Rehefa Tsy Hisy Olona Manirery Intsony
Rehefa Tsy Hisy Olona Manirery Intsony
TANTARAIN’NY Genesisy 2:18 fa nilaza toy izao i Jehovah Andriamanitra, rehefa avy namorona ny olombelona voalohany: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” Noforonina hiaraka sy hiankina amin’ny olon-kafa ny olombelona.
I Jehovah Andriamanitra no tena azontsika atao Namana akaiky indrindra. Niaiky ny apostoly Paoly fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, ka ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra.’ (2 Korintianina 1:3, 4) Malahelo mihitsy aza i Jehovah rehefa misy mpanompony mijaly. Andriamanitra mahay miara-miory izy. “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14) Tsy voatosika hanatona sy hankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra ve ianao noho ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny ary ny fiahiany?
Ampaherezin’i Jehovah ny olona manirery
Maro tamin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny no nahatsiaro ho manirery tamin’ny toe-javatra sasany. Nampahery sy nampionona azy ireny i Jehovah. Anisan’izany i Jeremia. Notendrena ho mpaminany izy tamin’izy mbola tovolahy. Izy angamba no tena niresaka be indrindra momba ny fihetseham-pony, raha oharina amin’ireo lehilahy 40 nanoratra ny Soratra Masina. Tsy nanana herim-po izy sady nieritreritra hoe tsy nahay, rehefa nahazo fanendrena voalohany avy tamin’Andriamanitra. (Jeremia 1:6) Tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izy, mba hanatontosana izany fanendrena izany. Nomba azy “toy ny lehilahy mahery mahatahotra” tokoa àry i Jehovah.—Jeremia 1:18, 19; 20:11.
Tokony ho 300 taona talohan’ny nahaterahan’i Jeremia, dia nivoady ny Mpanjakavavy Jezebela fa tsy maintsy hamono an’i Elia, rehefa reny fa maty ny mpaminanin’i Bala andriamaniny. Nandositra 450 kilaometatra, tany Horeba, any amin’ny Saikinosin’i Sinay, i Elia! Rehefa tonga tany izy, dia niditra tao anaty zohy mba handany ny alina. Nanontany azy i Jehovah tamin’izay hoe: “Manao inona atỳ hianao, ry Elia?” Nanazava i Elia hoe toa izy irery no mpivavaka tamin’i Jehovah nanerana ny Israely. Toa izy irery koa sisa no mpaminany nafana fo tamin’ny fanompoana azy. Nanome toky azy i Jehovah fa tsy irery akory izy. Nomba azy foana i Jehovah. Nilaza koa i Jehovah fa nisy Israelita 7 000 tsy nivavaka tamin’i Bala toa an’i Elia, na dia tsy fantany aza. Nampionona an’i Elia sy nanatanjaka ny finoany i Jehovah. Nanohina ny fon’i Elia izy, ary nampahery azy, mba tsy hiala tamin’ny fanendrena azy. (1 Mpanjaka 19:4, 9-12, 15-18) Raha sendra manirery na tsy misy vidiny toa an’i Elia isika, dia afaka mivavaka amin’i Jehovah mba hampahery antsika. Raha mahatsikaritra olona mahatoky, nefa manirery ny anti-panahy kristianina, dia azony atao ny manao teny mampahery azy. Ataony izay hahatakarany fa manana andraikitra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra izy.—1 Tesalonianina 5:14.
Hitantsika avy amin’ireo ohatra ireo sy ny hafa koa, fa vonona hanatanjaka sy hampiseho fitiavana ary hampionona an’ireo olona manirery i Jehovah. “Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy.”—Salamo 9:9; 46:1; Nahoma 1:7.
