Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Zavamaniry Mateza Be

Ilay Zavamaniry Mateza Be

Ilay Zavamaniry Mateza Be

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NAMIBIA

MAMELOMBELONA sady madio ny rivotra eto amin’ny Efitr’i Namib, atỳ atsimoandrefan’i Afrika. Manga ny lanitra, ary mihamafana ny andro rehefa miakatra ny masoandro. Faritra be dongona sy lemaka feno fasika sy vatokely nofaohin-drivotra eto. Gaga izahay mijery ny manodidina. Inona iretsy ravina mivangongo iretsy? Hay ilay zavamaniry hafahafa indrindra eto an-tany no hitanay, rehefa nanatona akaiky kokoa izahay, dia ny Welwitschia mirabilis, na ilay zavamaniry lava ravina. Avy amin’ny teny latinina midika hoe “mahagaga” ilay teny faharoa amin’io anarana siantifika io.

Ny tany efitr’i Angola sy Namibia ihany no ahitana an’io zavamaniry lava ravina io. Tena samy hafa be amin’ny zavamaniry hafa izy io, ka izany no hanasokajian’ny mpahay siansa azy ho karazan-javamaniry tokana aman-tany. Hoy i Chris Bornman ao amin’ilay bokiny hoe Zavamaniry Lava Ravina ao Amin’ny Zaridainan’ny Tany Ngazana (anglisy): “Misy 375 000 eo ho eo ny karazan-javamaniry fantatry ny olona. Tsy nisy zavamaniry hafa, ankoatra ny zavamaniry lava ravina, nahavita nanaitra ny fahalianan’ny manam-pahaizana momba ny zavamaniry. Tsy mitovy amin’ny zavamaniry hafa izy io fa sarotra ny nanasokajy azy.”

Roa monja, raha ny marina, ny ravin’ilay zavamaniry, nefa toy ny ravina mivangongo manodidina ilay foto-kazo no fijery azy. Notsofin’ny rivotra ireo ravina roa ka nizarazara. Antsoina hoe “ilay zavamaniry tsy mety maty” izy io amin’ny teny afrikaans. Tena mety aminy mihitsy izany anarana izany! Mahatratra 40 degre indraindray ny mari-pana eto amin’ny antoandro, ary mamirifiry be amin’ny alina, satria tsy misy hazo manohana ny rivo-mahery. Miankina tanteraka amin’ny rano trohin’ny fakany avy any anaty tany, ny ankamaroan’ny zavamaniry. Tsy mba toy izany kosa ny zavamaniry lava ravina. Kely dia kely ny rotsakorana eto amin’ny Efitr’i Namib isan-taona. Tsy misy mihitsy aza, indraindray! Mbola mitombo tsara ihany anefa ilay zavamaniry, ary maitso foana ny raviny. Efa ela ny mpahay siansa no manontany tena hoe ahoana no hetezan’izany. Mety ho izao no mahatonga izany: Mitsoka tsy tapaka eo amin’ilay efitra amin’ny maraina ny rivo-dranomasina, ka mitondra ranon’ando hotrohin’ireo ravin’ilay zavamaniry.

Tsy mihintsana ny ravin’ilay zavamaniry ary tsy misy ravina vaovao mipoitra koa. Ireo ravina roa ireo foana no maniry eo mandra-pahafatiny. Nahatratra 8,8 metatra ny halavan’ny ravina iray rehefa novelarina! Alao sary an-tsaina ange izay hitranga raha tsy mety maty mihitsy na mihintsana ny ravin’ilay zavamaniry e! Manazava ilay gazety momba ny siansa atao hoe Tanety & Zavamaniry (anglisy) fa “ao anatin’ny 1 500 taona, dia mety hahatratra 225 metatra ny halavan’ny ravin’io zavamaniry io.” Tena afaka miaina ela be toy izany ve izy io? Hoy ny rakipahalalana iray: “Mitombo tsikelikely ny zavamaniry lava ravina, ary matetika izy io no miaina 1 000 ka hatramin’ny 2 000 taona.”

Tena mateza be tokoa ny zavamaniry lava ravina. Inona no mahatonga an’io zavamaniry io ho ela velona be toy izany, na dia any an’efitra aza no misy azy? Tsy maintsy misaotra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona tena hendry isika, satria izy no mampaniry ny “zava-maniry ho an’ny olombelona.”​—Salamo 104:14, Fandikan-teny Katolika.