Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

May Ilay “Renivohitry ny Ala”

May Ilay “Renivohitry ny Ala”

May Ilay “Renivohitry ny Ala”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

TAITRA tamin’ny torimasony noho ny hazavana hafahafa ireo mponin’i Canberra, renivohitr’i Aostralia, tamin’ny 18 Janoary 2003. Toy ny baolina mena ny masoandro, noho ilay setroka matevina nanarona azy. Nafana be sady maina ary tsy azo niainana ny rivotra. Voan’ny hain-tany mafy i Aostralia, ka maina be ny hazo sy ny ravina ary ny kirihitra. Kilan’ny afo tao anatin’ny herinandro maromaro ireo ala kininina nanodidina an’i Canberra, izay mahafinaritra ny olona ny miantso azy hoe Renivohitry ny Ala.

Tsy nampoizina ny naterak’ilay rivo-mahery nahamay tamin’iny tolakandro iny. Nihoatra an’ireo aro afo ny lelafo, ka nitatra tamin’ilay ala kesika teo atsimoandrefan’i Canberra sy ny manodidina azy.

Nirehitra tampoka ny ala

Hoy i Elliot, mpamono afo: “Nirehitra tampoka ireo ala kesika, tamin’ny telo tolakandro. Nidedadeda be ny afo ka pitik’afo tsy nifankahitana no nirotsaka taminay sy teny amin’ny faritra manodidina. Nampivarahontsana ny nahita lelafo nahatratra 40 metatra ny haavony, izay nitatra haingana nanatona anay.” Nafana loatra ny andro, sady nitsoka mafy ny rivotra nahamay, ka nanidintsidina ny afo. Nandripaka ny tanàna kelin’i Chapman izany, sady nanongotra hazo sy nandrava trano. May sy nidaboka ireo hazo fihantonan’ny tariby mitondra herinaratra. Trano 230 no rava tao anatin’ny adiny iray monja.

Tsy afa-nanoatra teo anoloan’ilay afo nidedadeda ireo mpamono afo. Hoy i Elliot: “Nampalahelo ny nijery ireo trano kilan’ny afo. Tsy maintsy nofidina mantsy izay trano hovonjena sy izay avela ho may. Vao mainka nampalahelo aza ny nahita an’ireo olona ory sy nitomany, rehefa niverina teo amin’ilay trano nisy azy.”

Taorian’ilay loza

Olona efatra no matin’ny afo, ary an-jato no naratra. Iray tamin’ireo namoy ny ainy ny vehivavy 36 taona, izay niverina tao an-tranony mba haka ireo sariny. Nirodana anefa ny tafon’ilay trano, ka tavela tao izy. Tsy nisy azo natao mba hamonjena azy.

Rehefa maty ny afo ary tony ny rivotra, dia hita fa trano 530 no may, ary 2 500 no tsy nanan-kialofana. Simba ireo fitaovana mpamatsy herinaratra sy gaza, ary koa ny fivoahan-drano maloto, ka nitondra aretina. Feno tanteraka ny sampana vonjy aina tao amin’ny Hopitalin’i Canberra, satria betsaka ny sempotra. Nampalahelo fa norobain’ny jiolahy tsy mataho-tody ny trano tsy nisy olona, rehefa nirohotra ho any amin’ny toerana fandraisana tra-boina ny olona. Voalaza koa anefa fa betsaka ny nahery fo sy tsara fanahy. Nifanampy ny mpiara-monina, namonjy ny biby ny olona sendra nandalo, nandray ny tsy nanan-kialofana ny sekoly, ary nisy mpamono afo niaro tranon’olon-kafa ka ny azy indray no may.

Eny, haniry indray ny hazo, ary ho voaorina indray ireo trano may. Nilaza anefa ny Praiminisitra John Howard, fa “tsy ho voakosoka . . . ao an-tsain’ny mponin’i Canberra” ny vokatr’iny loza iny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

AP Photo/Fairfax, Pat Scala