Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toeram-pitahirizana Divay Hafakely eto Moldavia

Toeram-pitahirizana Divay Hafakely eto Moldavia

Toeram-pitahirizana Divay Hafakely eto Moldavia

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MOLDAVIA

MISY tionelina misampantsampana mirefy 120 kilaometatra any Cricova. Any amin’ny 80 metatra ambanin’ny tany no misy ilay tionelina. Tanàna kely tsy lavitra an’i Chisinau, renivohitr’i Moldavia, i Cricova. Vatosokay no notrandrahina tao amin’ireny zohy maizimaizina ireny taloha.

Lasa toerana mety tsara hitahirizana ny sasany amin’ireo divay tsara indrindra eto Eoropa anefa ilay zohy, hatramin’ny 50 taona izay, satria mangatsiatsiaka tsara ao anatiny. Barìka sy tavoahangy maro no mitandahatra mameno ny 60 kilaometatra mahery amin’ireo tionelin’io toeram-pitrandrahana taloha io. Misy milaza fa izy io no toeram-pitahirizana divay lehibe indrindra atỳ atsimoatsinanan’i Eoropa, satria afaka mitahiry divay hatramin’ny 350 tapitrisa litatra izy io.

Mbola mitohy ilay fanao taloha

Toerana mety tsara hambolena voaloboka eto Moldavia, noho ilay tany mifanandrify tsara amin’ny faritanin’i Bourgogne, any Frantsa, izay malaza amin’ny famokarana divay. Antonony ny toetrandro eto ka mahatonga ny tany hahavokatra. Tamin’ny taona 300 Talohan’i Kristy no nitondra voaloboka voalohany teto ny mpivarotra grika, ary nanomboka tamin’izay ny famokarana divay tatỳ Moldavia. Nitohy foana izany nandritra ireo taonjato nanaraka, na dia resin’ny Goths sy ny Huns ary ny andriana samihafa aza ilay tany.

Ny Fanjakana Otomanina no nitondra teto, teo anelanelan’ny taonjato faha-16 sy faha-18. Nosakanan’izy ireo noho ny antony ara-pivavahana ny famokarana divay. Naka ilay tany anefa ny tsar rosianina tamin’ny taonjato faha-19, ary nampirisika mafy ny olona hamokatra divay. Nitondra karazana voaloboka avy tany Frantsa izy ireo, ary naniry tsara izy ireny. Nifehy an’i Moldavia ny Firaisana Sovietika taorian’ny Ady Lehibe II, ka nataon’izy ireo maoderina kokoa ny indostrian’ny famokarana divay teto. Lasa foibem-pamokarana divay sy voaloboka teo amin’ny Firaisana Sovietika manontolo i Moldavia. Ny Sovietika no nahafantatra voalohany hoe tena mety tsara hitahirizana divay ireny tionelina ireny. Toy izao no fitsidihanay an’io toeram-pitahirizana divay hafakely io, sy ny sasany amin’ireo zavatra mampiavaka azy.

Fitsidihana toerana ambanin’ny tany

Rehefa nandeha fiara ho ao amin’ilay famokarana divay, namboarina avy tamin’ny tendrombohitra vatosokay, izahay, dia nahamarika vavahady fidirana miendrika tilikambo. Mitovy amin’ny trano be any Frantsa ilay trano. Rehefa jerena anefa ilay izy, dia tsy azonao an’eritreritra mihitsy hoe mbola mitatra ngezabe ao ambanin’ny tany ao. Nisy vava tionelina malalaka be teo anoloanay, rehefa niroso kelikely avy teo amin’ilay vavahady lehibe izahay. Tena nahagaga anay ny halehiben’izy io. Afaka mifanena tsara eo ny kamiao roa.

Nandeha fiara hidina ho ao amin’io tionelina misampantsampana io izahay, ary naka ilay mpitarika anay rehefa afaka minitra vitsivitsy monja. Fantatray mantsy fa nety ho very tao amin’ireo lalana maro miolakolaka izahay, raha tsy nisy mpitarika.

Nanontany ny iray taminay hoe: “Nankaiza ny vatosokay notrandrahina teto taloha?”

Namaly izy hoe: “Nampiasaina tamin’ireo fanorenana tany Chisinau. Mety tsara mantsy ny vatosokay raha atao fitaovana hanorenana trano, noho izy tsy manako sady tsy ahenoana tabataba loatra.” 

Nihamaizina ny tao amin’ilay tionelina rehefa tafidina tokony ho 70 metatra tany ambanin’ny tany izahay, ka lasa nampahatahotra ny nandeha tao. Nijanona teo amin’ny sampanan-dalana izahay, ary nisy barìka lehibe feno divay nitandahatra teo amin’ny andaniny roa amin’ireo lalana maromaro. Mitondra any amin’ny toerana samy hafa daholo ireo lalana ireo. Voamarikay fa nampitondraina anarana mitovy amin’ny karazana divay ireo lalana ireo. Santionany fotsiny amin’ireo anarana nanaitra ny sainay, ny Pinot sy ny Feteasca ary ny Cabernet.

Nilaza ilay mpitarika fa nampiasaina indrindra hamokarana divay tsotra ireo barìka vita amin’ny hazo, fa ireo barìka kely vita amin’ny vy kosa no nampiasaina hikarakarana ireo divay mandroatra. Tena vitsy ny mpiasa hitanay, ka nahatonga anay hanontany ny isan’izy ireny. Namaly izy hoe: “Eo amin’ny 300 eo ho eo ny mpiasa ato. Manao akanjo mafana foana ry zareo mandavantaona, satria mangatsiaka be ato. Mihevitra ireo mpiasa eto aminay fa sady mety ho an’ny divay izany hatsiaka izany, no mahatonga azy ireo ho tanora foana koa. Koa tsy dia ahoan’izy ireo loatra àry ny hatsiaka.”

