Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Izy no Mampijaly Ahy toy Izao?

Nahoana Izy no Mampijaly Ahy toy Izao?

Manontany ny Tanora Hoe. . .

Nahoana Izy no Mampijaly Ahy toy Izao?

“Manakiana ahy foana amin’ny zavatra tsisy dikany [ilay ankizilahy miaraka amiko]. Kanefa tsy te hisaraka aminy aho.”—Kathrin. *

“Ohatra ny hoe [tsy maninona] aho raha jerena etỳ ivelany, nefa mijaly raha ny marina.”—Andrea, izay nofelahin’ilay ankizilahy miaraka aminy.

TENA fahita ny zavatra toy izany: Miaraka amin’ny ankizilahy toa tsara tarehy sy mahafinaritra be ny ankizivavy iray. Manomboka miova tsikelikely anefa ilay ankizilahy. Lasa fanesoana sy fanakianana manambany ireo teny nahafinaritra. Tsy nampaninona an’ilay ankizivavy izany tamin’ny voalohany. Noheveriny hoe mivantambantam-piteny izy, kanefa tsy masiaka raha ny marina. Lasa mateti-pitranga anefa ny teny mahery sy ny fipoahan’ny fahatezerana ary ny fialan-tsiny. Mihevitra ilay ankizivavy fa izy ihany angamba no mahatonga izany, ka tazoniny ho azy irery ny fahoriany. Manantena izy mantsy fa mety mbola hiova ny toe-javatra. Tsy izany anefa no mitranga. Lasa mivazavaza sy milelalela indray izao ilay ankizilahy. Atosiny mafy be mihitsy ilay ankizivavy rehefa tena tezitra izy! Matahotra ilay ankizivavy sao hamono azy izy any aoriana any. *

Raha toa ka misy vono na teny mamelively mandritra ny fiarahana, dia mety tsy ho indray mandeha fotsiny izany, fa fanakianana sy teny mandratra ary hatezerana miverimberina. Toy izany ve ny toe-javatra misy anao? (Jereo ilay efajoro hoe: “Famantarana ho Fampitandremana.”) Raha izany no izy dia mety tena hijaly sy ho sanganehana ianao, ka tsy ho hitanao izay hatao.

Tsy mahalana araka ny mety hiheveranao azy ny toe-javatra toy izany. Mihevitra ny mpikaroka fa olona 1 ao anatin’ny 5 no efa niaraka tamin’ny olona mahery setra. Mitombo ho 4 ao anatin’ny 5 izany raha heverina ho endriny iray amin’ny herisetra koa ny teny mamelively. Tsy ny vehivavy ihany anefa no iharan’izany, araka ny hiheveran’ny ankamaroan’ny olona. ‘Mitovitovy ihany ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy’ izay milaza fa efa nampijaly ny olona niaraka taminy, araka ny fikarohana natao tany Grande-Bretagne. *

Nahoana no misy maneho fihetsika ratsy toy izany mandritra ny fiarahana? Inona no tokony hataonao raha mitovy amin’izany ny toe-javatra misy anao?

Fantaro ny fihevitr’Andriamanitra

Tsy maintsy ekenao aloha fa raharaha lehibe izany amin’Andriamanitra. Marina fa tsy lavorary isika ka mirona hiteny na hanao zavatra mety handratra ny hafa. (Jakoba 3:2) Ary na ny olona mifankatia sy mifampatoky aza dia mety tsy hifanaraka indraindray. Kristianina matotra, ohatra, i Paoly sy Barnabasy. “Nisafoaka mafy” anefa izy roa lahy, indray mandeha. (Asan’ny Apostoly 15:39) Koa mety hisy ny fihenjanana rehefa miaraka amin’ny olona ianao.

Tsy afaka manantena koa anefa ianao hoe tsy hanakiana anao mihitsy ilay ankizilahy iarahanao. Efa hivady ianareo izao. Noho ny fitiavana àry no hilazany aminao izay toetra na fahazaranao tsy azoazony. Marina fa mankarary fo ny fanakianana. (Hebreo 12:11) Tsy natao hanevatevana anefa izany raha atosiky ny fitiavana sy atao amim-pitiavana.—Ohabolana 27:6.

