Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voavonjy Tamin’ny Tondra-drano!

Voavonjy Tamin’ny Tondra-drano!

Voavonjy Tamin’ny Tondra-drano!

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Soisa

NISY tatitra momba ny tondra-drano avy tany amin’ny faritra samihafa amin’ny tany, tamin’ny Oktobra 2000. Avy be ny orana ka nihotsaka ny tendrombohitra, ary nisy riaka be nitondra fotaka sy vato ary vatan-kazo iray manontolo mihitsy aza!

Izany no nitranga tany Valais, any amin’ny faritra atsimon’i Soisa. Manapaka eo afovoany manaraka ny halavan’io faritra io ny reniranon’i Rhône, ary mikoriana miankandrefana. Mirefy 170 kilaometatra ny halavan’ilay renirano avy eo amin’ny Tendrombohitra Alpes ka hatreo amin’ny Farihin’i Genève. Tandavan-tendrombohitra no eo andaniny roa amin’ilay renirano. Misy sakelidrano maro be, izay samy manana ny habeny eny amin’ireny tendrombohitra ireny, mba hikorianan’ny rano ho ao amin’io renirano io. Mikoriana moramora ireny rano ireny raha ny tokony ho izy. Matetika anefa no misy loza mitranga rehefa be loatra ny rotsakorana eo amin’ilay faritra.

Izany no nitranga tany Gondo, tanàna iray eo amin’ny sisin-tanin’i Italia, izay misy mponina 150. Nisy riaka nitondra fotaka sy vato be teo amin’io faritra io ka nanapotika ny tapany lehibe tamin’ilay tanàna. Tsy ela dia feno rano koa ny faritra hafa tamin’i Valais, noho ny oram-be nivatravatra. Tapaka ny lalana sy ny lalamby, ary nanomboka feno fotaka sy vato ny trano. Nahatratra efatra metatra ny hatevin’ny fotaka tany amin’ny toerana sasany. Hitan’ny vehivavy iray mihitsy ny riaka nitondra fotaka nahatratra 30 metatra, izay nifaoka vato lehibe sy hazo maniry, ary niditra tao amin’ny tanànany!

Nipetraka tany Mörel i Markus sy Tabitha vadiny tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza. “Taitra izahay tamin’ny enina maraina, satria nisy feo nidoboka be sy nanakoako, ary nihovotrovotra ny tany”, hoy i Markus. “Nivoaka aho nitondra jiro mba hanadihady izay nitranga, ary nanaitra mafy ahy izay hitako. Simba ireo trano sy tetezana nianjeran’ireo vato lehibe, ary nidona tamin’ny trano teo akaikinay ny fiara iray. Nahita mpivady tsy afaka nivoaka ny tranony aho, terỳ ambanimbany terỳ. Nanampy azy hivoaka tamin’ny varavarankely aho. Rehefa niverina nody aho, dia zara raha nanam-potoana hanangonana zavatra vitsivitsy izahay.”

Vavolombelon’i Jehovah i Markus sy Tabitha. Niantrano tany amin’ny Vavolombelona, tany ivelan’ilay faritra niharan-doza izy ireo. Hoy i Markus: “Voavonjy izahay, kanefa mbola nitaintaina foana i Tabitha nandritra ny andro maromaro.” Inona no nanampy azy hiaritra ilay fahoriana mafy? Hoy i Tabitha: “Ny fiarahana tamin’ireo anadahy sy rahavavy mpiray finoana sy ny fanohanan’izy ireo.” Hoy koa izy: “Nanampy anay koa ny fiahiana nasehon’ireo olona maro be nanodidina anay.”

Tadidin’i Markus sy Tabitha tsara ny Ohabolana 18:24, izay milaza fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” Tena sarobidy mihitsy ny namana toy izany rehefa misy loza!

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

Faritra tra-doza

Gondo

[Sary, pejy 22]

Markus sy Tabitha

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Mise à disposition par www.crealp.ch