Lehilahy tsy mafy fo fa mangoraka
Anisan’ny olona mendri-piderana i Jesosy Kristy, satria voalanjalanjany tsara toy ny an’i Jehovah ny fanehoany ny fihetseham-pony. Tantarain’i Lioka toy izao ny fihetsiny rehefa nifanena tamin’ny olona handevina izy, tany an-tanànan’i Naina: “Nisy faty nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan-dreniny. ... Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka azy ka Lioka 7:12-15) Tena nihetsi-po i Jesosy tamin’io fotoana io. Lehilahy mangoraka izy. Eritrereto ny fifalian’ilay mpitondratena manirery, rehefa natsangan’i Jesosy ny zanany, ka natolony azy! Tsy nanirery intsony izy.
nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ Dia nanatona izy ka nikasika an’ilay filanjana faty ary nijanona ny mpilanja. Koa hoy izy: ‘Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.” (Tena mampahery koa ny mahafantatra fa “mangoraka antsika amin’ny fahalementsika” i Jesosy. Tena mangoraka an’ireo olo-marina nefa manirery izy. Amin’ny alalan’i Jesosy, dia azontsika atao ny ‘mahazo famindram-po ary anehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.’ (Hebreo 4:15, 16) Afaka manahaka an’i Jesosy isika, ka hangoraka an’ireo mijaly mafy sy ory ary manirery. Azo antoka fa tsy dia hanirery firy isika, raha manampy ny hafa. Kanefa, mbola misy zavatra hafa, izay afaka manampy antsika mba hahatonga antsika tsy hanirery firy.
Afaka manampy antsika ny Tenin’i Jehovah
Maro no nahita fa nanjary ‘nanana fanantenana’ izy ireo noho ny “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Feno torohevitra mahasoa, izay afaka manampy antsika tsy hanirery firy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Romanina 15:4; Salamo 32:8) Mampirisika antsika, ohatra, izy io mba tsy ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’ (Romanina 12:3) Angamba mila manitsy ny toe-tsaintsika isika ho fampiharana io torohevitra io. Azo antoka fa tsy hanantena isika hoe tsy maintsy hahavita zavatra miavaka be, raha manetry tena, izany hoe manaiky fa voafetra ny mety ho vitantsika. Manoro hevitra antsika koa ny Tenin’Andriamanitra mba hihevitra amim-pahatsorana izay hahasoa ny olon-kafa. (Filipianina 2:4) Raha manao izany ianao, dia hanao izany aminao koa izy ireo. Hahatonga antsika tsy hanirery firy izany fifandraisana tsara izany, ary hampisy heviny ny fiainantsika.
Mampirisika antsika Kristianina koa ny Baiboly mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.” (Hebreo 10:24, 25) Manaova àry zavatra mahasoa, toy ny fanatrehana tsy tapaka ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena afaka manampy antsika hanatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fivoriana kristianina, ary hampilamina ny fontsika sy hahasalama antsika. Afaka mandany ny fotoanantsika hanaovana asa mahasoa koa isika, ka anisan’ny zavatra tsara azontsika atao ny firesahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona. Hahatonga antsika hijery ny lafy tsaran’ny fiainana foana izany, sy hanatanjaka ny finoantsika, ary hahatonga antsika hanana fanantenana hatrany.—Efesianina 6:14-17.
Manatòna an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Nanoro hevitra i Davida hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Ho faly ianao, raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 1:1-3) Raha mahatsiaro ho manirery ianao, dia saintsaino ny fitiavana sy ny fiahian’i Jehovah, voaresaka ao amin’ny Teniny. Nanoratra ny mpanao salamo hoe: “Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy aho araka ny teninao.”—Salamo 119:25.
Rehefa tsy hisy hiteny intsony hoe: “Manirery aho”
Nampanantena antsika tontolo vaovao tsy hisian’ny fanahiana sy fahasorenana ary fahakiviana intsony i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Tsy hisy intsony ny fanaintainana sy ny fahorian-tsaina ary ny alahelo mahazo antsika ankehitriny. Ho anisan’ny zavatra taloha izany.
Hahafinaritra ny fiainantsika, satria ho feno olona tsara fanahy eto an-tany. Hataon’i Jehovah izay tsy hahatsiarovantsika ho manirery intsony, amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy. Homeny asa vaovao sy mahaliana isika, rehefa ho lasa paradisa ny tany. Tsy ho ela dia tsy hisy hiteny intsony hoe: “Manirery aho.”
[Sary, pejy 8, 9]
Tsy ho manirery isika, na dia irery aza, rehefa ampaherezin’i Jehovah
[Sary, pejy 10]
Inona no ianarantsika avy amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Jeremia sy Elia?