Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tarehy Vaovao ho An’i Mailyn

Tarehy Vaovao ho An’i Mailyn

Tarehy Vaovao ho An’i Mailyn

NOTANTARAIN’NY RENIN’I MAILYN

Nahoana no nila tarehy vaovao i Mailyn, zanako vavikely 11 taona izay mahafinaritra? Mamelà ahy hanazava izany.

I Mailyn no faharoa amin’ny zanakay roa vavy. Teraka tamin’ny 5 Aogositra 1992 teto Holguin, eto Cuba, izy. Tena sambatra izaho sy ny rainy ary ny rahavaviny, rehefa teraka izy. Tsy ela anefa, dia nifarana hatreo izany fahasambaranay izany. Voan’ny nendram-boalavo aho, andro vitsivitsy taorian’ny nahaterahany, ary nifindra tamin’i Mailyn izany, iray volana tatỳ aoriana.

Toa tsy dia naninona loatra ilay aretiny tamin’ny voalohany. Niharatsy anefa izany, ka tsy maintsy nampidirina hopitaly izy. Nahazo fitsaboana tsara izy, nefa nihena be ny rafin-kery fanefitra tao aminy, ka nisy otrikaretina nahazo azy. Nisy zavatra menamena hafahafa teo amin’ny orony. Nilaza ny dokotera fa bakteria tena mahery sy tsy fahita no nahatonga azy io.

Na dia nomena antibiotika avy hatrany aza izy, dia nanomboka nanimba ny tarehiny ilay bakteria, tao anatin’ny andro vitsivitsy monja. Kely sisa no tavela tamin’ny orony, sy ny molony, ary ny hihiny sy ny saokany, vao vitan’ny dokotera ny namono ilay otrikaretina. Feno lavadavaka koa teo akaikin’ny masony ilany.

Nigogogogo nitomany izahay mivady rehefa nahita azy. Fa nahoana loatra no voan’izao ny zanakay vavikely? Nijanona tao amin’ny toerana fikarakarana manokana an’ireo marary mafy i Mailyn nandritra ny andro vitsivitsy, ka nihevitra ireo dokotera fa tsy ho velona intsony izy. Niteny tamiko foana ny vadiko hoe: “Amboary ny sainao fa tsy maintsy ho faty izy.” Natsofoko tao anatin’ilay fitaovana fameloman-jaza nisy azy anefa ny tanako, mba handray ny tanan-keliny. Nofihininy mafy izany, ka fantatro fa ho velona izy. Nilaza tamin’ny vadiko aho hoe: “Tsy ho faty ny zanatsika, kanefa hanao ahoana ny fiainany amin’izao tarehiny izao?” Isaky ny nifoha izahay ny maraina, dia nieritreritra hoe angamba tsy tena nisy iny toe-javatra iny, fa nanonofy ratsy fotsiny izahay.

Nipetraka tany amin’ny ray aman-dreniko i Maydelis, zanakay vavimatoa, rehefa tany amin’ny hopitaly izahay. Enin-taona izy tamin’izay. Nitaintaina izy niandry ny hiverenan’ny zandriny vavikely ao an-trano. Toy ny “saribakoly” mahafatifaty, izay baribary maso no nahitany an’i Mailyn zandriny, rehefa niala tao an-trano. Lasa nampahatahotra anefa ny tarehin’i Mailyn, rehefa nahita azy indray i Maydelis.

‘Nahoana ny zanako no tsy maintsy mijaly be toy izao?’

Nivoaka ny hopitaly i Mailyn, rehefa afaka iray volana sy tapany. Tsy nody tany amin’ny nisy anay tany an-tanàn-dehibe izahay, satria tsy tianay hisy hahita izy. Naleonay kosa nipetraka tany ambanivohitra tao amina tranokely akaikin’ny toeram-pambolen’ny ray aman-dreniko.

