Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Tsy Mitovy Fivavahana Aminao Ireo Havanao

Rehefa Tsy Mitovy Fivavahana Aminao Ireo Havanao

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Rehefa Tsy Mitovy Fivavahana Aminao Ireo Havanao

TOMBANANA ho 10 000 mahery ny isan’ny fivavahana sy ny antokom-pivavahana maneran-tany. Tokotokony ho iray isaky ny olon-dehibe enina no efa niova fivavahana tany amin’ny firenena iray. Tsy mahagaga àry raha misy tsy fitovian-kevitra momba ny fivavahana eo amin’ny mpihavana sy ny mpinamana. Mampisy disadisa izany indraindray. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Ahoana no tokony hitondran’ny Kristianina ny havany tsy mitovy fivavahana aminy?

Fifandraisana manokana

Diniho, ohatra, izay lazain’ny Baiboly momba ny fifandraisana manokana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Tsy voafetra ny fotoana natao hampiharana ilay didy ao amin’ny Eksodosy 20:12 manao hoe: “Manajà ny rainao sy ny reninao.” Ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 15:4-6 momba io didy io dia mampiseho mazava tsara fa tokony hanaja ny ray aman-dreniny ny zanaka efa lehibe.

Mampitandrina ny amin’ny tsy fanehoana fanajana ny ray aman-dreny ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly. Manoro hevitra ny Ohabolana 23:22 hoe: “Aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” Mampitandrina mafy koa ny Ohabolana 19:26 (Fandikan-teny Katolika), fa “izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny, dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.”

Asehon’ny Soratra Masina mazava àry fa tsy tokony hanao tsirambina ny ray aman-drenintsika isika. Tsy manafoana ny fifandraisantsika amin’izy ireo ny tsy fanekeny ny fivavahantsika. Mihatra eo amin’ny fifandraisan’ny mpiray tam-po sy ny mpivady koa ireo toro lalan’ny Baiboly ireo. Mazava araka izany, fa adidin’ny Kristianina no sady takin’ny Soratra Masina ny fanehoana fitiavana amin’ny havana.

Zava-dehibe ny fahaiza-mandanjalanja

Mazava ho azy fa mampitandrina antsika amin’ny naman-dratsy ny Baiboly, ary mety ho avy amin’ny havana akaiky io fitaomana hanao ratsy io. (1 Korintianina 15:33) Nanohana ny fahamarinana ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky maro fahiny, na dia tsy nanaiky izany aza ny ray aman-dreniny. Anisan’izany ny zanakalahin’i Kora. (Nomery 16:32, 33; 26:10, 11) Tsy tokony hampandeferin’ny Kristianina marina ny finoany, mba hampifaliana ny hafa, na dia ny havany aza.​—Asan’ny Apostoly 5:29.

Manohitra mafy ny zavatra inoan’ny Kristianina ny ray aman-dreniny na ny havany, indraindray. Mety ho lasa fahavalon’ny Kristianisma marina mihitsy aza ny sasany. Raha izany no mitranga, dia manao zavatra hiarovany ny fifandraisany amin’i Jehovah ny Kristianina, sady miezaka hahay handanjalanja. Tena mety tsara ny nilazan’i Jesosy hoe: “Ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony. Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia zanakalahy na zanakavavy mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy.”​—Matio 10:36, 37.

Matetika anefa ny Kristianina no tsy miatrika fanoherana mafy avy amin’ireo havany. Tsy eken’izy ireo fotsiny ny fahatakarany ny fampianarana ara-baiboly. Mampirisika ny mpanara-dia an’i Kristy ny Soratra Masina mba hitondra ny tsy mpino “amim-pahalemem-panahy” sy “amim-panajana lalina.” (2 Timoty 2:25; 1 Petera 3:15) Mety tsara ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.” (2 Timoty 2:24) Nanoro hevitra ny Kristianina koa ny apostoly Paoly mba “tsy hanaratsy olona, tsy ho tia ady, fa handefitra sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.”​—Titosy 3:2.

Mifandraisa aminy tsy tapaka ary manehoa fitiavana

Ampirisihina toy izao ny Kristianina, ao amin’ny 1 Petera 2:12: ‘Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao [tsy mpino], mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra, satria mahita ny asa tsara ataonareo izy.’ Hitan’ny havana tsy mitovy fivavahana amintsika matetika ny fiovana entin’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika. Tadidio fa maro no niova hevitra, na dia tsy niraika na nanohitra ny fahamarinana ara-baiboly mihitsy aza taloha. Mety ho nandinika ny fitondran-tena tsaran’ny vadiny na ny zanany nandritra ny taona maro ny sasany, vao namotopototra ny anton’izany. Tsy tokony ho ny tsy firaharahan’ny Kristianina iray ny havany, no tsy haneken’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly.

Marina fa tsy mitovy ny zavatra iainantsika, ary mipetraka lavitra ny ray aman-dreniny ny Vavolombelona sasany. Mety tsy ho afaka hitsidika azy ireo matetika araka izay irintsika isika. Hatoky ny fitiavantsika anefa ny havantsika, raha manoratra taratasy ho azy isika, na miantso azy an-telefaonina, na manao zavatra hafa hifandraisana aminy tsy tapaka. Tia ny ray aman-dreniny sy ny havany ary mifandray tsy tapaka amin’izy ireo ny olona maro, na dia samy hafa aza ny fivavahany. Tokony ho latsaka noho izany ve no hataon’ny Vavolombelona?

[Sary, pejy 18]

Hatoky ny fitiavanao ny havanao, raha mifandray aminy tsy tapaka ianao