Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Aretina Afindran’ny Bibikely Mpampianatra ao amin’ny oniversite aho, sady mpiandraikitra ny laboratoara fandinihana ny ao anatin’ny zavamananaina sy ny mikraoba ary ny katsentsitra. Efa 24 taona izao no nanaovako izany asa izany. Vitanareo ny mampiseho amin’ny fomba tsotra ny resaka momba ny siansa! Tena nahaliana ahy ilay andian-dahatsoratra hoe “Ireo Bibikely Mpamindra Aretina.” (8 Jona 2003) Misy hevitra tsy azoko indraindray amin’ireny boky momba ny siansa ireny. Azoko avy hatrany anefa ilay izy, noho ny fomba ampisehoanareo azy. Misaotra noho ny ezaka rehetra ataonareo.

M. R., Meksika

Ankasitrahako ireo andian-dahatsoratra ahitana ilay efajoro hoe “Mamindra VIH ve ny Bibikely?” (8 Jona 2003) Efa an-taonany maro aho izao no nipetraka teo amin’ny tanàna feno moka mandritra ny fahavaratra. Natahotra aho sao hifindran’ny VIH. Misaotra betsaka anareo noho ny lahatsoratrareo. Tsy hatahotra intsony aho amin’ity fahavaratra ity!

J. L., Albania

Mifraody Misaotra anareo tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ratsy ve ny Mifraody?” (8 Febroary 2003) Nasain’ny mpiara-mianatra amiko hanao ny fanadinany aho, dia homeny vola be. Tsy nety aho ka nolazain’izy ireo fa vendrana. Nampahatsiahivin’ilay lahatsoratra fa tokony hankatò ny fitsipik’Andriamanitra aho, sady tsy hanaiky lembenana mihitsy.

F.A.C., Nizeria

Tsy nanao ny devoarako mihitsy aho, fa nangala-tahaka ny an’ny mpiara-mianatra amiko fotsiny. Nanampy ahy hahatakatra io lahatsoratra io, fa mitovy amin’ny halatra ihany ny mangala-tahaka. Tapa-kevitra ny hanaraka io hevitra io aho, na dia tsy tian’ny mpiara-mianatra amiko aza izy io.

Y. D., Rosia

Diabeta Rehefa namaky ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampio Ireo Voan’ny Diabeta” aho, dia takatro fa mety ho voan’ny diabeta aho. (8 Mey 2003) Novakiko tao mantsy fa anisan’ny famantarana io aretina io ny mipipỳ matetika. Nankany amin’ny hopitaly àry aho, ary hita fa voa tokoa aho. Iray volana mahery izay no lasa hatramin’ny nizahana ahy, ary izao no ataoko ankehitriny: Mihinam-panafody mba hampidinana ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny rako, manaraka fitandreman-tsakafo, ary manao fanatanjahan-tena. Mety tsy ho nahalala aho hoe voan’ny diabeta, raha tsy namaky an’io gazety io.

Y. N., Japon

Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa mahazo ny gazetinareo avy amin’ny mpiara-monina amiko. Tena tiako ilay andian-dahatsoratra momba ny diabeta. Miofana ho mpitsabo mpanampy mikarakara ny be taona aho, ka tsy maintsy nanao famelabelarana momba io loha hevitra io. Raha mba naharay an’io gazety io taloha kokoa mantsy aho, dia tsy ho voatery nikaroka tamin’ny boky maro be! Tena ilaina ny gazetinareo.

A. S., Alemaina

Avy Amin’ny Mpamaky Tiako ny mamaky ilay lahatsoratra hoe “Avy Amin’ny Mpamaky.” Mampiasa ireo teny ao aho indraindray, rehefa mampirisika ny olona ampianariko Baiboly, mba handinika tsara ny lahatsoratra sasany. Hita amin’io karazan-dahatsoratra io fa tsy very maina ny ezaka ataonareo mba hanohinana ny fon’ny olona.

S. A., Rosia

Rano Tena tao amin’ny nilako azy indrindra ilay lahatsoratra hoe “Antoky ny Fahavelomana ny Rano.” (8 Oktobra 2003) Ny asako mantsy dia ny manampy ny olona hahay handanjalanja ny sakafo hohaniny, mba tsy hampahatavy azy. Vitanareo ny namintina tao anatin’ny lahatsoratra iray monja, ny zava-drehetra momba ny sakafo, tsy maintsy nianarako tao anatin’ny 30 ora. Tiako ny hampiasa ireny fanazavana ireny mba hanampiana ireo olona manatona ahy.

J.F.S.F., Brezila