Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mponina sy ny Baiboly ary ny Hoavy

Ny Mponina sy ny Baiboly ary ny Hoavy

Ny Mponina sy ny Baiboly ary ny Hoavy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY SOEDA

NISY 1 650 tapitrisa ny isan’ny olombelona tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Lasa 6 000 tapitrisa be izao anefa izany tamin’ny faran’iny taonjato iny. Hitohy foana ve izany fitomboana izany? Mbola hitombo be ihany ve ny isan’ny mponina any aoriana any? Misy manam-pahaizana manokana miezaka mafy mitady ny valin’ireo fanontaniana sarotra ireo. Fanadihadiana momba ny mponina no anaran’ny asa ataony.

Ny tena dinihina amin’izany dia ny isan’ny mponina sy ny salanisany isaky ny velaran-tany voafaritra tsara. Misy fiantraikany eo amin’ny isan’ny mponina ireto zavatra telo manaraka ireto, ka ireo no dinihin’ny manam-pahaizana: ny isan’ny zaza teraka sy ny isan’ny olona maty ary ny isan’ny olona nifindra monina.

Misy koa mpikaroka manadihady momba ny fitomboana sy ny fiovaovan’ny isan’ny mponina tany aloha tany. Mandinika akaiky ny asa soratra fahiny, sisa tavela amin’ny trano na tanàna rava, karana, ary ny rakitry ny ela hafa izy ireo, mba hahafantarany zavatra betsaka araka izay azo atao momba ny kolontsaina taloha. Manombantombana sy mampiasa izay fahalalana efa ananany izy ireo amin’izany. Miaiky anefa ny Bokin-tsarintany Momba ny Isan’ny Mponina Eran-tany Hatramin’izay (anglisy) hoe: “Tsy tena azo itokisana ny hevitra aroson’ireo mpanadihady momba ny mponina fahiny, satria tsy misy fomba hanaporofoana azy, na dia efa mandroso be aza ny siansa sy ny teknika ankehitriny.” Mahaliana ny mpianatra Baiboly anefa ny hevitra aroson’ireny mpikaroka ireny. Matetika aza izany no mifanaraka amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly.

Fitomboan’ny isan’ny mponina taorian’ny Safodrano

Milaza ny Baiboly fa olona valo monja no tafavoaka velona tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Manombantombana ny mpikaroka sasany fa mety ho nahatratra 50 tapitrisa ny isan’ny mponina teto an-tany, 1 400 taona teo ho eo taorian’izay. Azo inoana ve izany fitomboana be izany?

Mariho aloha, fa tombantombana ihany io isa 50 tapitrisa io. Tsara anefa ny manamarika izay voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy 9:1, manao hoe: “Andriamanitra nitso-drano an’i Noa sy ny zanany hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” Lazain’ny toko faha-10 sy 11 avy eo, fa nisy fianakaviana 70 avy tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta zanak’i Noa. Raha manohy mamaky ny toko faha-11 isika, dia hahita ny tetirazan’ny olona, nanomboka teo amin’i Sema hatramin’i Abrahama. ‘Niteraka zazalahy sy zazavavy’ ireo olona ireo. Mety ho maro be àry ny isan’ny zaza teraka tamin’izany, araka ilay didin’Andriamanitra hoe “mamenoa ny tany.”

Nanao ahoana ny habetsahan’ny isan’ny olona maty? Ireo toko ao amin’ny Genesisy ireo ihany dia mampiseho fa lava be ny androm-piainan’ny olona, nandritra ireo an-jatony taona nanarakaraka ny Safodrano. * Mitombo haingana ny isan’ny mponina rehefa maro be ny isan’ny zaza teraka, ary vitsy ny isan’ny olona maty.

Ny fivahinian’ny Israelita tany Ejipta

Tsy inoan’ny mpikaroka sasany ny fitantaran’ny Baiboly fa nitombo haingana ny isan’ny Israelita tamin’izy ireo nipetraka tany Ejipta. Milaza ny Baiboly fa “ny isan’ny terak’i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo”, ankoatra ny vinantony. (Genesisy 46:26, 27) Rehefa nandao an’i Ejipta anefa ny Israelita, 215 taona taorian’izay, dia lasa nisy “lehilahy mahalia làlana tokony ho enina hetsy” be izao teo amin’izy ireo, ankoatra ny ‘zaza amam-behivavy.’ (Eksodosy 12:37) Mety ho nahatratra telo tapitrisa ny Israelita rehetra, raha isaintsika mbamin’ny zaza amam-behivavy! Azo inoana ve izany fitomboana izany?

Mba hamaliana io fanontaniana io, dia andeha hodinihintsika akaiky izay lazain’ny Baiboly momba ny fitomboan’ny Israelita tany Ejipta. Hoy izy: “Ny Zanak’Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.” Niavaka ny fitomboan’ny Israelita tamin’izay fotoana izay.​—Eksodosy 1:7.

Tsara homarihina fa efa nisy fitomboana be toy izany koa tany amin’ny firenena sasany amin’izao andro izao, anisan’izany i Kenya, nandritra ireo taona 1980. Ny tena nampiavaka ny fitomboan’ny Israelita anefa, dia noho izy io naharitra ela.

