Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Tsy Mifoka Sigara?

Nahoana Aho no Tsy Mifoka Sigara?

Nahoana Aho no Tsy Mifoka Sigara?

NISY mpianatra an-jatony nasaina namelabelatra io foto-kevitra io, nandritra ny fifaninanana iray nalamin’ny Fikambanan’ny Mpitsabo any Missouri (FMM), any Etazonia. Mpianatra 675 avy tamin’ny sekoly 42 no nandray anjara tamin’ilay fifaninanana. I Breanna, 12 taona, no nahazo ny loka. Navoaka tao amin’ny gazetin’ilay Fikambanana (antsoina hoe Fitsaboana any Missouri), ny tononkalony, sady afaka namaky izany teo anoloan’ireo solontena nanatrika ny fivoriambe fanaon’ny FMM isan-taona izy. Izao no nolazainy talohan’ny namakiany an’ilay izy:

“Vavolombelon’i Jehovah aho, ary avy tamin’ny gazety Mifohaza! daholo ny zavatra nosoratako ato amin’ilay tononkalo. Avy tamin’ity gazety asehoko ity raha ny marina, no nakako ny hevitra ao amin’ilay andalana tiako indrindra amin’ny tononkaloko. Sarina karandoha mifoka sigara sy soratra hoe ‘Fahafatesana Amidy’ no eo amin’ny fonon’izy ity. Efa hatramin’ny taona maro ny Mifohaza! no namoaka lahatsoratra maro momba ny loza entin’ny fifohana sigara.”

Tsy mifoka sigara sady tsy mihinam-paraky ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no inoan’izy ireo: Tsy manaja ny Mpamorona sy ny aina nomena azy ny olona iray, raha minia mampiasa zavatra efa fantany fa handoto ny vatany. (Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Izany no mahatonga azy ireo hanaraka izao fananaran’ny Baiboly izao: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy.”—2 Korintianina 7:1.

Miezaka ny hiaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly i Breanna, toa ireo tanora Vavolombelona namany. Tena mampifaly ny Mpamorona azy ny tanora toy izany.—Ohabolana 27:11.

[Sary, pejy 31]

Breanna (14 taona) mampiseho ilay tononkalony