Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Alan’ny Tany Mafana Nahaliana be ahy ireo lahatsoratra mifampitohy hoe “Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?” (8 Jolay 2003) Efa nampoiziko fa hiresaka betsaka momba ny ala any Amerika Atsimo ianareo. Mbola azo avotana, fara faharatsiny, ny ala any Amerika Atsimo, raha efa tena ratsy ny toe-javatra any Afrika sy Azia. Tsy andriko erỳ ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny fanimbana ny ala. Amin’izay fotoana izay, dia hidera azy indray ireo zavaboariny tafaverina amin’ny laoniny.

G. R., Soisa

Misaotra indrindra noho ireo lahatsoratra mifampitohy ireo. Nisy fotoana nanaovako fikarohana momba ny tontolo iainana, ka nahatonga ahy hanova ny fahazarako mividy sy manarinary zavatra. Mankarary ny foko ny mieritreritra hoe zavamaniry maro no simba, ary biby tsy toko tsy forohana no novonoina na nafindra toerana noho ny fitiavam-bolan-dRaolombelona. Velom-panantenana aho mahafantatra fa hitan’ny Mpamorona izany, ary hovany tsy ho ela. Misaotra noho ireny lahatsoratra mahafinaritra ireny.

V. T., Kanada

Tia ny tontolo iainana aho, ary efa ela aho no nanahy ny amin’ny mety hiafaran’ny alan’ny tany mafana. Faly aho mahafantatra fa mitandro ny zavaboarin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Maivamaivana koa aho mandre fa tsy hisy hanimba intsony ny ala indray andro any.

T. H., Etazonia

Loza Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?” (8 Jolay 2003) Rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io aho, dia toy ny hoe nanome ahy tari-dalana tamin’ny zava-nanahirana ahy hatramin’ny taona maro i Jehovah. Kristianina aho ka azoko tsara ny hoe “tsy mora setraina” ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1) Raiki-tahotra foana anefa aho isaky ny mahita vaovao mampanahy ao amin’ny televiziona. Kivy aho, ary nisy fotoana aza tsy nananako hery nandehanana nanompo intsony, fa nijanona tao an-trano fotsiny aho. Nanahy ny amin’ny zavatra mbola mety hitranga na tsy hitranga aho. Hitako tamin’ilay lahatsoratra anefa fa tokony hotohiziko hatrany ireo asa mahazatra ny Kristianina, ary tokony hamboraka izay ao am-poko amin’i Jehovah, sy hatoky tanteraka azy aho. Tena ankasitrahako amin’ny foko manontolo ny boky sy gazetinareo.

E. K., Japon

Maty tany amin’ny hopitaly ny dadabeko, tamin’ny Janoary 2003. Sambany aho tamin’io vao maty havana akaiky. Namaly ny fanontaniako rehetra io lahatsoratra io. Nanohina manokana ny foko ilay lohatenikely hoe “Nahoana no misy ny fahoriana?” Nanampy ahy izy io hahatakatra fa zavatra mety mitranga ihany no nanjo anay mianakavy. Tsy nidika mihitsy izy io hoe nahafoy anay i Jehovah. Nisava tanteraka ny tahotro rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io aho.

M. O., Japon

Ny Tour de France Tena tiako ilay lahatsoratra hoe “Ny Tour de France—Hazakazaka Am-bisikileta efa Naharitra 100 Taona.” (8 Jolay 2003) Mpandray anjara tamin’ny hazakazaka am-bisikileta ho an’ny mpifaninana tsy mandray vola aho taloha. Mpijery ny Tour de France ao amin’ny televiziona aho, nefa tsy fantatro akory na ny niandohan’io fifaninanana io na hoe feno 100 taona tamin’ny 2003 izy io. Miresaka momba ny fifanehoana “hatsaram-panahy” koa ilay lahatsoratra. Io angamba, araka ny hevitro, no tena misarika olona maro.

R. S., Japon

Folo taona aho ary tena tiako ilay lahatsoratra momba ny Tour de France. Misaotra anareo nanazava zavatra maro momba ny tantaran’ny hazakazaka am-bisikileta. Manantena aho fa mbola hamoaka lahatsoratra hafa momba ny fanatanjahan-tena ianareo.

J. F., Frantsa