Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Boky sy Sary Vetaveta Misaotra betsaka amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Mampidi-doza sa Tsia ny Boky sy Sary Vetaveta?” (8 Aogositra 2003) Nila torohevitra nivantana toy iny aho. Mpijery sary vetaveta hatramin’ny ela aho, talohan’ny naha Kristianina ahy. Iny lahatsoratra iny no nanampy ahy hahita mazava fa tena manimba izy ireny. Nanjary fantatro koa ireo dingana ilaina mba hanafahan-tena amin’ny fanandevozan’izy ireny.

E. P., Etazonia

Roa taona lasa izay no rava ilay fanambadiana sambatra nananako nandritra ny 22 taona. Nandao anay ilay vady tsara sy ray be fitiavana, noho ny sary vetaveta. Nampiova ny toetrany io fahazaran-dratsy mahatsiravina io. Tsara fanahy sy nalemy paika izy, kanefa lasa mora tezitra sy mpandainga ary manana toetram-biby. Noheveriko ho izaho irery no nijaly noho ny vokatry ny sary vetaveta. Tsapako anefa izao fa olona maro no tratran’io zava-manahirana io. Misaotra betsaka noho io andian-dahatsoratra tsara dia tsara io.

L. T., Etazonia

Nandevozin’ny sary vetaveta nandritra ny folo taona mahery aho, talohan’ny nianarako Baiboly. Tsy misy mahatsara azy ireny mihitsy na inona na inona lazain’ireo mpanohana azy. Saika nanandevo ahy daholo ny karazan-drongony rehetra, talohan’ny naha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Ny boky sy sary vetaveta anefa no tena sarotra nialana indrindra. Mba asio lahatsoratra ohatr’ireny foana e!

J. A., Etazonia

Manontany ny Tanora Misaotra anareo eram-po sy eran-tsaina tamin’ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe . . . Nahoana Aho no Mitady ny ho Tonga Lafatra Foana?” (8 Aogositra 2003) Mpitory ny filazantsara manontolo andro aho, ary 25 taona. Efa hatramin’ny fahazazako aho no nampitaha ny tenako tamin’ny anabaviko sy ny rahalahiko, izay zokiko efatra sy telo taona. Nihevitra ny tenako ho ambany sy tsy nisy vidiny aho, ary niezaka ny ho tonga lafatra mba hiadiana tamin’izany. Tena izay tsapako mihitsy no noresahin’ilay lahatsoratra. Maniry hanitsy ny fomba fisainako aho.

M. Y., Japon

Enina ambin’ny folo taona aho, ary vao haingana aho no hitan’ny dokotera ho ketraka mafy. Nezahiko ho tonga lafatra daholo izay rehetra nataoko, ary matetika aho no nanome tsiny ny tenako rehefa nisy tsy nety. Tena tonga amin’ny fotoana nety mihitsy iny lahatsoratra iny. Nitomany foana aho tamin’izaho namaky azy io. Tsy fantatro mihitsy hoe betsaka ny olona miady amin’izany fihetseham-po izany. Misaotra anareo tamin’ilay andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora.” Tsy andriko ny lahatsoratra manaraka.

L. S., Etazonia

Fidorohana Zava-mahadomelina Misaotra indrindra tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ny Fianakaviana sy ny Zava-mahadomelina.” (8 Aprily 2003) Efa elaela no nianarako Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy afaka nandroso ara-panahy aho noho io olana io. Rehefa novakiko ilay efajoro hoe “Te Hiala Amin’ny Zava-mahadomelina ve Ianao?”, dia tsapako fa ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fampiharana ireo toro lalany no hanampy ahy ho afaka. Tena nampiova ahy koa ny fahalalana fa tena miahy ahy manokana Andriamanitra.

R.S.A., Brezila

Diabeta Efa 28 taona aho izao no voan’ny diabeta, ary misy folo izahay ao amin’ny fianakaviana no voan’izy io. Mbola tsy namaky lahatsoratra milaza ny tena zava-misy toa an’ilay hoe “Ampio Ireo Voan’ny Diabeta” (8 Mey 2003) aho hatramin’izay. Manome taratry ny fitiavan’ilay Mpamorona antsika izy io, ary izay no tsy itoviany amin’ireo boky hafa. Teo aloha dia tsy tiako ny ho lasa enta-mavesatra ho an’ny fianakaviako, ka tsy niresadresaka tamin’izy ireo momba ilay aretiko aho. Ny nikarakara olon-kafa fotsiny no tena nahafinaritra ahy. Hitako tamin’ilay lahatsoratra anefa fa mila mikarakara tena tsara aloha aho, vao afaka mikarakara ny olon-kafa.

L. P., Frantsa