Diniho ny Tenin’Andriamanitra!
Diniho ny Tenin’Andriamanitra!
Hanampy anao handinika ny Tenin’Andriamanitra ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Natao hanampiana ny mpianatra Baiboly hampihatra izay ianarany io boky io. Hoy ny mpampianatra Baiboly iray any Nizeria, atsy Afrika Andrefana: “Ny tena nahaliana ahy indrindra dia ireo fanontaniana mampisaintsaina ao amin’ny toko tsirairay. Manampy ny mpamaky hifantoka sy hisaintsaina izay vakiny izy ireny.”
Hoy ny vehivavy iray nampianatra Baiboly hatramin’ny taona maro: “Tsotra io boky io, ary tena mahafinaritra ny mampiasa azy!”
Mety hahatsapa toy izany koa ianao rehefa mandinika ireto toko ireto: “Ilay Raharaha Mahakasika Antsika Rehetra”, “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?”, “Mahery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty”, ary “Henoy ny Torohevitra, Ekeo ny Fananarana.” Raha te hanafatra an’io boky 192 pejy misy fonony malefaka io ianao, dia fenoy ilay tapakila eo ambany, ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Fonony: U.S. Navy photo