Ny famokarana divay mandroatra no zavatra manaraka hitanay tamin’ilay fitsidihana. Tavoahangy an-jato nahohoka sy natongilana kely no hitanay. Nilazana izahay hoe: “Miangona eo ambonin’ny bosoa ny faikan-divay, rehefa atongilana kely ireo tavoahangy. Mihahenjana ilay bosoa aorian’izay, ka manjary mora ny manala azy miaraka amin’ny faikan-divay. Apetaka amin’izay avy eo ny bosoa vaovao.”

Tsy ela izahay dia tonga teo amin’ilay toerana fitahirizana ireo tavoahangy misy divay ambony karazana. Hoy ilay mpitarika: “Tavoahangy misy divay ambony karazana, maherin’ny iray tapitrisa no tahirizina ato. Saika ireo tany eoropeanina mpamokatra divay rehetra no mametraka ny sasany amin’ireo zavatra vokariny tsara indrindra, ato amin’ity trano ambanin’ny tany ity. Tavoahangy misy divay ambony karazana, izay namboarina tamin’ny 1902 ary nampiasaina nandritra ny fankalazana ny Paska Jiosy tany Jerosalema, no tranainy indrindra amin’izy ireo. Taona maromaro lasa izay, dia nisy olona sahy nividy azy io 100 000 dolara. Tsy nekena anefa izany, satria noheverina ho tena sarobidy ilay divay.”

Nilazana koa izahay fa mazàna no tahirizina ao anaty haizim-pito tanteraka ny divay ao amin’io toerana io. Mandritra ilay fotoana kely hitsidihana ihany vao mba misy hazavana ao. Nojerenay vetivety ny soratra teo amin’ireo tavoahangy feno vovoka, ka hitanay fa zokinay ny ankamaroan’ireo divay!

Nifarana tao amin’ny efitrano fanandramana divay ilay fitsidihana. Antsoina hoe Efitrano Fanaovan’ny Manam-pahefana Fanasam-be ny lehibe indrindra amin’izany. Misy latabatra lava sady mafonja vita amin’ny hazo oaka ary seza 65 ao amin’io efitrano io. Nampiasaina tamin’ny fanasam-be nataon’ny fanjakana izy io, tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika. Mazava tsara io efitrano io, ary mbola ampiasaina ho toerana fanaovana raharaham-panjakana ihany ankehitriny.

Mahazaka olona 15 ny Sala Casa Mare (ny Efitranom-bahiny), ary mitovy amin’ny eto Moldavia ny fanaka ao. Olona folo kosa no afaka manandrana divay sy misakafo eo amin’ilay latabatra boribory, ao amin’ny Efitrano Fanaovana Fanasana Ambanin’ny Ranomasina. Ny valindrihana no tena mahaliana amin’io efitrano io. Lava-bato tany anaty rano mantsy izy io taloha, ka hita tsara ao ireo akorandriaka lasa vato sy taolam-biby miaina any anaty rano. Nampahatsiahy anay ilay mpitarika fa, raha ny marina, dia “tao ambanin’ny Ranomasina” i Moldavia ankehitriny taloha.

Ny hazo oaka maniry eo an-toerana no nanaovana ny fanaka ao amin’ireny efitra rehetra ireny, anisan’izany ny ao amin’ilay antsoina hoe Efitrano Fanasan’i Youri Gagarine. Nitsidika an’i Cricova io mpanamory sambon-danitra malaza io, tamin’ny 8 sy 9 Oktobra 1966. Nanoratra taratasy fankasitrahana izy, ka nilaza fa ‘na dia ny manam-pahaizana malaza indrindra momba ny divay aza, dia hahita izay divay tiany ao.’

Hoy ilay mpitarika anay: “Nisy mpitsidika avy amin’ny firenena samy hafa teto aminay, nandritra ny 50 taona nisian’ity toeram-pitahirizana divay ity. Champagne sovietika no nahafantarana ny divay mandroatra avy eto aminay, tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika. Vitsy ihany no nahalala fa avy eto Moldavia izy ireny. Amidinay amin’ny anarana hoe Cricova ny divay mandroatra avy eto aminay, izay misy fotsy sy mena.” Ankasitrahanay ireo fanazavana tamin’ny an-tsipiriany nomen’ilay mpitarika anay, ary misaotra azy izahay noho iny fitsidihana tsara dia tsara iny.

Nahatsiaro ho toy ny avy tany amin’ny tontolo hafa izahay, rehefa nandao an’io tionelina misampantsampana io. Mafana ny andro tetỳ ivelany, sady mibaliaka ny masoandro, ka tsy nahitana na dia rahona kely monja aza teny amin’ny lanitra. Nandeha fiara nanaraka ireo tanimboaloboka izahay, rehefa nody ho any Chisinau. Voakarakara tsara izy ireo, ary toa tsy misy farany ireo laharana voaloboka izay milofika noho ny havesatry ny voa efa madiva hotazana.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

UKRAINE

ROMANIA

MOLDAVIA

Chisinau

[Sary, pejy 24]

Miendrika tilikambo ny vavahady fidirana ao amin’ilay Trano Famokarana Divay any Cricova

[Sary, pejy 24]

Anaran-dalana iray ao amin’ireo tionelina misampantsampana mirefy 120 kilaometatra

[Sary, pejy 24]

Tionelina fidiran’ny fiara ho any amin’ireo toeram-pitahirizana divay

[Sary, pejy 24]

Tavoahangy misy divay ambony karazana, maherin’ny iray tapitrisa no tahirizina ato