Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizahana Riandrano Kanto

Fizahana Riandrano Kanto

Fizahana Riandrano Kanto

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY ZAMBIA

EFA avy nanao dia lava be sy sarotra nandritra ny taona maro nanerana an’i Afrika, ilay misionera ekosey sady mpikaroka tany vaovao, antsoina hoe David Livingstone, tamin’ny 1855. Mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona maneran-tany i Afrika tamin’izany. Niantsinanana nanaraka ny renirano maherin’i Zambèze i Livingstone. Hitany fa natahotra ny olona teo an-toerana, rehefa niresaka momba ilay riandrano lehibe teo akaiky teo. Nantsoin’izy ireo hoe Mosi-oa-Tunya, na “Ilay Setroka Mitalakotrokotroka” izy io, noho ny ranony mitabataba be sy mifafifafy.

Antsoina hoe Riandranon’i Victoria izy io ankehitriny. Tapa-kevitra ny hijery azy io akaiky i Livingstone. Izao no nosoratany, momba izay hitany voalohany: ‘Nanatona moramora ny sisin’ilay riandrano aho. Nitsirika aho, ka hantsana lehibe no tazako. Arivo metatra ny sakany, izany hoe manomboka eny ampitan’ilay renirano ka hatretỳ ampita. Mihakely ilay hantsana rehefa tonga eny amin’ny 30 metatra eny ambany, ka 15 na 20 metatra eo ho eo sisa ny sakany. Manaraka an’io hantsana mihakely io ilay renirano, rehefa milatsaka.’

Eo anelanelan’i Zambia sy Zimbabwe ny Riandranon’i Victoria. Voalaza fa izy no riandrano lehibe indrindra eran-tany, amin’ny fotoana fiakaran’ny Reniranon’i Zambèze! Rano be 545 000 000 litatra isa-minitra amin’izay no milatsaka eo amin’io hantsana lehibe manana haavo 108 metatra io. Mikoriana haingana ao anaty hadilanana lalina sy miolakolaka avy eo ilay rano iray manontolo. Latsaka ny 65 metatra ny sakan’io hadilanana io. Izany endriny hafakely izany no tena mahavariana amin’ny Riandranon’i Victoria.

Tena tsara tarehy koa ny faritra manodidina azy. Natao valam-pirenena ilay faritra. Misy hazo sy zavamaniry mahavariana maro be ao. Misy biby mahafinaritra koa ao, toy ny hipopotama, elefanta, zirafy, gnou, ary zebra. Ahitana liona mihitsy aza ao. Misy vorona tsara tarehy, toy ny voromahery sy karazana hitsikitsika tsy fahita firy, manao akany eny amin’ireo hantsam-bato eo amin’ilay riandrano.

Hoy i Livingstone momba ilay riandrano: “Tsy misy toerana tsara tarehy afaka mifampitaha aminy any Angletera, ary mbola tsy nisy Eoropeanina nahita azy. Azo antoka anefa fa efa nisy anjely nanidina teo, ka efa nankafy io toerana kanto io.” Efa ho 150 taona izay no nahitan’i Livingstone azy io, sy nanomezany azy anarana hoe Riandranon’i Victoria, avy amin’ny anaran’ilay mpanjakavavy anglisy, Victoria. Olona ana hetsy isan-taona avy any amin’ny tany samihafa izao no tonga mba hijery mivantana ny hakanton’izy io.

Malaza ho iray amin’ireo zava-mahatalanjona indrindra eto an-tany ny Riandranon’i Victoria, ary tena marina izany. Misy riandrano maro tsy dia malaza loatra, nefa tena tsara tarehy koa, any amin’ireo renirano lehibe eto Zambia. Hoentinay an’eritreritra any amin’ny sasany amin’izy ireny ianao.

Riandranon’i Ngonye

Tonga tany amin’ny Riandranon’i Ngonye, antsoina koa hoe Riandranon’i Sioma, i Livingstone, roa taona teo ho eo talohan’ny nahitany voalohany ny Riandranon’i Victoria. Volana Novambra tamin’izay, ary nafana be sady maina ny andro. Hoy ny nosoratany: “Feno zavamaniry kanto tsy hita na aiza na aiza ireo tany kely eo ambonin’ilay riandrano. Nisy haram-bato nandondona teo ambonin’ilay riandrano, ka rehefa notazaniko avy teo ilay faritra manontolo, dia tena tsara tarehy noho ny toerana rehetra hitako hatramin’izay.” Miombon-kevitra tanteraka amin’i Livingstone ireo olona mitsidika ny Riandranon’i Ngonye ankehitriny.

Hoy i Livingstone: “Mikoriana an-kilaometatra maro manaraka hadilanana tery ilay renirano, rehefa avy milatsaka. Zara raha misy zato metatra ny sakan’io hadilanana io. Mivadibadika be toy ny rano mangotraka ny fahitana ilay renirano eny am-pandehanana, ka na dia ny mpilomano mahay indrindra aza tsy ho tafavoaka ao.”

