Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tongava Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’andriamanit

Tongava Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’andriamanit

Tongava Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’andriamanitra”

◼ Olona an-tapitrisany no hanatrika io fivoriambe haharitra telo andro io, any amin’ny toerana an-jatony maneran-tany. Miisa 21 izy io eto Madagasikara, ka hatao amin’ny 23-25 Jolay ny voalohany, ary amin’ny 3-5 Septambra ny farany. Mety hisy anankiray any amin’ny tanàn-dehibe tsy lavitra anao. Manomboka ny zoma izy io ary mifarana ny alahady.

Saika manomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina daholo ny fandaharana isan’andro, any amin’ny faritra rehetra, ka mozika no hanokafana azy io. “Ity no Làlana, ka Andehano” no foto-kevitra ho an’ny zoma. Hisy lahateny hanadinadinana an’ireo olona niara-nandeha hatrany tamin’Andriamanitra, aorian’ilay lahateny fanokafana hoe: “Tafavory mba Hampianarin’i Jehovah ny Lalany.” Avy eo, dia hisy lahateny hoe: “Zahao Toetra Foana ny Tenanareo” sy hoe: “Aoka Hitari-dalana Anao Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra.” Hamarana ny fandaharana maraina ilay lahateny fototra hoe: “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana.”

Hisy lahateny mifampitohy amin’ny tolakandro, ka izao no lohateniny: “Manampy Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Faminanian’i Hosea.” Hanaraka azy io ilay lahateny hoe: “Aza Sarahina ‘Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga’ ”, sy ilay hoe: “Manehoa Fanajana Ireo Fivoriana Masina.” Hampirisika ny mpitory hanambara ny vaovao tsara amin’ny fiteny rehetra ilay lahateny farany amin’io andro io, hoe: “Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra.”

“Tandremo Tsara Hatrany ny Fitondran-tenanareo” no foto-kevitra ho an’ny asabotsy. Mbola misy fanoloran-kevitra momba ny fitoriana amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny iray amin’ireo lahateny mifampitohy hoe: “Mpitory Mandroso Hatrany.” Hamarana ny fandaharana maraina ilay lahateny tena lehibe hoe: “Nifamotoana Tamin’i Jehovah mba Hiara-mandeha Aminy.” Aorian’izay, dia hatao batisa ireo mahafeno fepetra ho amin’izany.

Anisan’ny hovelabelarina ny tolakandro ireto lahateny ireto: “Halaviro ny Fanafintohinana”, sy hoe: “Fialam-boly Mahasoa sy Mamelombelona.” Avy eo, dia hisy fanadinadinana mampahery amin’ireto lahateny manaraka ireto: “Jehovah no Mpiandry Antsika”, sy hoe: “Hararaoty Tsara ny Fotoana”, ary hoe: “Fandehanana Amin’ny Lalana Mihamazava Hatrany.” Hamarana ny fandaharana ilay lahateny mampieritreritra hoe: “ ‘Miambena Hatrany’, fa Tonga ny Ora Fitsarana.”

‘Mandehana Hatrany ao Amin’ny Fahamarinana’ no foto-kevitra ho an’ny alahady. Hasongadina io foto-kevitra io ao amin’ilay lahateny hoe: “Ry Tanora! Mandehana Amin’ny Lalan’ny Fahamarinana.” Hisy fampisehoana tantara momba ny fanompoan’ny apostoly Paoly avy eo. Aorian’izay, dia hisy lahateny hanasongadina ny fianarana noraisina avy amin’ilay fampisehoana tantara. Hampiavaka ny fandaharana amin’ny tolakandro ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe: “Mahasoa Dieny Izao sy Mandrakizay ny Miara-mandeha Amin’Andriamanitra.”

Afaka manontany any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao ianao, na manoratra any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity, raha te hahafantatra ny fivoriambe akaiky anao indrindra. Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa, izay gazety naman’ny Mifohaza!, ny toerana rehetra hanaovana io fivoriambe io eto Madagasikara.