Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Hamaivanina ny Tsy Fahampian-torimaso

Aza Hamaivanina ny Tsy Fahampian-torimaso

Aza Hamaivanina ny Tsy Fahampian-torimaso

MISY zavatra sasany azo amantarana ny tsy fahampian-torimaso. Mazàna no mifandray amin’ny olana lehibe kokoa toy ny fahaketrahana ny tsy fahitan-tory, raha maharitra maherin’ny iray volana. Mety ho famantarana aretina lehibe koa ny tsy fahitan-tory matetika.

Sempotra eo am-patoriana

Nanana olana teo amin’ny torimaso i Mario, ka te hatory be izy na dia tamin’ny antoandro aza. Nila nijery azy foana ny vadiny, rehefa nitondra ny fianakaviana tamin’ny fiara izy. Resin-tory tampoka mantsy izy indraindray. Niesona mafy sy niovaova koa izy ny alina, ary taitra tampoka satria sempotra. *

Fahita amin’ny olona sempotra eo am-patoriana ny zava-nitranga tamin’i Mario. Mety haharitra folo segondra ka hatramin’ny roa na telo minitra eo ho eo izany, isaky ny mitranga. Matetika ilay olona no mikofokofoka satria sempotra. Miverina matory ihany anefa izy avy eo, ary mitranga injato mahery izany isan’alina. Misy karazany telo ny fahasemporana eo am-patoriana.

Fahasemporana avy amin’ny atidoha: Tsy voarindran’ny atidoha ho araka ny tokony ho izy ny fifohana rivotra. Fahasemporana avy amin’ny taovam-pisefoana: Tsentsina tanteraka ny lalan-drivotra ao amin’ny traoka. Mety hitambatra koa ireo roa ireo, ary izay no tena mateti-pitranga. Mety hahatsiaro tena ho toy ny olona tsy natory mihitsy ireo sempotra amin’ny alina!

Mety hotandindomin-doza ny olona sempotra eo am-patoriana, satria mety hisy fiantraikany eo amin’ny asany na ny fitondrany fiara izy io. Mety ho voan’ireto koa izy: fiakaran’ny tosidra, karazana aretim-po, fahatapahan-dalan-dra, ary fijanonan’ny fitepon’ny fo. Nilaza ny Pr. William Dement, avy amin’ny Oniversiten’i Stanford, fa olona 38 000 eo ho eo isan-taona no matin’ny aretim-po vokatry ny fahasemporana eo am-patoriana, any Etazonia.

Ireo olona matavy loatra sy efa maherin’ny 40 taona no tena lasibatr’izy io, nefa mety ho voany koa ny rehetra, na dia ny ankizikely aza. Betsaka ny fitsaboana azo arahina, saingy tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny manam-pahaizana manokana momba ny torimaso avokoa izany. Ny fampiasana fitaovana manokana natao hifohana rivotra no fomba mahomby indrindra hitsaboana an’io aretina io, ankoatra ny fandidiana. Asiana fitaovana manokana eo amin’ny oron’ilay marary, mba hanome azy ny rivotra ilainy amin’ny alina. Betsaka ny fandidiana azo atao raha tsy mahomby izany. Anisan’izany ny fandidiana amin’ny alalan’ny lazera, mba hanesorana ny nofo manakana ny lalan-drivotra.

Torimaso tampoka

Tena tokony hotsaboina koa ny torimaso tampoka. Fahavoazana ao amin’ny atidoha no mahatonga azy io, ary be torimaso ny olona voany. Te hatory lava, ohatra, i Buck. Natory tampoka izy, na dia nandritra ny fotoam-pivoriana lehibe aza. Nitazona lakile àry izy, ka ny filatsak’io teo amin’ny gorodona no nanaitra azy, rehefa rendremana izy. Nianjera matetika koa izy rehefa te hatory, satria tsy nahazaka azy intsony ny lohaliny. Niseho nanaraka izany koa ireo famantarana amin’ny tsy fahafaha-mihetsika eo am-patoriana sy ny fahitana na fandrenesana zavatra tsy misy akory, aloha kelin’ny hatoriana.

