Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Valim-bavaka”

“Valim-bavaka”

“Valim-bavaka”

Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Valim-bavaka no niantsoan’ny renin’ny zazalahikely sivy taona, tany Irlandy, azy io. Hoy izy: “Nahalatsa-dranomaso ahy izy io! Tena fitahiana mihitsy ny nahazoana azy io, satria vao tamin’ny herinandro aho no nieritreritra izay boky hiarahako mianatra amin’ny zanako lahy.”

Nanazava ilay vehivavy hoe: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hampianatra ny zanako ireo fahamarinana ara-baiboly, amin’ny fomba tsotra sy manintona. Tsy haiko anefa ny fomba hanaovana izany. Tena valim-bavaka àry ny nahazoana io boky voaravaka sary tsara tarehy io.”

Nanoratra toy izany koa ny reny iray manan-janaka dimy, any Kalifornia, Etazonia. Hoy izy: “Rehefa nody avy any amin’ny fivoriambe izahay, dia namaky sy nijery an’ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ireo zanako telo kely indrindra, sady nifampiresaka izay nanaitra azy tao.”

Hoy koa izy: “Tena faly be mihitsy aho nahazo io boky io. Mitovy amin’ny fifaliana rehefa misy teraka, atao mariazy, atao batisa, ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao izany. Tsy voatery miteny isika indraindray, fa ny ranomasontsika fotsiny dia efa afaka mampiseho amin’ilay Raintsika be fitiavana fa faly isika.”

Hahatsapa toy izany koa angamba ianao, rehefa mandinika sy mianatra io boky 256 pejy io, izay voaravaka sary tsara tarehy. Mitovy habe amin’ity gazety ity izy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.