Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Sarobidy toy ny Vatosoa Izy Io’

‘Sarobidy toy ny Vatosoa Izy Io’

‘Sarobidy toy ny Vatosoa Izy Io’

Izany no teny nilazalazan’ny talen’ny trano fitaizana be antitra any Illinois, Etazonia, ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nandefa an’io bokikely io sy Mifohaza! iray ho azy, satria nahafantatra avy ao amin’ny Mifohaza! fa ny zokiolona no be mamono tena indrindra. Nankasitraka avy hatrany ilay talen’ny trano fitaizana be antitra, rehefa nahazo ireo boky sy gazety ireo.

Nomarihiny fa sarobidy toy ny vatosoa ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Hoy ny nosoratany avy eo: “Ho faly aho hanome azy io . . . an’ireo fianakaviana izay mety hahita fampiononana noho ireo andinin-teny sy fanazavana ary fahendrena raketin’izy io.”

Niantso an-telefaonina avy hatrany an’ilay tale ilay Vavolombelona, ary nanao fotoana mba hitsidihana azy. Nanafatra 20 tamin’io bokikely io ilay tale sady nangataka mba hitondrana amin’izy io foana, isaky ny roa na telo volana.

Angamba hahazo fampiononana koa ianao, na ny olona fantatrao, raha mamaky an’io bokikely 32 pejy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.