Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Tsara Tarehy Fotsiny ve Izy Ireo?

Te ho Tsara Tarehy Fotsiny ve Izy Ireo?

Te ho Tsara Tarehy Fotsiny ve Izy Ireo?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

VOAMARIKAO ve fa toa mandany fotoana be hanadiovana ny tenany amin’ny vavany ny vorona? Mampitsangana ny volony izy ireo isan’andro, ary mandany ora maro amin’izany. Manao toy izany foana na boloky, na pelikana na fody na sama. Nahoana? Te ho tsara tarehy fotsiny ve izy ireo?

Misy antony hafa lehibe kokoa noho izany. Toy ny fiaramanidina mila fikarakarana be, dia mila mandany fotoana hanadiovana ny tenany koa ny vorona. Tena mila mikarakara ny volony ny vorona, satria iankinan’ny ain’izy ireo izany. Mihasimba mantsy ny volony. Rehefa manadio ny tenany amin’ny vavany izy ireo, dia tsy hoe madio sy tsy misy katsentsitra fotsiny ny volony, fa afaka manidina tsara koa izy.

Rehefa manadio ny tenany isan’andro ny vorona, dia “manambatra” ny tsiratsiraka madinika amin’ny volony izay mety hisaratsaraka. Mora manidina kokoa ny vorona, rehefa mitambatra tsara ireo tsiratsiraka amin’ny elany. Manazava ny Boky

Momba ny Vorona any Grande-Bretagne (anglisy) hoe: ‘Karazana volo roa no ilàna fikarakarana manokana: ny volo eo amin’ny elany, izay ahafahany manidina, ary ny volo eo amin’ny rambony, izay ahafahany manova ny lalana alehany.’

Mila manala foana ny katsentsitra ao amin’ny volony koa ny vorona. Sady manimba ny fahasalamany mantsy ireny, no mihinana ny volony koa. Voamarik’ireo mpandinika zavaboary fa raha maratra ny vavan’ny vorona, dia tsy afaka manadio tsara ny tenany izy ireo, hany ka mihabetsaka ny katsentsitra ao aminy. Mba hahamora ny fanalana azy ireny, dia misy vorona manisy vitsika ny tenany, satria toa fanafody mahafaty bibikely ny asidra azo avy amin’ireny vitsika ireny.

Farany, dia ilaina hasiana menaka ireo volo. Lasa tsy tantera-drano ny volon’ireo vorona velona an-drano, raha misy menaka. Voaro amin’ny orana koa ny vorona, raha misy menaka tsara ny volony. Avy aiza izany menaka izany? Misy fihary manokana eo ambony kelin’ny rambon’ny vorona. Izy io no mamorona menaka sy savoka, izay afindran’ny vorona tsikelikely amin’ny volony. Mahazo menaka sy savoka betsaka avy amin’izy io ny volo izay manampy ny vorona hanidina.

Tsy tokony hoheverintsika fa mandanilany fotsiny ny fotoanany àry ireo vorona, rehefa manadio ny tenany. Tsy manatsara ny endriny fotsiny izany, fa mahasalama azy koa. Tena iankinan’ny ain’ny vorona ny fanadiovany ny tenany.

[Kisary/Sary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Tahobe

Tsiratsiraka

Rantsana madinika

Volo manify

[Sary]

Mitambatra tsara ireo tsiratsiraka madinika amin’ny volony, rehefa manadio ny tenany ny vorona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Cortesía del Zoo de la Casa de Campo, Madrid ▸

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Pelikana: Foto: Loro Parque, Puerto de la Cruz, Tenerife; boloky: Cortesía del Zoo de la Casa de Campo, Madrid