Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?

Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?

Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?

MARO ankehitriny ny olona manirery. Avy amin’ny sokajin-taona, firazanana, saranga, ary fivavahana rehetra izy ireo. Efa mba nanirery ve ianao? Manirery ve ianao izao? Raha ny marina, dia efa nisy fotoana nilantsika rehetra namana, dia olona toy izao: Mihaino tsara sy manome toky antsika ary mihevitra ny fihetseham-pontsika. Na angamba olona mahazo tsara ny ao am-po sy ao an-tsaina ary ny toetrantsika.

Tsy voatery hanirery anefa isika, na dia irery aza. Misy olona irery mandritra ny fotoana lava be, nefa mankafy ny fiainany, ary tsy mahatsiaro ho manirery mihitsy. Misy anefa olona tsy mahatanty an’izany hoe irery izany. Hazavain’ny diksionera iray fa irery ny olona, rehefa tsy misy olona manodidina azy, nefa tsy voatery hijaly izy. Ny olona mahatsiaro ho manirery kosa, dia ny olona kivy satria irery. Ory sy mijaly be ary malahelo ny sasany, ka mitady namana mafy, dia namana tsotra sy be fitiavana, izay hampionona sy hahafaly azy indray. Ny hafa kosa anefa mifidy ny ho irery.

Mafy izany hoe manirery izany. Mety hampijaly be izy io, rehefa mandeha ny fotoana. Tsapanao hoe misy banga ny fiainanao. Mahatsiaro hoe tafasaraka amin’ny olon-kafa ianao. Lasa mora malahelo sy matahotra ianao. Efa nahatsapa toy izany ve ianao? Inona no mahatonga izany?

Tsy mitovy ny vokatry ny zava-manahirana sy ny toe-javatra sasany eo amin’ny olona. Angamba ianao mahatsapa hoe ihatakatahan’ny olona

noho ny bika aman’endrikao na ny firazananao na ny fivavahanao. Mety hahatsiaro ho manirery koa ianao, rehefa misy fiovana eo amin’ny fiainanao. Angamba nifindra sekoly ianao, na nanomboka asa vaovao, na nifindra tany amin’ny tanàna na firenena hafa. Tsy maintsy nilaozanao mantsy ny namana efa nahazatra anao. Mety hahatsiaro ho manirery koa ny olona maty ray aman-dreny na maty vady. Angamba maharitra taona maro mihitsy izany. Ankoatra izany, dia miova na mihena na tsy misy intsony ny namantsika sy ny olom-pantatsika, rehefa mihantitra isika.

Tsy voatery hamaha ireo olana ireo ny fanambadiana. Mety tsy hifanara-kevitra na hiady matetika ny mpivady, ka mety ho samy sorena, ary hisalasala raha tena mifankatia na tsia. Mety hifampihatakataka mihitsy aza izy roa sy ny ankizy. Araka ny hitantsika teo, dia mety hahatsiaro ho manirery ny olona, rehefa maty ny havan-tiany na nisara-panambadiana izy, na tsy manana namana, na koa tsy misy olona mahafantatra ny fihetseham-pony. Mety hahatsiaro ho manirery koa anefa isika, rehefa tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra intsony, ka mahatsapa hoe tafasaraka aminy, ary mety ho tena mafy amintsika izany.

Efa nitranga taminao ve ireo toe-javatra ireo? Azo atao ve ny mandresy azy ireo?

[Sary, pejy 4]

Mety ho manirery ny olona noho ny fiovana eo amin’ny fiainany, toy ny fifindrana sekoly na fahafatesan’ny vady