Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nahena ny Haben’ny Entam-barotra

“Nahenan’ny orinasa ny haben’ny entam-barony, amin’izao vanim-potoana hamokarana entana lehibe kokoa sy tsara kokoa izao”, hoy ny gazety Time. “Somary nahenan’ny orinasa ny haben’ny zavatra vokariny, toy ny yaorta, gilasy, savony, ary ny tantin-jaza. Matetika anefa no tsy ahenan’izy ireo mifanaraka amin’izany ny vidiny.” Tsy vaovao io paikady io. Mitotongana anefa ny toe-karena, ary mailo sy mitsitsy vola kokoa ny mpividy. Noho izany, dia orinasa maro ankehitriny no mampihena be ny fatran’ny zavatra vokariny, mba hihazonana ny tombom-barony. Tsy voamariky ny ankamaroan’ny mpiantsena akory anefa fa nihena grama na metatra vitsivitsy ny entana novidiny. Vokatr’izany dia mandany vola kokoa amin’ny entana mitovy ihany izy ireo, saingy amin’ny fatrany kely kokoa. “Tsy ao an-tsain’ny mpanjifa mihitsy ny hanamarina ny lanja na ny isan’ny zavatra anaty fonosana, isaky ny mividy zavatra”, hoy i Edgar Dworsky, mpanohana ny mpanjifa ao amin’ny Internet. “Io no fomba tsara indrindra hamitahana ny mpanjifa, satria tsy tsapany akory fa nohararaotina izy.”

Mamonjy Aina ny Savony

Mety hamonjy ain’olona an-tapitrisa isan-taona ny fanasana tanana fotsiny, satria manampy ny olona tsy ho voan’ny aretim-pivalanana izany, hoy i Val Curtis, mpampianatra any amin’ny Sekolin’i Londres Momba ny Fitandremam-pahasalamana sy ny Fitsaboana any Amin’ny Tany Mafana. Araka ny gazety The Daily Yomiuri, dia nilaza i Curtis, nandritra ny Fivoriana Fahatelo Eran-tany Momba ny Rano, natao tany Kyoto, any Japon, fa ny otrikaretina ao amin’ny dikin’olombelona no “tena manimba ny fahasalamam-bahoaka.” Milaza koa ilay gazety fa “mahazatra ny vehivavy any amin’ny faritra sasany ny manasa ny zanany rehefa avy any an-kabine, nefa avy eo tsy manasa tanana akory rehefa hikarakara sakafo.” Mety hisakana ny fiparitahan’ny virosy sy ny bakteria mahafaty ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony. Nilaza i Curtis, fa ny fanasana tanana amin’ny savony dia hampihena avo telo heny ny vola lany amin’ny fanadiovana ny rano, mba hiadiana amin’ny aretim-pivalanana any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.

Lalan-kely Manavatsava ny Alpes

Tsy ela izay no nasiana lalan-kely maromaro manavatsava ny Alpes any Eoropa, ary notokanana tamin’ny 2002. Hoy ny gazety The Independent any Londres: “Mandalo amin’ny toerana tsara tarehy indrindra any ambanivohitr’i Eoropa, ireo lalan-kely ho an’ny mpandeha an-tongotra, izay mirefy 5 000 kilaometatra.” Mampifandray firenena valo any amin’ireo tendrombohitr’i Alpes ilay lalana. Manomboka any Trieste, any amin’ny morontsiraka avaratratsinanan’i Italia, izy io, ary mifarana any amin’ny morontsirak’i Monte Carlo, any Monaco. Somary miakatra mamakivaky tendrombohitra ilay lalana, ary mahatratra 3 000 metatra ny toerana avo indrindra andalovany eo am-pihodinana ny tendrony ambony indrindra amin’ireo tendrombohitr’i Alpes. Nambaran’ny fikambanana frantsay La Grande Traversée des Alpes, izay misahana ny fizahan-tany, fa nofidina tsara ny toerana andalovan’ilay lalana mba ho ‘eo akaikin’ireo toerana azo tsidihina anisan’ny malaza indrindra.’ Vitsy ihany ny olona ampoizina hahavita dia an-tongotra an’ilay lalan-kely manontolo. Kanefa, hoy ilay gazety: “Afaka mandeha an-tongotra kilaometatra vitsivitsy miaraka amin’ny fianakavianao ianao, ary miverina mody avy eo. Afaka ny hahita zava-baovao ireo olona te hanatsara ny fahasalamany, na mitady fahanginana, na te hanao vakansy mba hanadinoana ireo zava-manahirana, kanefa tsy te handeha lavitra.” Misy hotely sy fandraisam-bahiny 300 any, azon’ireo mpandeha an-tongotra atoriana. Misy trano mitokana azon’izy ireo atoriana koa anefa any an-tendrombohitra.

