Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Inona no nanaovana ny faladia niorenan’ny tabernakely? (Eksodosy 26:19-32)

2. Inona no iantsoana ilay fanafahana ny firenen’ny Israely avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta? (Hebreo 11:22)

3. Araka ny efa nolazain’i Jesosy, impiry i Petera no handa azy? (Matio 26:75)

4. Inona ireo zavatra telo hampiavaka ny fiangonana kristianina rehefa ho foana ny fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy? (1 Korintianina 13:13)

5. Nahoana no hadalana ny manompo sampy? (Salamo 115:4-8)

6. Inona no torohevitra momba ny akanjo nomen’i Paoly ny vehivavy kristianina? (1 Timoty 2:9, 10)

7. Nahoana i Paoly no nihevitra ny tenany ho “kely indrindra amin’ny apostoly”? (1 Korintianina 15:9)

8. Inona no fiadiana nampiasain’i Samsona hamonoana Filistinina 1 000 lahy? (Mpitsara 15:15)

9. Inona ilay bibikely natao sakafo tany Moyen-Orient, nandritra ny taonjato maro? (Levitikosy 11:22)

10. Inona no fanambarana momba an’i Jesosy nataon’i Jaona Mpanao Batisa, nandritra ny roa andro nifanesy? (Jaona 1:29, 35, 36)

11. Inona ireo taova ao amin’ny faritra anatiny indrindra amin’ny vatantsika ary ampiasain’ny Baiboly mba hilazana ny eritreritra sy ny fihetseham-pontsika lalina indrindra? (Apokalypsy 2:23)

12. Iza no nipetraka nanodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah, tao amin’ny fahitana nomena an’i Jaona? (Apokalypsy 4:4)

13. Inona ilay voa nolazain’i Jesosy fa ‘kely indrindra amin’ny voa rehetra’? (Marka 4:31)

14. Iza ireo roa lahy nasain’i Paoly ‘hankany aminy haingana araka izay azo atao’, rehefa tonga tao Atena izy tamin’ny dia misionera faharoa nataony? (Asan’ny Apostoly 17:15)

15. Iza ilay Fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra? (Joba 1:6)

16. Iza no diso hevitra ka nibedy an’i Hana, vehivavy marina, satria nihevitra azy ho mamo? (1 Samoela 1:12-16)

17. Iza ilay ‘lehilahy tena ratsy fanahy’ nikomy tamin’i Davida, ka nitaona ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely hanaraka azy, afa-tsy ny lehilahy tamin’ny Joda? (2 Samoela 20:1, 2)

18. Tsy nalahelo ny mana izay nomena azy tamin’ny fomba nahagaga ny Israelita. Inona tamin’ny zavatra nohaniny tany Ejipta kosa no nalahelovany, fony izy tany an’efitra? (Nomery 11:5)

[Efajoro, pejy 20]

Valiny

1. Volafotsy

2. Ny Eksodosy

3. Intelo

4. Finoana, fanantenana, ary fitiavana

5. Tsy manana aina izy ireo, namboarin’olombelona

6. Tokony hilamina tsara sy maotina ilay izy, “hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra”

7. Satria “nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra” izy

8. “Valanoranom-boriky vaovao”

9. Ny valala

10. “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!”

11. Ny voa

12. Anti-panahy 24 no hitan’i Jaona, ka izy ireo dia mifanitsy amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy voahosotra, eo amin’ny toerany any an-danitra

13. “Voan-tsinapy”

14. Silasy sy Timoty

15. Satana

16. Ely Mpisoronabe

17. Seba

18. Hazan-drano, voatango sy tongolo isan-karazany