Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao Raha Manirery?

Inona no Atao Raha Manirery?

Inona no Atao Raha Manirery?

TSY mora ny miezaka mba tsy hahatsiaro ho manirery, satria tena mafy izy io. Inona àry no azo atao? Inona no nataon’ny olona sasany?

Inona no nataon’izy ireo?

Tian’i Helen * ny mipetraka irery rehefa handray fanapahan-kevitra sasany. Mahatsapa anefa izy fa mety hanimba ny olona ny fahatsiarovana ho manirery. Tsy nifampiresaka firy i Helen sy ny ray aman-dreniny tamin’izy mbola kely. Tsy hitany izay fomba hiresahana tamin’izy ireo, ka naleony nihidy tao an’efitra fatoriany. Hoy izy: “Nanomboka tsy nisakafo ara-dalàna aho. Tena ketraka aho. Niteny anakampo aho hoe: ‘Inona moa no hivakiako loha amin’ny zava-manahirana ny ray aman-dreniko? Ry zareo aza tsy mivaky loha amin’ny ahy.’ Nihevitra aho avy eo fa mety tsy hanirery intsony raha manambady. Naniry ny hanambady àry aho. Tonga saina anefa aho, ka hoy aho hoe: ‘Sao dia mety hanimba ny fiainan’ilay ho vadiko fotsiny aho? Aleo mihitsy aloha hahitsiko ny toe-tsaiko!’ Nangataka ny fanampian’i Jehovah tamin’ny vavaka aho. Nolazaiko taminy daholo ny fahoriako.”

“Nahita teny tena nampahery aho tao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny Isaia 41:10 manao hoe: ‘Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.’ Tena nampionona ahy ireo teny ireo, satria toy ny hoe tsy nanan-dray ny niheverako ny tenako. Mamaky ny Baiboly tsy tapaka aho izao, ary mivavaka amin’ilay Raiko any an-danitra. Haiko izao hoe inona no atao rehefa mitady hahatsiaro ho manirery aho.”

Malahelo ny olona rehefa maty ny havan-tiany. Mety hahatonga azy hahatsiaro ho manirery koa izany. Mitantara ny fahoriany toy izao i Luisa, 16 taona: “Nisy namono ny dadako tamin’izaho dimy taona. Nitady fampiononana tany amin’ny bebeko aho, nefa tsy nahatsapa mihitsy aho hoe tia ahy izy. Tamin’ny fahazazako no tena nilako fitiavana, nefa tsy dia nahazo an’izany aho. Nanandrana namono tena intelo aho tamin’izaho efa ho feno sivy taona. Nieritreritra mantsy aho hoe tsara kokoa ho an’ny fianakaviako raha maty aho, satria sahirana be mihitsy i Neny nitady sakafo ho anay efatra mirahavavy. Nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay avy eo. Nisy mpivady tanora tena tia ahy. Niteny tamiko foana ry zareo hoe: ‘Faly izahay manana anao. Tena sarobidy aminay ianao.’ Tena nampahery ahy ilay teny hoe: ‘Tena sarobidy aminay ianao.’ Tsy mahavita mamboraka ny ao am-poko amin’ny olona aho indraindray. Misaotra an’i Jehovah anefa aho rehefa mamaky lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Hitako avy amin’ireny mantsy fa tia ahy izy. Nanao fiovana be dia be aho. Mahavita mitsiky aho izao, ary mahavita mamboraka ny alaheloko sy ny fifaliako amin’i Neny. Mahatsiaro ny lasa aho indraindray, nefa tsy mampijaly ahy intsony toy ny taloha izany. Nanandrana namono tena aho mantsy taloha, na tsy niresaka intsony tamin’ny fianakaviako, rehefa nijaly. Tadidiko foana ny tenin’i Davida mpanao salamo hoe: ‘Noho ny rahalahiko sy ny namako no hanaovako hoe: Fiadanana anie ho ao anatinao.’”—Salamo 122:8.

Efa 22 taona izao i Martha no nisara-panambadiana. Namelona zaza iray izy nandritra izany fotoana izany. Hoy izy: “Mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny sy manirery aho isaky ny mieritreritra fa nisy zavatra tsy nahomby teo amin’ny fiainako.” Inona no nataon’i Martha? Hoy izy: “Ny miresaka ilay izy avy hatrany amin’i Jehovah Andriamanitra no hitako hoe tsara indrindra. Fantatro fa tsy irery intsony aho, rehefa mivavaka. Mahafantatra ahy bebe kokoa noho ny tenako mantsy i Jehovah. Miezaka mitady fomba hanampiana ny olon-kafa koa aho. Tena mahasoa ahy koa ny fanompoana manontolo andro ataoko. Manana antony tsara haniriana ho velona sy hiadiana amin’ny fahakiviana ianao, rehefa mahita fa tena mila ilay vaovao tsaran’ny Fanjakana entinao ny olona. Very fanantenana tanteraka mantsy izy ireo sady tsy mahita vahaolana mihitsy.”

