin’ny Soratra Hebreo. *

Jehovah: In-6 973

Andriamanitra: In-2 605

Tsitoha: Im-48

Tompo: In-40

Mpanao: In-25

Mpamorona: Im-7

Ray: Im-7

Fahagola: In-3

Mpampianatra Lehibe: In-2

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 40 Tokotokony ho isan’ny isehoany ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 9]

Andriamanitra Mahatonga

Tsy mitovy hevitra avokoa ny manam-pahaizana, raha ny momba ny dikan’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Maro anefa no mino rehefa nandinika, fa avy amin’ny matoanteny hebreo hoe ha·wahʹ (tonga) izy io, ary midika hoe “Mahatonga Izy.”

Izao no andikan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, * ny Eksodosy 3:14, izay mitantara momba ny nanontanian’i Mosesy ny anaran’Andriamanitra: “Tamin’izay Andriamanitra dia niteny toy izao tamin’i Mosesy: ‘Hoporofoiko ho izay hoporofoiko ny tenako.’ Ary hoy koa izy: ‘Izao no tokony holazainao amin’ny zanak’Israely: “I hoporofoiko ny tenako no naniraka ahy ho atỳ aminareo.”’”

Tena marina tokoa izany, satria afaka mahatonga ny tenany ho araka izay tiany Andriamanitra. Tsy misy afaka manakana azy tsy hanatanteraka ny sitrapony. Tanteraka foana ny fikasany sy ny fampanantenany. Miavaka koa Andriamanitra, satria izy irery no manana ny fahaizana tsy voafetra mba hamoronana. Izy no nampisy izao tontolo izao hita maso. Izy koa no namorona an’ireo anjely tsy hita isa. Tena Andriamanitra Mahatonga tokoa izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 55 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 5]

Sary mivohitra mampiseho ny famonoana an’i Hananiah ben Teradion

[Sary, pejy 8, 9]

Toerana Ahitana Mibaribary ny Anaran’Andriamanitra:

1. Fiangonana any Lomborg, Danemark, taonjato faha-17

2. Varavarankely fitaratry ny katedralin’i Berne, Soisa

3. Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, nosoratana tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, Israely, taona 30-50

[Sary nahazoan-dalana]

Fitahirizam-boky masina, Tranombakoka any Israely, Jerosalema

4. Vola madinika tany Soeda, 1600

[Sary nahazoan-dalana]

Tranombakoka Kungl. Myntkabinettet, Sveriges Ekonomiska

5. Bokim-pivavahana alemà, 1770

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky Die Lust der Heiligen an Jehova. Oder: Gebaet-Buch, 1770

6. Soratra amin’ny vato, Bavière, Alemaina

7. Vato Moabita, Paris, Frantsa, 830 T.K.

[Sary nahazoan-dalana]

Tranombakoka Louvre, Paris

8. Valindrihana misy sary hoso-doko, Olten, Soisa