Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsapam-pinoana

Fitsapam-pinoana

Fitsapam-pinoana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

TANÀNA tsara tarehy any Yorkshire Avaratra, Angletera, i Richmond. Taoriana kelin’ny nandresen’i Guillaume le Conquérant an’i Angletera, tamin’ny 1066, no nanorenana ilay lapan’andriana tany amin’io tanàna io. Tazana tsara eo amin’io lapa io ny lohasaha manamorona ny renirano Swale, any amin’ny lalana mankany amin’ny Valam-pirenen’i Yorkshire.

Noresahina nandritra ilay fandaharana tao amin’ny tele, nitondra ny lohateny hoe Ireo 16 Nigadra Tany Richmond (anglisy), ny zava-dehibe iray nitranga taona maro lasa, tao amin’io lapa io. Tsy inona izany fa ny niafaran’ireo olona 16 nogadraina tao nandritra ny Ady Lehibe I, izay tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Inona no nitranga tamin’izy ireo?

Voantso ho miaramila

Rehefa napoakan’i Grande-Bretagne ny ady tamin’ny 1914, dia lehilahy niisa 2,5 tapitrisa teo ho eo no nirohotra nanao miaramila tany, noho ny fitiavan-tanindrazana. Hita anefa taorian’izay fa nihamaro hatrany ny maty, ary tsy ho vita haingana araka ny nampanantenain’ny mpanao politika ny ady. Noho izany, dia “nanjary noterena hanao miaramila ny vatan-dehilahy, fa tsy niangaviana toy ny teo aloha intsony”, hoy ilay mpahay tantara momba ny ady, antsoina hoe Alan Lloyd. Vao voalohany àry, tamin’ny Martsa 1916, no noterena hanao miaramila ny lehilahy mpitovo tany Grande-Bretagne.

Nisy tribonaly roa arivo natsangana, mba hikarakara an’ireo nanda, ka nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony. Vitsy ihany anefa no nafahana madiodio. Nampiarahina tamin’ireo miaramila tsy nankany an’ady kosa ny ankamaroany, ka noterena hanao asa nifandray tamin’ny ady. Ireo tsy nanaiky hanao izany kosa, dia mbola noheverina ho mpikambana vaovao tao amin’ny tafika ihany, ka nampiakarina fitsarana miaramila. Nampijalijalina izy ireo ary nampidirina am-ponja. Tery kely ireny fonja ireny sady nahatsiravina ny fiainana tao.

Ireo 16 nigadra tany Richmond

Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ny dimy tamin’ireo 16 nigadra tany Richmond. Lasa Mpianatra ny Baiboly i Herbert Senior tamin’ny 1905, tamin’izy 15 taona. Nanoratra toy izao izy, 50 taona tatỳ aoriana: “Sahala amin’ny lakaly fa tsy fonja ilay nametrahana anay. Angamba efa an-taona maro izy ireo no tsy nisy olona, satria dimy na fito santimetatra teo ho eo ny haavon’ny fako teny amin’ny gorodona.” Vao haingana no naseho ny besinimaro ireo sarisary na soratsoratra nataon’ny voafonja teny amin’ny rindrina fotsin’ireo efitra figadrany. Efa tsy mazava tsara intsony izy ireny, ary tsy hay vakina ny sasany. Anarana na hafatra na sarin’ny havan-tian’ireo voafonja, na fehezanteny mifandray amin’ny fivavahana izy ireny.

Nanoratra toy izao, ohatra, ny voafonja iray: “Raha samy ho faty ihany, dia aleoko maty noho ny hevitra ijoroako toy izay matimaty foana.” Maro ireo soratsoratra momba an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany. Misy sarina lakroa miaraka amin’ny satroboninahitra, niangaliana tsara koa eo amin’ireo rindrina. Faneva nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (IBSA) izy io. Nilaza i Herbert Senior fa nanao ilay “Sarin’ny Fandaharam-potoana” ao amin’ilay boky fampianarana Baiboly hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra (anglisy), teo amin’ny rindriny izy, saingy tsy hita ny nisy azy io. Mety ho efa tsy mazava tsara intsony toy ireo soratra hafa ilay sary nataony. Nisy an’izao soratra izao koa teny amin’ny rindrina: ‘Clarence Hall, Leeds, I.B.S.A. 29 Mey 1916. Nalefa tany Frantsa.’

