Fitsidihana Vorona “Lany Tamingana”
Fitsidihana Vorona “Lany Tamingana”
EFA hatramin’izay mihitsy aho no liana tamin’ny karazam-borona sy ny hakantony. Sendra namaky boky momba ny vorona tsy fahita firy atao hoe pétrel des Bermudes aho, rehefa niomana hitsidika an’i Bermudes. Milaza ny boky momba ny vorona fa “any amin’ireo nosy Castle Harbour, izay mitokana indrindra any Bermudes, no mbola ahitana vitsivitsy amin’io vorona io. Arahi-maso akaiky izy ireo any, ary misy mpiambina miaro azy.”
Liana be tamin’ilay izy aho! Tapa-kevitra ny hijery an’io vorona hafakely io aho ka nifandray tamin’ny Pr. David Wingate, izay efa tompon’andraikitra tamin’ny fiarovana ny zavaboary. Efa tsy miasa intsony izy izao, saingy mpiambina an’ireo nosy Castle Harbour izy tamin’ny fotoana nifandraisako taminy. Mba navelany niaraka taminy aho rehefa nitsidika ny toerana voaro misy ny tranom-borona pétrel des Bermudes izy.
Toerana mahavariana
Tsy lavitra ny nosy lehibe indrindra amin’i Bermudes ny Tahirin-javaboarin’i Castle Harbour. I Bermudes dia nosy maromaro any amin’ny Oseana Atlantika, 900 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Caroline Avaratra, Etazonia. I Nonsuch no anaran’ilay nosy lehibe indrindra amin’ireo nosy kely sivy misy ao amin’io tahiry io. Tokotokony ho enina hektara ny velaran’i Nonsuch, ary izy no atsinanana indrindra amin’ireo nosin’i Bermudes. Lasa toerana mahavariana ilay nosy, rehefa niandraikitra ny famerenana ireo karazan-javamaniry sy vorona nisy tany taloha, ny Pr. Wingate.
Tsara ny andro tamin’ny fotoana niainganay, ary ny sambo kelin’ny Pr. Wingate no nitondra anay avy tany Nonsuch, nankany amin’ny nosy kely iray teo akaiky teo. Nisy karazam-borona mpihaza trondro nisidina teny ambonin’ireo rano tony, ka namirapiratra ny ambany elany fotsy botsiaka rehefa notarafin’ny ranomasina manga. Faly nanidintsidina nitady vady tetsy sy teroa koa ny karazam-borona antsoin’ny any Bermudes hoe ‘lava rambo.’ Miaka-midina ny rambony, izay somary lava kokoa raha oharina amin’ny an’ny vorona hafa. Tokony ho finaritra erỳ aho nahita izany rehetra izany, saingy tamin’io andro io aloha, dia ny pétrel no tena nibahana tao an-tsaiko.
Nipoitra indray ny pétrel des Bermudes efa “lany tamingana”
Hoy ny fanazavan’ny Pr. Wingate: “Renay tamin’ireo mponina voalohany teto, fa nisy izany voron-dranomasina izany, hono, tsy niakatra an-tanety raha tsy tamin’ny alina sy rehefa nanao trano ihany. Ny pétrel des Bermudes no mpanao toy izany. Be dia be mihitsy, hono, ny isan’izy ireo, tamin’izany fotoana izany. Nampidirin’ny Espaniola teto Bermudes anefa ny kisoa, tamin’ny 1560 tany ho any, ka ripaka ireo pétrel, satria lanin’ny kisoa ny atody sy ny zanaka pétrel, ary na dia ireo pétrel efa lehibe mihitsy koa aza. Sakafo tian’ireo mpifindra monina koa ny henan’ny pétrel. Vao mainka koa maro no maty rehefa tafiditra tsy nahy teto Bermudes ny voalavo, tamin’ny 1614. Nilomano nankeny amin’ilay nosy kely nisy ny tranon’ny pétrel ny voalavo, ary nihinana ny atody sy ny zanaka pétrel tao. Koa nihena be àry ny isan’ny pétrel des Bermudes tamin’ny 1630, ary noheverina ho ripaka tanteraka ireo pétrel an’aliny nisy teto.”
Nitabataba ny maoteran’ilay sambo ka niteny mafy aho rehefa nanontany hoe: “Ahoana no nahitana azy ireo indray?”
