Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Jiolahy Zokiolona

Milaza ny gazety The Sunday Times any Londres, fa “misy faritra natokana ho an’ny gadra zokiolona izao ao amin’ny fonjan’i Grande-Bretagne, satria tena mihabetsaka ny olona misotro ronono manao asan-jiolahy.” Any amin’ny fonjan’i Portsmouth, ohatra, dia manana seza manokana izay mampiakatra sy mampidina azy amin’ny rihana, izy ireo. Misy fitaovana mifanentana aminy koa ao hanaovany fanatanjahan-tena, ary nampiofanina hikarakara ny fahasalamany ny mpiasan’ny fonja. Asehon’ny fikarohana fa maherin’ny 100 000 ny olona misotro ronono, “no nanao asan-jiolahy na nieritreritra hanao izany”, mba hanampiana ny vola raisiny amin’ny fanjakana sy avy amin’ny fisotroan-dronono. Ny sasany nivarotra zava-mahadomelina, nangalatra entam-barotra, nampiditra sigara sy toaka an-tsokosoko tao Grande-Bretagne, ary nandroba banky mihitsy aza. Nisy 355 izy ireo no nogadraina tamin’ny 1990, fa 1 138 kosa tamin’ny 2000. Maro no tsy nanao asan-jiolahy mihitsy taloha, nefa “maniry mafy hihazona ny fari-piainany”, hoy i Bill Tupman, manam-pahaizana mandinika momba ny heloka bevava. “Tsy ny mahantra indrindra amin’ny olona misotro ronono ireo, fa ireo manana fiainana antonontonony sy niasa mafy ary nanara-dalàna foana hatramin’izay niainany.”

Ahoana no Ifankahitan’ny Phoque Amin’ny Zanany?

Rehefa avy mitady sakafo any an-dranomasina mandritra ny herinandro maromaro ny reny phoque (karazana lambondriaka), dia tsy maintsy mifampitady eo anivon’ny phoques kely sy lehibe an-jato mitabataba, izy sy ny zanany. Ahoana no ataony? Milaza ny gazety The Vancouver Sun any Kanada, fa “roa andro monja aorian’ny ahaterahany, dia efa mahay mamantatra ny feon-dreniny ny phoque kely, ary mahay mamantatra haingana ny antsoantson-janany koa ilay reny.” Milaza koa ilay gazety fa ny fandinihana natao tany amin’ny Nosy Amsterdam, dia nahitana fa “ao anatin’ny fito minitra monja, dia efa mahita ny zanany ny reny phoque, rehefa miverina voalohany avy any an-dranomasina, aorian’ny iterahany.” “Ny zanany ihany no omeny sakafo, ary mety hasiaka be amin’ny phoque kely hafa izy”, hoy ny Pr. Isabell Charrier, izay nitarika ilay fandinihana. “Noho izany, dia zava-dehibe ny hamantaran’ny phoque kely ny reniny.”

Ny Teny Mandarin sy ny Atidoha

Nampiasa fitarafana ny atidoha ilay psikology atao hoe Sophie Scott sy ny mpiara-miasa aminy any Londres sy Oxford, mba hamaritana hoe faritra aiza amin’ny atidoha no manampy antsika hamantatra ny hevitry ny teny rentsika. Hitan’izy ireo fa rehefa mahare teny anglisy ny olona mpiteny anglisy, dia ny faritra ambany havia amin’ny atidohany no miasa. Kanefa, “rehefa mandre ny fitenin-drazany ny Sinoa Mandarin, dia samy miasa be ny faritra ambany havanana sy havia amin’ny atidohany”, hoy ny gazety The Guardian. Nahoana? Hazavain’io gazety io fa “matetika ny faritra ambany havia amin’ny atidoha no heverina fa manambatra ny feo ho teny, fa ny havanana kosa mamantatra ny feon-kira sy ny fiovaovam-peo.” Amin’ny teny mandarin, dia miova arakaraka ny fiovan’ny feo ny hevitry ny teny. Ny hoe ‘ma’, ohatra, dia mety hidika hoe neny, fibedesana, soavaly, na kofehin-drongony, arakaraka ny toe-peo. “Heverinay fa eo amin’ny olona miteny mandarin, dia ny faritra ambany havanana amin’ny atidoha no mamantatra ny fiovaovam-peo sy ny feon-kira ilazana ireo teny reny, mba hamaritany ny heviny.”