Ny olona eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 30 taona eo ho eo mazàna, no tena manomboka voan’ny aretin’ny torimaso tampoka. Manao zavatra tsy tsapany akory ny olona voan’izy io indraindray. Toy ny olon-drehetra ihany ny fahitana azy amin’izay, nefa tsy misy tsaroany ny zava-nitranga. Izao no tena ratsy: matetika ireo voan’izy io no tsy fantatra hoe marary, ka heverina ho kamo sy donto saina ary hafahafa fotsiny. Tsy azo sitranina tanteraka, hono, izy io, nefa betsaka ihany no nihatsara rehefa notsaboina tamin’ny alalan’ny fanafody sy nanova ny fomba fiainany. *

Olana hafa mifandray amin’ny torimaso

Mety hiara-miseho koa indraindray ny olana roa hafa. Miantraika mivantana amin’ny rantsambatan’ilay olona izany, ary mitarika tsy fahitan-tory matetika. Intỳ no iray amin’ireny: mitsipaka tampoka matetika ny tongotr’ilay olona na ny tanany, rehefa matory izy. Io no nanjo an’i Michael. Hita tamin’ny fanandramana natao taminy fa taitra in-350 eo ho eo izy isan’alina, noho io fitsipahana tampoka io.

Misy koa tsy mety mahita tory, satria mahatsiaro ho te hanetsiketsika ny tongony foana. * Voalaza fa ny olona tsy ampy fanatanjahan-tena na manana olana eo amin’ny fikorianan’ny ra no manao toy izany. Hita koa anefa fa vokatry ny fisotroana na fihinanana zavatra misy kafeinina ny sasany amin’ireny, ary vao mainka ratsy ny toe-javatra ho an’ireo misotro zavatra misy alkaola.

Olana hafa koa ny fampiadiana nify rehefa matory. Mety hanimba nify izy io raha mateti-pitranga, sady hanelingelina be sy tsy hahitan-tory mihitsy. Tsaboina arakaraka ny haben’ilay olana izy io. Mety ho fandidiana izany, na koa asiana zavatra fotsiny eo anelanelan’ny nify, amin’ny alina.

Olana vitsivitsy monja momba ny torimaso no nodinihintsika, nefa efa ampy nahitana fa mety hampidi-doza izy ireny raha tsy raharahaina. Mora tsaboina ny sasany amin’ireny, nefa tsy toy izany ny hafa. Tena ilaina anefa ny fitsaboana. Manatòna avy hatrany manam-pahaizana momba ny torimaso, raha manana olana miverimberina na ahitana famantarana amin’izany eo aminao na ny fianakavianao. Mety tsy ho sitrana tanteraka ilay aretina, nefa hampihena ny loza mety hanjo izany, ary koa hahamora kokoa ny fiatrehana azy. Ho tanteraka koa ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” Hofoanana tanteraka ny aretina, satria ‘ataon’Andriamanitra vaovao ny zava-drehetra.’​—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3-5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tsy mitovy amin’ny fiesonana tsotra ataon’ny olona maro ny fiesonana resahina eto. Manelingelina ny mpiray efitra fotsiny ny fiesonana tsotra.

^ feh. 11 Misy fanazavana bebe kokoa momba ny torimaso tampoka, ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Aprily 1991, pejy 19-21.

^ feh. 14 Misy fanazavana fanampiny momba io olana io ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Novambra 2000.

[Sary, pejy 10]

Tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny dokotera ny fitsaboana ny aretina rehetra mifandray amin’ny torimaso

[Sary, pejy 10]

Matetika no miesona ny olona sempotra eo am-patoriana

[Sary, pejy 11]

Matetika no eritreretina ho kamo velona ny olona manana olana mifandray amin’ny torimaso

[Sary, pejy 12]

Mety hanampy an’ireo sempotra eo am-patoriana ny fitaovana manokana manampy azy hiaina ara-dalàna