Tsy afaka ninono izy, satria efa tsy nisy molotra intsony. Lavaka sisa no teo amin’ny vavany, ka teo amin’io no nanomezako nono azy tsikelikely, tamin’ny voalohany. Lasa kely dia kely anefa ilay lavaka rehefa nihasitrana ny feriny. Sakafo namboarina ho lasa rano, ka natao tao anaty biberao sisa no azoko nomena azy. Niverina teto Holguin izahay tamin’izy herintaona, satria nila nohalehibeazina ilay lavaka. Inefatra nodidiana izy mba hanaovana izany.

Nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana ny zanako no tsy maintsy mijaly be toy izao?’ Nandeha tany amin’ny toerana fifandraisana amin’ny fanahy ratsy aho, mba hahitako ny valin’izany. Nivavaka tamin’ny sary masina koa aho. Tsy nisy nahitako fampiononana anefa ireo. Vao mainka nampikorontan-tsaina ahy ny teny maharary nataon’ny fianakavianay sy ny namana sasany. Nisy niteny hoe: “Fantatr’Andriamanitra ny antony namelany an’izao hitranga.” Ny hafa nilaza tamiko hoe: “Tena sazy avy amin’Andriamanitra izao.” Niady saina be koa aho hoe inona no holazaiko an’i Mailyn rehefa lehibe izy. Tamin’izy tena mbola kely aza, dia efa nanontany ny rainy toy izao izy: “Maninona aho no tsy misy orona ohatra ny olona rehetra?” Tsy nahavaly azy ny rainy, fa nivoaka tany ivelany mba hitomany. Niezaka nanazava taminy izay nahazo azy àry aho. Mbola tsaroany fa niteny taminy foana aho hoe lanin’ny bibikely ny orony sy ny vavany.

Nanjary nanana fanantenana

Tamin’ny fotoana tena nahakivy ahy indrindra no tadidiko fa hay Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanila trano taminay. Nangataka taminy aho mba hampiseho amiko avy ao amin’ny Baiboly ny antony namelan’Andriamanitra ny zanako vavikely hijaly be. Nanontany koa aho hoe: “Raha tena sazy avy amin’Andriamanitra noho ny nataoko tokoa io, nahoana no tsy izaho fa i Mailyn no mizaka izany?”

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ilay mpifanila trano tamiko aho. Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nampiasainay. * Nanomboka azoko tsikelikely fa tsy avy amin’Andriamanitra izay nitranga tamin’i Mailyn. Takatro koa fa tena miahy antsika izy. (Jakoba 1:13; 1 Petera 5:7) Nanjary sarobidy tamiko ilay fanantenana mahatalanjona hoe tsy hisy intsony ny fijaliana, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra izay tarihin’i Jesosy Kristy. (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4) Nanatanjaka ahy io fahalalana io ka nanosika ahy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tian’ny vadiko hanaraka izany fivavahana vaovao izany aho, tamin’ny voalohany. Navelany hianatra Baiboly anefa aho, satria nanampy ahy hiatrika ny zava-manahirana nanjo anay izany.

Fanampiana avy any an-tany hafa

Rehefa roa taona i Mailyn, dia nandre ny momba azy ny dokotera malaza iray tany Meksika, izay mpamerina amin’ny laoniny ny faritra simba amin’ny vatana. Nilaza ilay dokotera fa afaka ny hitsabo azy maimaim-poana izy. Natao tamin’ny 1994 ny fandidiana voalohany. Efa ho herintaona izahay sy Mailyn no nipetraka tany Meksika. Tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’ny voalohany, ka tsy afaka nanatrika fivoriana kristianina. Tsy nifandray firy tamin’Andriamanitra intsony àry aho. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nifandray taminay avy eo, ka nanomboka nifanerasera matetika tamin’ny mpiray finoana aminay indray izahay. Niverina nianatra Baiboly aho rehefa tonga teto Cuba, ka lasa nifandray tamin’Andriamanitra indray.

Mbola tsy liana tamin’ny Baiboly ny vadiko tamin’izay fotoana izay. Nataoko àry izay hahaliana azy, ka nangatahiko izy hamaky tamiko lahatsoratra sasany avy ao amin’ireo boky sy gazety ara-baiboly, mba hahatakarako azy ireo kokoa. Voatosika hianatra Baiboly izy tamin’ny farany, satria nanahy izy sao hanimba ny fifandraisanay mianakavy kely ny fandehananay sy Mailyn matetika sy maharitra any Meksika. Nieritreritra izy fa hahazaka kokoa izany fotoam-pisarahana izany izahay, raha samy manaraka fivavahana iray ihany. Tena marina ny eritreriny. Natao batisa izahay mivady sy ny zanakay vavimatoa tamin’ny 1997, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah.