Raha misy fivazavazana na famelezana tehamaina na totohondry na fanompana kosa mandritra ilay fiarahana, dia zavatra hafa tanteraka izany. Melohin’ny Baiboly mantsy ny “fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta.” (Kolosianina 3:8) Tezitra i Jehovah rehefa misy olona manampatra ny heriny mba hampietrena, hampitahorana, na hampahoriana, ny hafa. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Mandidy ny lehilahy manambady ny Baiboly mba ho ‘tia ny vadiny tahaka ny tenany, satria tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa, ary mikarakara azy amim-pitiavana.’ Asehon’ny lehilahy izay manao teny mahery na manevateva an’ilay vehivavy iarahany fa tsy ho vady mendrika izy. Mampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitra koa izy amin’izay!

Tsy ianao ihany ve no mahatonga izany e!

Matetika anefa ilay mpampijaly no manome tsiny an’ilay olona ampijaliny. Koa mihevitra angamba ianao indraindray, fa noho ianao no mahatonga ilay ankizilahy ho tezitra be. Nefa mety tsy ho ianao loatra, na tsy ho ianao mihitsy no mahatonga azy ho tezitra. Matetika no notezaina tao amin’ny fianakaviana misy herisetra na mpanevateva ireny lehilahy mpampijaly ireny, ka lasa ara-dalàna aminy izany. * Toa tsy mampaninona raha manjakazaka ny lehilahy any amin’ny kolontsaina sasany, ka misy heriny eo amin’ny ankizilahy izany. Mety ho ny fanerena avy amin’ireo mitovy taona aminy koa no mahatonga ny ankizilahy sasany hiseho ho mafy be. Na koa tsy matoky tena izy ka mety hampanahy azy daholo ny zavatra teneninao na ataonao.

Na ahoana na ahoana, dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fipoahan’ny fahatezeran’ny olon-kafa ianao. Tsy azo hamarinina mihitsy ny herisetra sy ny fanevatevana.

Ovay ny fihevitrao

Mety hilainao ihany koa anefa ny manitsy ny fiheveranao. Fa nahoana? Raha nihalehibe tao amin’ny tontolo iray feno herisetra sy mpampiasa teny maharary ny ankizivavy iray, dia mety ho ara-dalàna aminy ny fampijaliana. Tsy mankahala izany toetra tsy mendrika ny Kristianina izany izy, fa mandefitra. Mety ho tena tiany aza angamba ilay izy. Miaiky mihitsy ny ankizivavy sasany izay ampijalina, fa mankaleo azy ny lehilahy tsara fanahy loatra. Ny hafa indray diso hevitra ka mino fa afaka hanova ilay ankizilahy izy.

‘Miovà ka havaozy ny sainao’ raha tafiditra amin’ny iray amin’ireo sokajin’olona ireo ianao. (Romanina 12:2) Mivavaha sy mianara ary makà fotoana hisaintsainana dia hanana ny fihevitr’i Jehovah momba ny fampijaliana ianao. Tena ilainao izany. Ho hitanao amin’izay fa maharikoriko io fanao io. Tokony ho takatrao fa tsy tokony hoentina amin’ny fomba ratsy ianao. Raha miezaka mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitanao ianao, dia ho tsapanao fa tsy ho afaka hanova azy ianao. Izy mihitsy no mila miova!—Galatianina 6:5.

Miaritra fampijaliana ny ankizivavy sasany satria mahatsiaro ho tsy misy vidiny. Hoy i Kathrin, voaresaka tetsy aloha: “Tsy vitako ny hisaraka aminy, ary tsy hinoako hoe hahita olon-kafa tsara noho izy aho.” Mitovy amin’izany koa no nolazain’i Helga momba ny ankizilahy miaraka aminy: “Aleoko ihany vonoiny toy izay tsy hisy ankizilahy hiaraka amiko intsony.”