Lany Tamingana ny Biby any An-dranomasina

Tsy toerana feno karazana hazandrano maro tsy fantatra intsony ny ranomasina. Izany no nolazain’ny Pr. Ransom Myers, avy amin’ny Oniversiten’i Dalhousie any Kanada, sy ny Pr. Boris Worm avy amin’ny fikambanana iray mpanao fikarohana any an-dranomasina any Kiel, any Alemaina. Lazain’izy ireo fa mihalany tamingana ny karazana hazandrano any an-dranomasina, noho ny fandrosoan’ny fitaovana ara-teknolojia ampiasain’ny mpanjono. Milaza ny gazety The Globe and Mail any Toronto fa “nanjono ny karazana hazandrano lehibe tsirairay tany an-dranomasina ny olombelona nandritra ireo 50 taona lasa, hany ka nanjavona ny 90 isan-jaton’izy ireo.” Mihevitra ny Pr. Myers fa misy fiantraikany lalina eo amin’ny biby any an-dranomasina sy ny tontolo iainany ny tsy fananantsika intsony ireny hazandrano ireny, sy ireo trondro ankafizin’ny olona, toy ny lamàtra, lamôria, flétan, androaro, ary ny espadon. Hoy koa ny Pr. Worm: “Manova ny tsingerin’ny fiainana eto amin’ny planetantsika isika, ary tena tsy fahendrena mihitsy izany.”

Mamely Mafy ny Tazo atỳ Afrika

“Ankizy 3 000 isan’andro” no matin’ny tazo, “any Afrika”, hoy ny gazety frantsay Le Figaro. Maherin’ny 300 tapitrisa ny karazana tazo mahery atỳ Afrika isan-taona, ary olona iray tapitrisa, fara fahakeliny, no maty vokatr’izany, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Anisan’ny mahery indrindra hatramin’izay ilay namely an’i Burundi tamin’ny 2000. Ny antsasaky ny mponina tany, izany hoe olona telo tapitrisa sy sasany teo ho eo, no voan’izy io tao anatin’ny fito volana. Izao no olana: Tsy mandaitra amin’ny katsentsitra intsony ny kininina. Misy ihany fanafody tazo vaovao kokoa vita amin’ny zavamaniry sinoa antsoina hoe Artemisia annua. Firenena afrikanina maro anefa no manahy sao dia lafo be izy io, ka aleony ihany mampiasa kininina. Vokatr’izany dia “mbola mamely mafy ny tazo atỳ Afrika”, hoy ny olona ambony iray ao amin’ny OMS.

Mbola Ampiasaina ny Teny Latinina

Miezaka mampiasa sy manavao ny teny latinina ny Vatikana, na dia olona maro aza no mihevitra fa tsy fampiasa intsony izy io. Nahoana? Satria io no fiteny ofisialin’i Vatikana sy mbola ampiasaina amin’ny taratasin’ny Papa sy ny taratasy hafa, na dia ny teny italianina aza no ampiasaina any. Tsy nampiasaina firy intsony ny teny latinina nanomboka tamin’ireo taona 1970, taorian’ny namoahana ilay didy hoe azo atao amin’ny fiteny eo an-toerana ny Lamesa. Izany no nahatonga ny Papa Paoly Faha-6 hanangana ny Fikambanana Latinina, mba hampiasana azy io foana. Dingana iray natao tamin’izany ny famoahana diksionera roa latinina-italianina. Efa lafo daholo izy ireo. Nisy diksionera roa natambatra ho iray, vao natonta, mba hamidy 690 000 FMG eo ho eo. Misy teny latinina vaovao tokony ho 15 000 ao amin’izy io, toy ny “escariorum lavator” (masinina fanasana vilia). Misy diksionera vaovao iray “antenaina hivoaka afaka roa na telo taona”, hoy ny gazety The New York Times. Teny “ampiasaina amin’ny ordinatera sy ny fampahalalam-baovao” ny ankamaroan’ireo teny ho hita ao anatin’izy io.

Fanazavana Tsy Azo Tsara

“Manadino ny 80 isan-jaton’izay lazain’ny dokotera aminy ny marary any amin’ny hopitaly, ary saika diso daholo ny antsasaky ny zavatra tadidiny.” Izany no vokatry ny fandinihana natao tany amin’ny firenena maromaro, araka ny gazety ara-tsiansa wissenschaft.de. Nohazavain’i Roy Kessels, mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Utrecht, any Holandy, fa ny fahanterana, ny fitsarana an-tendrony, ny fanahiana, ary ny tsy fisian’ny fanazavana an-tsary, no tena mahatonga ilay fanadinoana. Mba hanampiana ny marary hitadidy ireo fanazavana lehibe àry, dia ampirisihina ny dokotera hiteny mazava tsara, hilaza izay fanazavana tena ilaina indrindra aloha, ary hampiasa sary.