Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hihevitra ny Fanambadiana ho Masina?

Nahoana Isika no Tokony Hihevitra ny Fanambadiana ho Masina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Nahoana Isika no Tokony Hihevitra ny Fanambadiana ho Masina?

AZO inoana fa hiaiky ny ankamaroan’ny olona hoe masina ny fanambadiana. Nahoana anefa no betsaka no misara-panambadiana? Satria misy mihevitra fa fifanekena an-tsoratra sy fifanomezan-toky feno nofinofim-pitiavana fotsiny ny fanambadiana, ka azony atao ny mivadika amin’izany. Mora ho an’ny olona toy izany ny misaraka amin’ny vadiny, rehefa tsy mandeha tsara araka ny niheverany azy ny zava-drehetra.

Ahoana kosa no fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana? Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Hoy ny Hebreo 13:4: “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana.” Ilay teny grika nadika eto hoe “mendri-kaja”, dia midika hoe tena sarobidy. Tandremantsika tsara ny zavatra heverintsika ho sarobidy, mba tsy ho simba na ho very. Izany koa no tokony handraisantsika ny fanambadiana. Tokony hoheverin’ny Kristianina ho mendri-kaja na sarobidy izy io, ka tokony harovana.

Nataon’i Jehovah Andriamanitra ho fatorana masina mampiray ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanambadiana. Ahoana anefa no ampisehoantsika fa miombon-kevitra aminy isika?

Fitiavana sy fanajana

Mifanaja ny mpivady mihevitra ny fanambadiana ho mendri-kaja. (Romanina 12:10) Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”​—Efesianina 5:33.

Marina fa mety hahatonga anao tsy ho tia na hanaja ny vadinao ny fihetsiny, indraindray. Tokony ho tia sy hanaja ny vadiny foana anefa ny Kristianina. Hoy mantsy i Paoly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”​—Kolosianina 3:13.

Fotoana sy fikarakarana

Manokana fotoana anomezana fahafaham-po izay ilain’ny vadiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ny mpivady mihevitra ny fanambadiany ho masina. Tafiditra amin’izany ny fanaovana firaisana. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.”​—1 Korintianina 7:3.

Misy mpivady anefa mihevitra fa tokony handeha hitady vola any amin’ny faritra hafa ilay lehilahy mandritra ny fotoana fohy. Tsy araka ny anampoizana azy ilay fisarahan-toerana, indraindray, fa maharitra kokoa. Matetika izany no mampisy olana eo amin’ny mpivady, na mitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady sy fisaraham-panambadiana mihitsy. (1 Korintianina 7:2, 5) Aleon’ny mpivady kristianina maro àry tsy manam-bola firy, toy izay ho rava ny fanambadiany, izay heveriny ho sarobidy.

Rehefa misy olana

Mihevitra ny fanambadiana ho mendri-kaja ny Kristianina, ka tsy maika ny hisara-toerana na hisara-panambadiana rehefa misy olana. (Malakia 2:16; 1 Korintianina 7:10, 11) Hoy i Jesosy: “Izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an-dravehivavy hanitsakitsa-bady. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” (Matio 5:32) Tsy mihevitra ny fanambadiana ho mendri-kaja ny mpivady raha mifidy ny hisara-panambadiana na hisara-toerana, nefa tsy misy antony araka ny Soratra Masina tokony hanaovany izany.

Hita eo amin’ny torohevitra omentsika ny mpivady manana olana koa ny fiheverantsika ny fanambadiana. Mailaka ny hanoro hevitra azy ireo mba hisara-toerana na hisara-panambadiana ve isika? Marina aloha fa, indraindray dia misy antony marim-pototra ahafahan’ny mpivady misara-toerana, toy ny rehefa mamono ny iray, na mandà tsy hamelona. * Araka ny voalaza tetsy aloha koa, dia ny fijangajangana ihany no antony amelan’ny Baiboly hisaraham-panambadiana. Tsy tokony hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitry ny hafa anefa ny Kristianina, na dia izany aza. Ilay olona manana olana ara-panambadiana mantsy no hizaka ny vokatry ny fanapahan-keviny, fa tsy ilay nanome torohevitra.​—Galatianina 6:5, 7.

Aza hamaivanina ny sora-panambadiana

Lasa fanaon’ny olona any amin’ny tany sasany ny mampiasa ny sora-panambadiana, mba hahazoan-dalana hipetraka ao amin’ilay tany. Izao no ataon’izy ireo: Matetika no mifanaraka amin’ny teratany iray ilay vahiny fa homeny vola izy, raha manaiky hanambady azy. Tsy miara-mipetraka anefa ireny mpivady ireny matetika, ary angamba aza tsy mpinamana akory, na dia vita soratra aza. Misara-panambadiana izy ireo, avy eo, raha vao azo ilay fahazoan-dalana notadiaviny. Heverin’izy ireo ho toy ny fifanarahana ara-barotra fotsiny ny fanambadiana.

Tsy mampirisika antsika hanamaivana ny fanambadiana toy izany ny Baiboly. Masina eo anatrehan’Andriamanitra ny fanambadiana, ary tokony ho fatorana maharitra izy io, na inona na inona antony hanambadiana. Mpivady foana izay nifanaiky toy izany, ary tsy afaka ny hanambady olon-kafa, raha tsy manana antony araka ny Soratra Masina mamela azy hisara-panambadiana.​—Matio 19:5, 6, 9.

Mitaky ezaka sy faharetana, toy ny amin’ny zavatra hafa mendrika ny hiezahana, ny fananana fanambadiana sambatra. Mora misara-panambadiana, na mety hanaiky tsy satry ny hiaina ao anatin’ny fanambadiana tsy misy fahasambarana, ny olona tsy mihevitra ny fanambadiana ho masina. Izay mihevitra ny fanambadiana ho masina kosa, dia mahafantatra fa antenain’Andriamanitra ny hiarahan’izy ireo foana. (Genesisy 2:24) Takany koa fa manome voninahitra an’ilay Mpanao ny fanambadiana izy, raha manao izay hampilamina hatrany azy io. (1 Korintianina 10:31) Ho voatosika haneho faharetana izy ireo, sady hiezaka hampahasambatra ny fanambadiany, raha mihevitra azy io ho mendri-kaja.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, pejy 10.