Hahomby ve ny fiarahanareo raha toy izany ny fihevitrao? Raha ny marina, afaka ny ho tena tia olona ve anefa ianao, raha ny tenanao aza tsy tianao? (Matio 19:19) Miezaha hahatsiaro ho misy vidiny. * Tsy ho vitanao anefa izany raha mbola miaritra fampijaliana ianao. Efa nanjo an’i Irena izany ka hoy indrindra izy: “Tsy mahatsiaro ho misy vidiny intsony ianao”, raha miaritra fampijaliana.

Jereo ny zava-misy

Mety ho sarotra amin’ny sasany ny miaiky fa tsy mahasoa azy ilay fiarahana, indrindra raha efa tena raiki-pitia izy. Aza odian-tsy hita anefa ny marina. Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3) Hoy ny ankizivavy antsoina hoe Hanna: “Toy ny jamba mihitsy ianao rehefa tia ankizilahy iray, ka ny toetrany tsara ihany no hitanao.” Zava-dehibe anefa ny hahafantaranao ny tena toetrany, raha mampijaly anao izy. Tsy azo ekena mihitsy ny fihetsiny raha toa ka mandrahona, na manambany anao izy. Aza hamaivanina ny zavatra tsapanao, ary aza manala tsiny azy, na manameloka ny tenanao. Vao mainka hiharatsy mantsy ny toe-javatra raha avela amin’izao, satria tena hanimba anao izany!

Mazava ho azy fa ny tsy fiarahana amin’ny olona tsy mahafehy tena no tsara indrindra. (Ohabolana 22:24) Fahendrena àry ny mamantatra mialoha ny toetran’ilay olona te hiaraka aminao. Maninona raha ilazana izy hoe aleo miaraka amin’ny olona maromaro amin’ny voalohany, mba hifankahalalanareo tsara? Hanampy anao izany mba hahafantarana azy bebe kokoa, nefa tsy ho raiki-pitia aminy haingana loatra. Manontania tena hoe: Iza avy no namany? Inona no karazana mozika, na filma, na lalao amin’ny ordinatera, na spaoro tiany? Hita amin’ny resaka ataony ve fa tia manao zavatra mifandray amin’ny fivavahana amin’i Jehovah izy? Miresaha amin’ny olona mahafantatra azy, ohatra, ny anti-panahin’ny fiangonany. Holazain’izy ireo aminao raha “tsara laza” izy, satria matotra sy tsara fitondran-tena.—Asan’ny Apostoly 16:2.

Inona kosa no azonao atao raha efa miaraka amin’ny olona mampijaly anao ianao? Hodinihina ao amin’ny nomerao manaraka io fanontaniana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Natao indrindra ho an’ireo olona ampijalina sy hanaovana teny mamelively ity lahatsoratra ity. Misy torohevitra ho an’ireo mpampijaly ao amin’ny lahatsoratra hoe “Halaviro ny Teny Mandratra” sy “Mpampijaly Kely—Tena Ratsy Ve?” ao amin’ny nomerao 8 Jona 2003 sy 8 Aprily 1997.

^ feh. 7 Ho fanatsorana, dia holazainay hoe vehivavy no iharan’ny fampijaliana. Mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy anefa ny toro lalana resahina ato.

^ feh. 14 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fanalana Sarona ny Fototry ny Fitenenan-dratsy” ao amin’ny nomerao 8 Novambra 1996.

^ feh. 20 Jereo ny toko faha-12 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 23]

Famantarana ho Fampitandremana

◼ Matetika izy no manambany anao, ny fianakavianao, na ny namanao, rehefa irery ianareo na miaraka amin’ny olon-kafa

◼ Matetika izy no tsy miraharaha ny fanirianao sy ny fihetseham-ponao

◼ Tadiaviny hofehezina ny tsipiriany rehetra amin’ny fiainanao. Tiany ho fantatra daholo ny toerana alehanao, ary izy foana no manapa-kevitra ho anao

◼ Vazavazainy ianao, atositosiny, na ampitahoriny

◼ Tambatambazany ianao mba hanao zavatra tsy mety

◼ Na inona na inona ataonao dia manahy foana ianao sao hahatezitra azy

[Sary, pejy 22]

Mety ho famantarana ny fiarahana tsy mahasoa, ny fanakianana na fanompana foana