Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 27 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)
1. Inona no novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta, tamin’ny sekely volafotsy 400? (Genesisy 23:16-20)
2. Inona ireo zavatra roa nanaovana famantarana ho an’i Gideona, mba hahazoany porofo fa hanampy azy Andriamanitra rehefa hiady amin’ny Midianita izy? (Mpitsara 6:36-40)
3. Inona ilay karazan-trano resahina ao amin’ny bokin’ny Tantara sy Nehemia ary Daniela? (Daniela 8:2)
4. Inona no tena nahasarika an’i Akana, ka tsy niraharahany ny didin’Andriamanitra sy nahatonga ny Israelita ho resy tao Ay? (Josoa 7:21)
5. Rehefa avy namorona vehivavy ho an’i Adama Andriamanitra, ahoana no niantsoana azy mivady nanomboka teo? (Genesisy 2:24)
6. Inona no fanao misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy melohin’ny Baiboly? (Deoteronomia 18:10, 11)
7. Inona no nataon’i Ahasoerosy Mpanjaka ho fankalazana ny nanaovana an’i Estera ho mpanjakavavy? (Estera 2:18)
8. Inona no nambaran’i Jesosy mialoha fa hihatra amin’ny mpanara-dia azy noho ny anarany? (Matio 10:22)
9. Iza ilay vehivavy midianita novonoin’i Finehasa, rehefa nentin’i Zimry tao amin’ny tobin’ny Israely mba hanao firaisana taminy? (Nomery 25:15)
10. Iza no resahina ao amin’ny toko faha-31 amin’ny Ohabolana? (Ohabolana 31:10)
11. Inona no teny miverimberina eo am-piandohan’ireo andininy telo misy ny fanamelohan’i Mika an’i Samaria sy Jerosalema? (Mika 1:2; 3:1; 6:1)
12. Iza no tompon’andraikitra tamin’ny famonoana an’i Amnona, zanak’i Davida lahimatoa, nefa navelan’i Davida ny helony tatỳ aoriana? (2 Samoela 13:32, 33)
13. Nahoana i Mikala vadin’i Davida no “nikizaka azy tao am-pony”, ka nanjary tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny? (2 Samoela 6:14-16, 20-23)
14. Inona ilay fotoana ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny Hara-magedona? (Apokalypsy 16:14, 16)
15. Nahoana ireo vahoaka te hanolotra fanatitra ho an’i Paoly tany Lystra no nitora-bato azy indray? (Asan’ny Apostoly 14:19)
16. Inona no nataon’i Petera mba hiarovana an’i Jesosy tamin’ireo miaramila tonga nisambotra azy? (Jaona 18:10)
17. Inona no nasain’ny Devoly nataon’i Jesosy, rehefa naka fanahy azy fanintelony tany an’efitra izy? (Matio 4:9)
18. Oharina amin’ny inona ny fahotana na faharatsiana ao amin’ny Baiboly? (Matio 16:6)
19. Nihoatra noho ny fahendren’iza avy ny fahendren’i Solomona? (1 Mpanjaka 5:11)
[Efajoro, pejy 27]
Valin’ny Fanontaniana
1. Toerana handevenana ny fianakaviany
2. Ando sy volon’ondry
3. Lapa
4. “Kapôty tsara avy any Babylona”, ary koa volafotsy sy volamena vitsivitsy
5. “Nofo iray”
6. Mpanao fankatovana, mpanandro, mpanao sikidy, mpanana ody, mpanao azy ho masimbava, mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, mpanambara ny hoavy, sy ny toy izany
7. Nanao fanasam-be izy, ka nanome famotsoran-keloka teo amin’ny faritra niadidiany, ary nanolotra fanomezana
8. “Halan’ny olona”
9. Kosby, zanakavavin’i Zora
10. “Vehivavy tsara” na mahay
11. “Mihainoa”
12. Absaloma, zanakalahin’i Davida fahatelo
13. Tsy tiany ny nahita an’i Davida “nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’i Jehovah”, ho fanehoana ny hafaliany
14. “Ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”
15. Nandresy lahatra azy ireo hanao izany ny Jiosy avy tany Antiokia sy Ikonioma
16. Nanaisotra ny sabany izy ka namely an’i Malko, ilay mpanompo, ary nahafaka ny sofiny havanana
17. “Miankohoka indray mandeha” eo anatrehany
18. Lalivay (leviora)
19. Etana, Hemana, Kalkola, ary Darda