Manome antony hafa nampitombo haingana ny Israelita koa ny Baiboly. Tsy nisy mosary fony izy ireo tany Ejipta. Iaraha-mahalala fa maro ny olona maty mbola tanora, rehefa misy mosary. Vokatr’izany dia vitsy kokoa ny zaza teraka. Milaza anefa ny Baiboly fa nanana sakafo be dia be ny Israelita. Rehefa tonga tany Ejipta ny fianakavian’i Josefa, dia nilaza taminy i Farao hoe: “Amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy.” (Genesisy 47:6) Toa mbola ampy sakafo ihany ny Israelita, na dia rehefa lasa andevon’ny Ejipsianina aza. Nanembona ny hazandrano, voatango, tongolo isan-karazany, ary ny hena nohaniny tamin’izy mbola andevo mantsy izy ireo, rehefa avy nafahana.​—Eksodosy 16:3; Nomery 11:5.

Nandritra ny taonjato voalohany

Ankoatra izany, dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Soratra Grika Kristianina, ny fanadihadiana momba ny mponina. Haka ohatra iray isika: Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ Rehefa mamaky izany isika, dia mety hanontany tena hoe: ‘Hatraiza no nanaovana io asa fitoriana io?’ (Matio 28:19) Firy ny mponina tany amin’ny Fanjakana Romanina tamin’ny taonjato voalohany? Misy milaza hoe 50 na 60 tapitrisa. Raha marina izany, dia asa lehibe tokoa no niandry ireo mpitory kristianina tamin’izany andro izany!

Raha manohy mamaky ny Soratra Grika Kristianina isika, dia ho hitantsika fa nandeha lavitra ny apostoly Petera, nankany Babylona, mba hitory ny vaovao tsara tany. (1 Petera 5:13) Nahoana anefa izy no nankany? Manampy antsika hahalala izany ny fanazavana ao amin’ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) manao hoe: “Ny toerana be Jiosy indrindra tany ivelan’i Palestina, dia i Syria, Azia Minora, Babylona, ary i Ejipta. Tombanana ho iray tapitrisa avy, fara fahakeliny, ny Jiosy tany amin’ireo faritra ireo.” Koa satria ny Jiosy no tena nasaina nitorian’i Petera, dia ara-dalàna raha nankany amin’ny faritra iray nisy azy ireo izy, izany hoe i Babylona. (Galatianina 2:9) Tsy kely tokoa ny faritany niasan’i Petera, rehefa heverina ny hamaroan’ny Jiosy tany!

Hanao ahoana ny hoavy?

Araka ny hitantsika teo, dia mahaliana an’ireo mpanadihady momba ny mponina ny tsipiriany sasany mahakasika ny fiainan’ny olona taloha. Inona kosa no lazain’izy ireo momba ny hoavy? Misy fanontaniana lehibe apetrak’izy ireo mifandray amin’izany. Hitombo be ve ny isan’ny mponina any aoriana any? Tsy misy mahazo antoka ny amin’izany. Milaza ny mpikaroka sasany fa tsy dia hiova firy ny isan’ny mponina maneran-tany, satria mihamihena ny isan’ny zaza teraka any amin’ny firenena maro.

Tsy manaiky an’izany daholo anefa ny manam-pahaizana. Hoy ny boky Isan’ny Mponina Ankehitriny (anglisy): ‘Azo zaraina roa miavaka tsara ny firenena eran-tany ankehitriny, raha ny fitomboan’ny isan’ny mponina no resahina. Miteraka iray na roa ny ankamaroan’ny mpivady any amin’ny tany sasany, fa miteraka mihoatra ny roa kosa ny ankamaroan’ny mpivady any an-tany hafa. I Eoropa, Etazonia, Kanada, Japon, ary ny firenena sasany mandroso haingana, no ahitana mpivady miteraka iray na roa. Mitombo haingana kosa ny isan’ny mponina any amin’ny ankamaroan’ny tany any Afrika sy Azia ary Amerika Latinina, satria mihoatra ny roa ny zaza ateraky ny mpivady tsirairay. Ny antsasany mahery amin’ny mponina eran-tany no mipetraka any amin’ireo tany ireo, ary efatra eo ho eo ny zaza ateraky ny vehivavy tsirairay.’

Araka izany, na dia nihena aza ny isan’ny mponina any amin’ny tany sasany, dia nitombo na tsy niova firy kosa izany tany an-kafa. Toy izao no ambaran’ilay boky etsy aloha momba ny hoavy: ‘Mbola hitombo haingana ny isan’ny mponina any amin’ny ankamaroan’ny tany an-dalam-pandrosoana. Tena azo antoka anefa fa tsy hihamaro be intsony ny isan’ny mponina eran-tany, raha manao fandaharan’asa haingana sy manokana vola ampy ireo firenena, mba hampihenana ny isan’ny zaza maty sy hampianarana ny vehivavy ary handrindrana ny fiterahana.’

Hihoatra lavitra ny enina arivo tapitrisa ve ny isan’ny mponina eto an-tany? Mbola ho hita eo ihany izany. Fantatsika anefa fa tsy ny hampihoatra ny isan’ny mponina eto an-tany no fikasan’Andriamanitra, fa ny hahafeno azy io kosa. (Genesisy 1:28) Tena afaka matoky isika fa ho tanteraka izany, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Isaia 55:10, 11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Lasa 70 na 80 taona sisa ny androm-piainan’ny olombelona tatỳ aoriana, araka ny tenin’i Mosesy tamin’ny taona 1500 Talohan’i Kristy.​—Salamo 90:10.

[Sary, pejy 20]

Taranak’ireo tafavoaka velona tamin’ny Safodrano ny mponina enina arivo tapitrisa mahery maneran-tany ankehitriny

[Sary, pejy 21]

Tao anatin’ny 215 taona, dia lasa telo tapitrisa teo ho eo ireo Israelita vitsy kely tany Ejipta