Riandranon’i Lumangwe

Mitokana sady mbola tsy simban’ny olona ny maro amin’ireo riandrano hafa eto Zambia. Samy hafa be ny haben’izy ireo. Azo antsoina hoe Riandranon’i Victoria kely, ny Riandranon’i Lumangwe. Lehibe ihany anefa izy io. Misy toerana manana haavo sahabo ho 30 metatra eo amin’izy io, ary 100 metatra ny sakan’ny rano milatsaka eo aminy. Misy ala kely eo akaikin’ny Riandranon’i Lumangwe, ka ny rano mifafy avy aminy no mamelona azy io.

Riandranon’i Kalambo

Avy eo amin’ny lembalemba avo be ny Riandranon’i Kalambo no milatsaka, ary mankany amin’ny Rift Valley eto Afrika. Ny Riandranon’i Kalambo no avo indrindra eto Zambia. Maherin’ny 200 metatra ny haavony, ary hantsam-bato mitsatoka be no eo aminy. Misy marabouts goavana be sy tsy fahita firy, manatody eny amin’ilay hantsam-bato, mandritra ny vanin-taona maina.

Hoy ny boky Toerana Manan-tantara eto Zambia (anglisy): “I Kalambo no riandrano afrikanina avo indrindra faharoa sady milatsaka avy hatrany any ambany [aorian’ny Riandranon’i Tugela atsy Afrika Atsimo]. Izy koa no faharoa ambin’ny folo amin’ireo riandrano avo indrindra eran-tany. Avo roa heny mahery noho ny Riandranon’i Victoria ny haavony.”

Sarotra ny lalana mankany amin’ny Riandranon’i Kalambo. Niantso azy io hoe “ny iray amin’ireo toerana miavaka indrindra eto Afrika” anefa ilay mpanoratra zambianina atao hoe C. Quarmby. Hoy koa izy: “Mbola ho ela vao ho lasa toerana falehan’ny mpizaha tany i Kalambo. . . . Vitsy kely mantsy ny olona tonga any.”

Lavitra be tokoa ny maro amin’ireo riandrano sy toerana manintona hafa eto Zambia. Milaza ilay boky erỳ aloha fa “fiara Land Rover fitondra amin’ny lalan-dratsy ihany vao tonga any amin’ny toerana sasany. Tsy maintsy andehanana tongotra kosa ny toerana hafa.” Izany fahasarotan’ny lalana izany no anisan’ny mampiavaka ireo toerana ireo. Ampirisihina ho tonga any foana anefa ny mpitsidika. Milaza Atoa Kagosi Mwamulowe, manam-pahaizana momba ny nofon-tany, miasa ao amin’ny Vaomiera Misahana ny Fiarovana ny Harem-pirenen’i Zambia, fa ny tanjon’izy ireo dia ny hankafizan’ny olona ireny toerana tsara tarehy ireny, sy ny hiaro ny hakantony tamin’ny voalohany.

Ny harena sarobidy indrindra eto Zambia

Hoy ilay mpanoratra atao hoe Richard Vaughan ao amin’ilay bokiny hoe Zambia (anglisy): “Mbola maro ny toerana tena tsara tarehy eto Zambia. Mbola tsy hitan’ny mpitsidika sy ny Zambianina ny ankamaroan’izy ireny. . . . Misy farihy, renirano, ala, ary tendrombohitra maro samihafa eto.” Inona anefa ny harena sarobidy indrindra eto Zambia?

“Malaza ho tsara fanahy sy falifaly ary manana faharetana ny mponina eto”, hoy i Vaughan. Toy izao no nilazan’i David Bristow, mpanoratra iray hafa, izany: “Ny mponina ao aminy no tena mampiavaka an’i Zambia, satria tena tsara fanahy izy ireo.” Mino izahay fa hiombon-kevitra amin’izany ianao, raha tonga any amin’io faritra tsara tarehy io, indray andro any.

[Sarintany/Sary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

TANZANIA

REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

ANGOLA

ZAMBIA

RIANDRANON’I KALAMBO

RIANDRANON’I LUMANGWE

Lusaka

RIANDRANON’I NGONYE

RIANDRANON’I VICTORIA

ZIMBABWE

MOZAMBIKA

OSEANA INDIANINA

[Sary]

Riandranon’i Lumangwe: toy ny Riandranon’i Victoria kely

Riandranon’i Kalambo: avo roa heny noho ny Riandranon’i Victoria ny haavony

Riandranon’i Ngonye: “vitsy kely mazàna ny olona mitsidika azy”

[Sary nahazoan-dalana]

Riandranon’i Lumangwe sy Ngonye: Marek Patzer/www.zambiatourism.com; sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 16, 17]

Riandranon’i Victoria: “Ilay Setroka Mitalakotrokotroka”

[Sary nahazoan-dalana]

Marek Patzer/www.zambiatourism.com