Ireo Siramamy Mahavelona
Ireo Siramamy Mahavelona
SIRAMAMY: Azo antoka fa mampiasa azy io ianao rehefa hanao mofomamy na hisotro kafe. Fantatrao ve anefa fa nitondra fandrosoana teo amin’ny siansa momba ny zavamananaina ny fahalalana tsara kokoa momba ny siramamy, toy ny nahitana ny ADN ihany?
Vao haingana ny mpahay siansa no nanao fikarohana momba ny fampiasan’ny sela ny molekiola tsotra toy ny gliokaozy, mba hanamboarana molekiola lehibe, “izay mitovitovy habe sy firafitra amin’ny ADN sy ny proteinina”, hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). “Manana anjara asa lehibe saika amin’ny lafiny rehetra amin’ny siansa momba ny zavamananaina ny siramamy. Ilaina, ohatra, izy io, mba hamantarana ny bakteria na ny virosy mitondra aretina, mba hampivaingana ny ra, ary mba hiforonan’ny tsaika.” Raha sendra tsy nety anefa ny fiforonan’ny molekiola lehibe, dia mety hiteraka aretina maro. Mety halemy, ohatra, ny hozatra, na hanaintaina ny tonon-taolana. Hoy ilay tatitra: “Vao manomboka mahafantatra ny vokatry ny molekiolana gliokaozy amin’ny vatan’ny olombelona ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina. Nanjary tsy azon’izy ireo antoka intsony anefa ny fiheverana hatramin’izay momba ny fiasan’ny sela.”
Antsoina hoe “génome” ny fitambaran’ny ADN ao anatin’ny sela iray. Namorona ny teny hoe “glycome” koa ny manam-pahaizana mba hiantsoana ny fitambaran’ny molekiolana siramamy namboarin’ny sela na ny zavamananaina iray. ‘Tena mbola be pitsiny lavitra noho ny génome’ anefa izy io, araka ny tenin’i Ajit Varki, manam-pahaizana momba ny glycome ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Etazonia. Nahoana no tena be pitsiny ny glycome?
Mitambatambatra ny molekiolana siramamy tsotra antsoina hoe monosaccharides, ka lasa polysaccharides. Mitambatambatra avy eo ny polysaccharides, ka lasa molekiola lehibe misy monosaccharides 200 mahery. Arakaraka ny firafitr’ireo molekiolana siramamy ny karazany sy ny anjara asany. ‘Raha monosaccharides enina monja no atambatra, dia karazana polysaccharides 12 000 tapitrisa no mety ho azo’, araka ilay gazety ihany.
Nilaza i Varki fa mbola tena lavitra ezaka ny fikarohana miandry an’ireo manam-pahaizana momba ny glycome. Hoy izy: ‘Toy ny hoe vao tonga eo amin’ny morontsirak’i Amerika ianao, kanefa handeha an-tongotra hamakivaky an’ilay kontinanta manontolo.’
Mazava àry fa tena sarotra ny fomba fiasan’ny sela, ka hita avy amin’izany fa ny manan-tsaina indrindra eo amin’izao tontolo izao no namorona azy io. Mahatonga antsika hatahotra sy hanaja azy izany. Izany koa ve no tsapanao?—Apokalypsy 4:11.