Nahatsiaro ho nanirery koa i Elba, 93 taona, rehefa lasa misionera tany an-tany hafa ny zanany vavy tokana. Tantarainy hoe inona no nataony. Hoy izy: “Hitako soritra teny amin’ny tarehin’ny zanako vavy sy ny vadiny ny hafaliana, rehefa nahazo fanasana hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy ireo. Niaraka nifaly tamin’izy ireo aho. Rehefa nahazo ny fanendrena azy hanompo tany an-tany hafa anefa izy ireo, dia tsapako fa somary tia tena aho. Fantatro fa tsy ho eto akaikiko intsony ry zareo, ka nalahelohelo aho. Nitovy tamin’ny tantaran’i Jefta sy ny zanany vavy tokana, voalaza ao amin’ny Mpitsara toko faha-11, no fahitako an’ilay zava-nitranga. Tsy maintsy nivavaka tamin’i Jehovah aho sady nitomany, mba hangataka ny famelany. Mifandray amiko foana ny zanako. Fantatro fa tena be atao ry zareo, nefa na aiza na aiza anompoany, dia tsy maintsy maka fotoana anoratana amiko izy, mba hitantarany ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana. Averimberiko vakina ny taratasin-dry zareo. Toy ny hoe miresaka amiko isan-kerinandro ry zareo, ka tena ankasitrahako izany. Karakarain’ny anti-panahy kristianina eo anivon’ny fiangonanay tsara koa ny zokiolona toa anay sy ny osa. Ataon’izy ireo azo antoka fa misy mitondra amin’ny fiara izahay, rehefa mankany amin’ny fivoriana kristianina. Manome izay zavatra hafa ilainay koa izy ireo. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ny anadahiko sy rahavaviko kristianina.”

Mahavita toa azy ireo koa ianao

Misy zavatra maro azonao atao raha tsy te hanirery firy intsony ianao, na tanora ianao na antitra, na mpitovo na manambady, na mbola velon-dray aman-dreny na efa kamboty, na maty havan-tiana, na miatrika toe-javatra hafa. Nandao ny ankohonany nisy enina mianaka, ka nankany an-tany hafa ny rain’i Jocabed, tovovavy 18 taona. Hoy i Jocabed: “Aza misalasala mamboraka ny ao am-ponao! Tena mila manao izany isika. Raha tsy izany, dia tsy hisy hahatakatra izay manjo antsika.” Hoy koa izy: “Aza mieritreritra be loatra momba ny tenanao. Mangataha fanampiana amin’ny olona matotra, fa tsy amin’ny tanora. Mety ho ratsy noho ny anao mantsy ny zavatra manjo an’ireny tanora ireny.” Hoy i Luisa, voaresaka tetsy aloha: “Manampy antsika ny mivavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah, rehefa very hevitra tanteraka isika.” Maty ny vadin’i Jorge. Resahiny amintsika izay nataony, mba tsy hahatonga azy hahatsiaro ho manirery firy intsony. Hoy izy: “Miezaka ny tsy hilavo lefona mihitsy aho. Tena manampy ahy koa ny fiahiana ny hafa. Raha ‘miara-ory’ amin’ny olona isika, rehefa miresaka aminy, dia ho hitantsika ny toetra tsarany, ary hisy heviny ny resaka ataontsika.”—1 Petera 3:8.

Betsaka àry ny zavatra azonao atao, raha tsy te hanirery firy intsony ianao. Tsy hisy intsony ve anefa ny olona manirery indray andro any? Raha eny, ahoana no hahatanterahan’izany? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Manampy antsika ny mivavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah, rehefa very hevitra tanteraka isika.”—Luisa

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Inona no Azonao Atao Raha Manirery Ianao?

◼ Tadidio fa mpanjo ny olon-kafa koa ilay izy, ary misy vahaolana.

◼ Aza mitaky zavatra be loatra amin’ny tenanao.

◼ Mifantoha amin’ny lafiny tsara amin’ny fiainanao.

◼ Tandremo tsara foana ny sakafonao. Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka ary miezaha mba ho ampy torimaso.

◼ Ampiasao hamoronan-javatra sy hianarana zava-baovao ny fotoana maha irery anao.

◼ Mitandrema mba tsy hitsara ny olona araka ny zavatra efa niainanao taloha.

◼ Ankamamio ny namanao sy ny toetra tsara mampiavaka azy. Miezaha hanana namana tsara vitsivitsy. Mangataha torohevitra amin’ny olon-dehibe sy za-draharaha ny amin’ny fomba hananana namana tsara.

◼ Manaova zavatra ho an’ny hafa. Azonao atao ny mitsiky aminy, na manao teny maneho hatsaram-panahy, na miresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly aminy. Manampy antsika tsy hahatsiaro ho manirery ny fahatsapantsika fa ilaina isika.

◼ Aza manonofy hoe ho lasa naman’ny olo-malaza ao amina boky na teatra na filma na ao amin’ny Internet.

◼ Raha manambady ianao, dia aza manantena hoe haneho ny fihetseham-po rehetra antenainao aminy ny vadinao. Mianara mandefitra sy mifanampy ary mifampahery.

◼ Mianara miresaka amin’ny olona. Mianara mihaino tsara. Manehoa fiheverana ny olon-kafa sy ny zavatra mahaliana azy. Mahaiza miara-miory aminy.

◼ Ekeo fa manirery ianao, ka resaho amin’ny namana matotra sy atokisanao izany. Aza tazonina ho anao samirery ny fahorianao.

◼ Fero ny zava-pisotro misy alkaola sotroinao, na aza misotro mihitsy. Tsy manafoana ny zava-manahirana izy ireny. Tsy maintsy hiverina indray ilay zava-manahirana rehefa afaka kelikely.

◼ Aza be hambom-po. Mamelà an’izay diso taminao, ary miezaha mihavana tsara aminy indray. Aza miahiahy azy.

[Sary, pejy 6]

Inona no azon’ny olona iray atao raha tsy te hanirery firy intsony izy?