Namaly ny Pr. Wingate hoe: “Nahita toa voron-dranomasina hafahafa bika i Louis Mowbray, mpandinika ny zavaboary, tamin’ny 1906. Tany amin’ny nosy iray anisan’i Castle Harbour no nahitany azy io, saingy tatỳ aoriana vao fantatra hoe pétrel des Bermudes ilay vorona. Tamin’ny 1935 indray, dia nisy pétrel vao nianatra nanidina, hita nidona tamin’ny tilikambo fanilon-tsambo ary maty. Nisy fatina pétrel efa lehibe koa, hita teny amoron-dranomasin’ny nosin’i Cooper, any Bermudes, tamin’ny 1945. Nanjary niharihary fa tsy ho very maina ny dia hitadiavana betsaka kokoa amin’io
karazam-borona efa ‘lany tamingana’ io. Ny Dr. Cushman Murphy, avy amin’ny Tranombakoka Amerikanina Momba ny Fandinihana Zavaboary, sy i Louis S. Mowbray (zanak’i Louis Mowbray) izay mpikarakara ny Fiompian-trondro any Bermudes, no nitarika ny dia.”Nitsiky ny Pr. Wingate nahatsiaro izany rehetra izany, ary niteny hoe: “Faly erỳ aho rehefa nasain’izy ireo niaraka taminy nanao ilay dia. Vao 15 taona mantsy aho tamin’izany, ary tena nahaliana be ahy ny vorona! Tsy hohadinoiko mandrakizay io alahady 28 Janoary 1951 io. Mbola tadidiko foana ny hafaliana teny amin’ny endriky ny Dr. Murphy, rehefa nahasambotra pétrel des Bermudes velona, avy teo an-tsefatsefa-bato izy sy Mowbray! Avy hatrany dia nosokajin’ny fanjakana ho toerana voatokana ho an’ny pétrel des Bermudes, ireo nosy kely anisan’i Castle Harbour. Natao ho anisan’ny toerana voatokana koa i Nonsuch tamin’ny 1961, ary nifindra tany izahay mivady ny taona nanaraka, mba hahafahako miambina azy io.”
“Ary firy ny pétrel hitanareo tamin’io dia voalohany io?”, hoy aho nanontany azy, raha nihananatona an’ilay tahirin-javaboary ihany izahay.
Namaly izy hoe: “Valo no tranom-borona mpivady hitanay tamin’ny taona voalohany. Sarotra be ny nitady azy ireny ka nila folo taona izahay vao nahita azy rehetra, dia ireo tranom-borona 18 tao. Nitombo ho 52 izany rehefa narovana nandritra ny 35 taona ilay toerana.”
Fanampian’ny olombelona
Avy eo dia nilaza ny Pr. Wingate hoe: “Any anaty lavaka lalina, any amin’ny 2 ka hatramin’ny 3 metatra sy sasany ny pétrel des Bermudes no manao ny tranony mba tsy ho azon’ny hazavana. Koa nihady lavaka ho azy ireo àry izahay, ary nasianay sarony vita tamin’ny simenitra izany. Nasiana sarona azo esorina sy apetaka tamin’ny sisin’ireny lavaka
ireny, mba hahafahana hanara-maso raha misy atody vao latsaka, na foy, na lamòka tao. Koa azonay alaina àry ny atody lamòka, hahafahana hanadihady ny zavatra tsy nety. Lasa mora vaky, ohatra, ny atody teo antenatenan’ireo taona 1960, noho ny fampiasana poizim-bibikely DDT. Manahy koa izahay izao noho ny fampiasana polychlorobiphényles (PCB), izay mety hahatonga an’ireo atody ho mora vaky koa. Voarara ny fampiasana ny PCB atỳ Amerika Avaratra sy any Eoropa, nefa mbola ampiasaina izy io any an-tany hafa.”Mbola misy olana hafa koa anefa. Hoy ny Pr. Wingate: “Matetika no niady toerana ny pétrel des Bermudes sy ny karazam-borona hafa masiaka kokoa. Mety hanao trano ao amin’ny lavaka iray ny pétrel, nefa hanao trano eo amin’ny fidirana amin’izy io ny karazam-borona hafa! Hotafihin’io vorona masiaka io amin’izay, ny atody sy zanaka pétrel. Miverina foana anefa io olana io, satria samy miverina manao trano eo amin’ilay toerana izy ireo isan-taona. Nasianay sakana vita tamin’ny hazo àry ny fidirana tao amin’ilay lavaka misy ny pétrel, mba hiarovana azy. Misy lavaka boribory lavalava antonona tsara an’ireo pétrel eo amin’ilay sakana, ary tsy tafiditra eo ny karazam-borona hafa. Hadisoan-drefy telo milimetatra fotsiny amin’izay, dia mety hamono ny pétrel des Bermudes.”