Nandritra ny fotoana vitsivitsy nijanonanay voalohany tany Meksika, dia nilaza i Mailyn fa tsy ho tafasaraka tamin’ny rainy sy ny rahavaviny toy izao izahay, raha tsy lanin’ny bibikely ny tarehiny. Tena mafy ho anay mianakavy tokoa izany fisarahana nandritra ny fotoana lava be izany. Nitsidika ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na Betela, tany Meksika anefa izahay indray mandeha, ka tena nampahery anay izany. Talohan’io, dia tsy nanaiky hodidiana intsony i Mailyn, satria manaintaina be izy vao sitrana. Tsy maintsy hodidiana fanindiminy anefa izy. Nilaza tamin’i Mailyn àry ny Vavolombelona sasany izay niasa tao amin’ny biraon’ny sampana, fa hanaovan’izy ireo fety izy rehefa mivoaka ny hopitaly, raha tsy matahotra ny hodidiana. Nanaiky àry izy.

Aleo i Mailyn mihitsy no hilaza izay tsapany: “Tena tiako be ilay hoe hanao fety ao amin’ny Betela. Tena tsy natahotra àry aho nandritra an’ilay fandidiana. Nahafinaritra be ilay fety, sady nisy mpiara-manompo maro be tany. Nomen-dry zareo taratasy kely fampaherezana aho, ary mbola ato amiko izy rehetra. Nanampy ahy mba hahazaka ny fandidiana manaraka ny teny fampaherezana azoko.”

Fandrosoana sy fanampiana mba hiaretana

Iraika ambin’ny folo taona izao i Mailyn, ary efa indroapolo nodidiana izy mba hamerenana amin’ny laoniny ny tarehiny. Tena nanampy azy ny fandidiana natao taminy, nefa mbola tsy afaka manokatra tsara ny vavany izy. Nanana herim-po sy be fanantenana foana anefa izy. Tena nankasitraka ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa izy. Vao enin-taona izy dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ary natao batisa tamin’ny 27 Aprily 2003. Efa nitarika fampianarana Baiboly telo mihitsy aza izy. Niresaka tamin’ny rangahy iray izy tany Meksika, ka nanaiky hiara-mianatra Baiboly taminy izy io. Nasain’i Mailyn ho amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy sy ho amin’ny fivorian’ny fiangonana hafa izy. Nahaliana be an’io rangahy io ny nanatrika izany.

Rehefa mitory isan-trano i Mailyn, dia misy olona manontany azy raha may ny tarehiny. Hararaotin’i Mailyn izany mba hilazana amin’izy ireo ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly, fa homen’i Jehovah tarehy vaovao izy any amin’ny Paradisa ho avy.​—Lioka 23:43.

Tsy hay lazaina intsony ny fanaintainan’i Mailyn noho ny fandidiana natao taminy sy ny fanarabian’ny ankizy hafa. Inona no nanampy azy hahazaka izany? Tsy nisalasala izy namaly toy izao: “Tena misy i Jehovah amiko. Manome tanjaka sy herim-po ahy izy, mba hahazakako izany. Tsy te hodidiana intsony aho, satria tsy afaka manasitrana ahy tanteraka ireo dokotera. Tsy ho vitan’izy ireo mihitsy ny hamerina ny tarehiko toy ny tamin’izaho vao teraka. Fantatro anefa fa homen’i Jehovah tarehy vaovao aho any amin’ny tontolo vaovao. Ho tsara tarehy indray aho amin’izay.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 26]

“Homen’i Jehovah tarehy vaovao aho any amin’ny tontolo vaovao”

[Teny notsongaina, pejy 27]

Nanomboka azoko tsikelikely fa tsy avy amin’Andriamanitra izay nitranga tamin’i Mailyn