Fifaninanana Manorina ny Trano Avo Indrindra Eran-tany

“Ifaninanana indray izao ny fanamboarana ny trano avo indrindra eran-tany”, hoy ny gazety The Wall Street Journal. Efa misy trano be mirefy 508 metatra aorina any Taipei, any Taïwan, ary mihoatra 90 metatra ny haavony raha oharina amin’ireo Tranobe Kambana tany New York. Eo am-panorenana Foibe Ara-bola Iraisam-pirenena izay mirefy 492 metatra koa ny tanànan’i Shangaï, any Chine. Lazain’ireo manam-pahefana any Shangaï fa ho avo kokoa noho ilay any Taïwan io trano io, satria antenina televiziona mirefy 50 metatra no tena mahaavo ilay any Taïwan. Mbola avo noho izany aza ny foibe ara-barotra iraisam-pirenena iray mirefy 540 metatra, kasaina haorina any Séoul, any Korea Atsimo. Mba tsy ho resin’izany dia nisy nanolo-kevitra ny hanorenana ny trano avo indrindra eran-tany, ho solon’ilay narodan’ny mpampihorohoro tany New York, tamin’ny 11 Septambra. “Taorian’iny fanafihana tamin’ny 2001 iny, dia vitsy no nanampo fa hiverina haingana toy izany ny fifaninanana hanorina trano avo indrindra”, hoy ny Journal.

Mety Harary Fo ny Tanora Mora Tezitra

Araka ny The Gazette any Montréal, dia ‘hitan’ny mpikaroka fa atahorana kokoa ho voan’ny aretim-po ny ankizy mora tezitra, raha oharina amin’ny ankizy tsy dia mora tezitra loatra.’ Rehefa avy nandinika zatovo sy ankizy 134 ny mpikaroka amerikanina sy failandey, dia nahita fa ahina kokoa harary fo ny ankizy mora tezitra, raha oharina amin’ny ankizy hafa tsy mora tezitra loatra. “Tsy marary fo tampoka akory ny olona rehefa 50 taona”, hoy ny Pr. Kristen Salomon, izay anisan’ny nanao ilay fandinihana. “Mbola kely ny olona, dia efa manomboka ny aretin’ny fo sy ny lalan-dra.”

Ny Vorona Be Taona Indrindra any Grande-Bretagne Ve?

Araka ny The Times any Londres, dia “mbola velona soa aman-tsara ilay vorona be taona indrindra any Grande-Bretagne, izay efa nahavita 8 000 000 kilaometatra hatramin’izay 52 taona izay.” Karazana vorotomany (puffin) io vorona kely mainty sy fotsy io. “Enin-taona teo ho eo izy rehefa nasiana marika voalohany, tamin’ny Mey 1957.” Voasambotra indray izy tamin’ny 1961, sy 1978, ary 2002, ary tsy nanantena hahita azy intsony ireo manam-pahaizana momba ny vorona, taorian’izay. Niseho tany amin’ny morontsiraka avaratr’i Pays de Galles indray anefa izy io, teo am-piandohan’ny taona 2003. Mihevitra ny Fikambanana Britanika Momba ny Fandinihana ny Vorona, fa nanidina 800 000 kilaometatra, fara fahakeliny, ilay vorona, rehefa nandroso sy niverina avy any Amerika Atsimo. Fanaon’izy io koa ny manidina 1 000 kilaometatra rehefa mitady sakafo, ary izay no mahatonga ny mpahay siansa hihevitra fa efa nahavita 8 000 000 kilaometatra mahery izy. Nilaza toy izao i Graham Appleton, avy amin’ny Toerana Fandinihana Vorona any Bardsey, any avaratr’i Pays de Galles: “Inefatra izay ilay vorona no nasiana marika, ary mbola tsy nisy toy izany mihitsy hatramin’izay. Efa simba daholo ireo marika taloha.”

Nofoanana ny Fandaharana Amin’ny Televiziona ho An’ny Ankizy any Espaina

“Tsy misy fandaharana natao ho an’ny ankizy intsony ao amin’ny televiziona rehefa tolakandro”, hoy ny gazety espaniola El País. Manazava i Manuel Cereijo, mpitondra tenin’ny Radiom-pirenena Espaniola, fa “tsy azo antoka hijery televiziona foana ny ankizy ka hoe hanaovana fandaharana manokana ny tolakandro.” Manahy ny amin’izany anefa ny manam-pahaizana toa an’i Lola Abelló, talen’ny Fikambanan’ny Ray Aman-drenin’ny Mpianatra any Espaina. Hoy izy: “Mijery izay rehetra aseho aminy ny ankizy.” Ankizy 1 amin’ny 3 no manana televiziona ao amin’ny efitranony, any Espaina, hoy ilay gazety. Noho izany, dia tsy miresaka olona ao amin’ny dessins animés intsony ny ankizy eo anelanelan’ny 4 sy 12 taona, fa miresaka momba ny mpihira malaza sy izay resaka ao amin’ny fandaharana ho an’ny olon-dehibe. “Mampalahelo izany”, hoy Abelló, “satria simba ny fahazazan’izy ireo. Mbola kely izy ireo dia efa mijery fandaharana natao ho an’ny olon-dehibe sahady.”