Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Diabeta Misaotra indrindra noho ireo lahatsoratra mifampitohy hoe “Ampio Ireo Voan’ny Diabeta.” (8 Mey 2003) Voan’ny diabeta Sokajy 1 aho nandritra ny 12 taona, ary notsaboina matetika tamin’ny tsindrona insuline. Tena nanohana ahy ny vadiko. Miara-mianatra ny momba ilay aretina sy miara-mankany amin’ny dokotera izahay, ary mianatra tsy miferinaina koa aho. Mpiandraikitra mpitety faritany aho ka hitako fa maneho hatsaram-panahy sy faharetana bebe kokoa amin’ireo marary, ny Kristianina hafa. Manampy ny marary hiatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana izany. Nanampy ahy hanohy ny fanompoako teo anivon’ireo fiangonana koa izany toe-tsaina izany. Tena tonga tamin’ny fotoana nilako azy ireo lahatsoratra mifampitohy ireo, koa dia mbola mamerina ny fisaorana indray aho.

W. B., Polonina

Famonoan-tena Misaotra indrindra noho ilay andian-dahatsoratra hoe “Mamy ny Miaina.” (8 Novambra 2001) Mafy mihitsy ny fiainako tamin’izaho tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Tena nanampy ahy i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Baiboly sy ireo namana kristianina. Mbola nahatsiaro tena ho tsy nilaina foana anefa aho. Toy ny hoe i Jehovah mihitsy anefa no niresaka tamiko, tamin’izaho namaky ilay faritra voafefy hoe “ ‘Ho Voavela ve ny Heloko Raha efa Nieritreritra An’izany Aho?’ ” Mahafaly tokoa ny mahafantatra fa tsy hadinon’i Jehovah ny olona toa ahy!

S. H., Japon

Tiako holazaina aminareo ny hafaliako rehefa avy namaky an’iny andian-dahatsoratra iny. Tena faly aho fa tsy nanaovana sermonina lava be. Izany mantsy no efa nandrasako raha vao namaky ny lohateny! Te hitomany aho namaky ilay faritra voafefy hoe “ ‘Ho Voavela ve ny Heloko Raha efa Nieritreritra An’izany Aho?’ ” Noho iny lahatsoratra iny, dia vitako ny namboraka izay manjo ahy tamin’ny rahavavy iray. Misaotra anareo niresaka momba an’iny foto-kevitra manahirana iny.

A. F., Frantsa

Novakiko imbalo iny andian-dahatsoratra iny. Nieritreritra ny hamono tena aho, tamin’izaho tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Te ho faty aho tamin’izany. Nanampy ahy io andian-dahatsoratra io hahatakatra fa mamy ny miaina, na dia tsy mahafinaritra aza ny fiainako isan’andro. Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa efa elaela ihany no namakiako ny gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tena olona mahafinaritra ianareo!

S. M., Japon

Vehivavy Vonoin’ny Vadiny Misaotra anareo noho ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny.” (8 Desambra 2001) Milaza ny fanantenana tao anatiko nandritra ny taona maro, ilay lohateny eo amin’ny pejy faha-3, hoe “Mety Hiova Amin’izay Izy Izao.” Tena marina ilay voalaza eo amin’ny pejy faha-4, hoe ilay mpamono indray no angorahana matetika, fa tsy ilay voavono.

S. M., Alemaina

Tena mankahery iny andian-dahatsoratra iny. Mino aho fa nisy olon-kafa koa nitomany tsy laitra nampanginina toa ahy, raha vao nanomboka namaky azy iny, satria tsaroako ny zava-tsarotra sy ny fahoriana nodiaviko taloha. Zava-dehibe amiko ny voalazan’ilay lahatsoratra hoe sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay. Mpitory ny filazantsara manontolo andro aho, ka hitako fa tian’ny olona teny amin’ny faritaniko ny hamaky an’io lahatsoratra io. Nanafatra gazety maromaro fanampiny àry aho. Misaotra indrindra noho ny nanomezanareo fanazavana tena ilaina toy ireny.

K. J., Aostralia

Fanahiana Fito ambin’ny folo taona aho ary manahy foana ny amin’ny fahasalaman’ny reniko, ny entimodiko, ary ny raharaha ao an-trano. Donin’i Neny kely foana aho, isaky ny misy torohevitra momba ny fanahiana resahina any amin’ny fivoriana kristianina. Tena nankasitrahako àry ireo soso-kevitra tsara tao amin’ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanahy Be Loatra?” (8 Oktobra 2001), toy ilay hoe ilaina hofantarina izay zavatra tokony hatao voalohany, sy ilay hoe tsy tokony hangataka andro fa hatao foana na asa tsy mahafinaritra aza. Misaotra noho iny lahatsoratra iny.

H. H., Etazonia

Raim-pianakaviana aho sady anti-panahy, ka hitako fa manahy ny amin’ny hoavy ny tanora. Tsara ilay torohevitrareo hoe tokony horesahina amin’ny ray aman-dreny ilay zava-manahirana ary tokony halamina avy hatrany. Misaotra anareo fa miahy ny tanora foana ianareo.

R. H., Kanada