Nalefa tany Frantsa, nefa naverina indray!

Nitombo haingana be ny maty an’ady tany Frantsa sy Belzika. Nila maika miaramila maro kokoa i Horatio Kitchener, minisitry ny ady, sy Douglas Haig, Jeneraly britanika. Nantsoina koa àry ny lehilahy manambady tamin’ny Mey 1916. Mba haneken’ireo voantso, dia tapa-kevitra ny manam-pahefana, fa hanasazy an’ireo tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Nofatorana gadra vy àry ny tanan’ireo 16 nigadra tany Richmond, ary nambanana basy izy ireo, ka nampidirina an-tsokosoko tao anaty fiarandalamby. Nentina mangingina tany Frantsa izy ireo. Lalan-kafa no nitondrana azy ireo tamin’izany. Hoy ny gazety Lova (anglisy): “Nofatorana tamin’ny vy misy nifinifiny teo amina tsato-kazo izy ireo”, rehefa tonga tany amin’ny torapasik’i Boulogne, ary nasaina nijery ny nitifirana ny miaramila britanika iray nitsoaka an-daharana. Nilazana izy ireo, fa hatao toy izany koa, raha tsy nanaiky hanao miaramila.

Nampandalovina teo anoloan’ny miaramila 3 000 izy ireo, tany antenatenan’ny Jona 1916, mba hihaino ny fanamelohana azy ho faty. Efa maty anefa i Kitchener tamin’izay, ary efa nandray an-tanana ilay raharaha ny praiminisitra britanika. Nisy carte postale nirakitra hafatra miafina tonga tany amin’ny manam-pahefana tany Londres, ka efa nofoanana ilay fanamelohana ho faty. Nasaina nohalefahin’ny Jeneraly Haig àry ny sazin’izy ireo, ka novana ho asa an-terivozona maharitra folo taona.

Nilaza ny tatitra iray nataon’ny manam-pahefana, fa nentina tany amina fitrandrahana granita ekosey ny sasany tamin’izy ireo, rehefa tafaverina tany Grande-Bretagne, mba hanao “asa ho fampandrosoana ny firenena.” Nahatsiravina ny fiainan’izy ireo tany. Nalefa tany amin’ny fonja sivily kosa ny hafa, anisan’izany i Herbert Senior.

Ny vokany

Ny fikambanana Lova Anglisy izao no mikarakara ny Lapan’i Richmond. Efa mihasimba ny rindrin’ny efitra figadrana ao amin’izy io. Noho izany, dia asehon’io fikambanana io amin’ny ordinatera lehibe fotsiny ny sarin’ilay lapa manontolo. Toy ny tena tafiditra ao amin’ireo efitra figadrana mihitsy àry ny mpitsidika, ka afaka mijery akaiky sy mikasika ireo soratsoratra eny amin’ny rindrina, nefa tsy manimba azy ireny. Ampirisihina ny mpianatra hamantatra hoe nahoana ireo olona nigadra ireo no vonona hiaritra sazy sy hampidirina am-ponja ary ho faty, noho ny hevitra nijoroany.

Noho iny fanagadrana iny, dia “nanjary fantatry ny olona ny atao hoe fandavana tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, ka lasa nekena sy nohajaina ireny olona ireny.” Nanjary nilefitra kokoa tamin’ireo tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana àry ny manam-pahefana, nandritra ny Ady Lehibe II.

Nisy zaridaina tsara tarehy notokanana tao amin’ilay lapa, tamin’ny 2002. Anisan’ny antony nanamboarana azy io ny hoe ho fahatsiarovana sy ho fiderana ireo olona 16 ireo, noho ny fijoroany tamin’ny heviny.

[Sary, pejy 14, 15]

Avy eo ankavia miankavanana: Ny Lapan’i Richmond naorina tamin’ny taonjato faha-12, sy ny trano misy ireo efitra figadrana

Herbert Senior, iray tamin’ireo 16 nigadra tany Richmond

Iray amin’ireo efitra figadrana nitazonana ireo voafonja 16

Eo andamosina: Ny sasany amin’ireo soratsoratra teny amin’ny rindrin’ny efitra figadrana