Tao amin’ilay tahirin-javaboary
Tonga teo amin’ilay nosy kely ihany izahay nony farany. Nanonja ny ranomasina ka nitandrina be izahay rehefa niala avy teny amin’ilay sambo, mba hankeny amin’ireo vato mikintoantoana. Tsy maintsy nihanika haram-bato avo sy maranitra izahay vao tonga teny amin’ireo tranom-borona. Nisy tranom-borona anankiray aza tsy hita raha tsy nakana tohatra. Efa mahazatra ny Pr. Wingate angamba izany rehetra izany, nefa zava-baovao tamiko sy nampientanentana be ahy!
Nodinihin’ny Pr. Wingate tsara ny manodidina ny tranom-borona tsirairay. Mbola mitsidika an’io tranony io ve ireo mpivady tompony? Misy dian-tongotra miditra sy mivoaka ve avy ao amin’ilay lavaka? Misy atody lamòka ve ao? Nahita atody lamòka mbola tsy nilaozan’ny ray aman-dreniny izahay. Navelan’ny Pr. Wingate tao ihany ilay izy. Matetika no kotrehin’ny pétrel ihany ny atodiny na dia lamòka aza. Nahita zavatra tsy nampoizina koa ny Pr. Wingate, satria nahita zanaka pétrel tamin’ny toerana tsy noeritreretina hoe hisy atody akory izy! Nahafaly anay ny nahita an’io, na dia teo aza ny fahadisoam-panantenana tamin’ilay atody lamòka.
Nivaly ny fisasaranay rehefa nosokafan’ny Pr. Wingate ny sarona tamin’ny lavaka anankiray. Zanaka pétrel kely sady voloina no hitako tao. Voahelingelin’ny hazavana ilay izy ka nihetsika kely. Nahita pétrel lehibe mikotrika koa aho tao amin’ny lavaka sasany.
Namonjy zanaka pétrel maro ny Pr. Wingate. Nisy anankiray, ohatra, notsaingohin’ny vorona hafa, ka tapaka ny vavany. Kivy ny Pr. Wingate rehefa nanambatra ny vavan’ilay zana-borona. Gaga sady faly anefa izy fa velona soa aman-tsara ihany io zanaka pétrel io! Indray mandeha koa izy nahita zanaka pétrel mbola tsy mahasaraka, nefa efa nilaozan’ny ray aman-dreniny. Nompiany tao anaty boaty ilay izy ary nomeny patsabe, karazana horita, menaka trondro, ary vitaminina. Afaka nanidina nankany an-dranomasina ihany ilay izy tamin’ny farany. Nisy vokany tsikelikely ny ezaka natao hiarovana ny pétrel des Bermudes. Maneran-tany mantsy dia ampiasain’ny mpiaro ny tontolo iainana ho mariky ny fanantenana ny pétrel des Bermudes. Nikasa hanao tranom-borona 1 000 ao Nonsuch ny Pr. Wingate. Ho hitantsika eo ihany anefa raha ho tanteraka io nofinofiny io.
Nampieritreritra ahy iny fitsidihana vorona efa “lany tamingana” iny. Fody iray latsaka aza moa tsikaritry ny Mpamorona, tsy mainka ve raha karazam-borona iray manontolo no atahorana ho lany tamingana? (Matio 10:29) Tena mampahery tokoa ny mahalala, fa indray andro any, dia tsy hisy intsony karazam-biby hatahorana ho lany tamingana noho ny afitsoky ny olombelona!—Isaia 11:6-9.—Nisy nanome.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
BERMUDES
Nosy Nonsuch
[Sary, pejy 26]
“Pétrel des Bermudes” ao anaty lavany
[Sary nahazoan-dalana]
Jeremy Madeiros, Conservation Officer, Bermuda
[Sary, pejy 26]
Fidirana amin’ny lavaka “pétrel”
[Sary, pejy 26]
Manondro ilay sakana eo amin’ny fidirana amin’ny lavaka “pétrel” ny Pr. Wingate
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Jeremy Madeiros, Conservation Officer, Bermuda
Gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
© Brian Patteson
Jeremy Madeiros, Conservation Officer, Bermuda