Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Inona no Mampikatso ny Fifamoivoizana?

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no miverina amin’ny laoniny tampoka ny fifamoivoizana indraindray, rehefa avy mikatso elaela, nefa tsy hitanao akory izay antony mahatonga izany? Hoy ny gazety The Wall Street Journal: ‘Tsy maintsy misy antony marim-pototra matoa mikatso ny fifamoivoizana. Tsy voatery ho lozam-piarakodia sy lalan-dratsy foana no mahatonga io toe-javatra mahasorena io.’ Raha vao miadam-pandeha fotsiny ny fiara iray, na dia vetivety monja aza, dia lasa toy izany koa ny fiara rehetra any aoriana. Milaza ilay gazety fa matetika isika no tsy mahita ilay tena antony nampikatso ny fifamoivoizana. “Efa ela ilay izy no nitranga, nefa mbola eo ihany ny vokany.” Mety ho hevitra tsara ny miova lalana, rehefa malalaka kokoa ny lalana hafa. Hanaraka anao koa angamba anefa ny mpamily hafa. Mety hihamaro koa ny fiara handeha amin’ilay lalana nofidinao. “Tsy ho fantatrao mialoha mihitsy àry”, hoy ilay lahatsoratra, “raha ho haingana na tsia ilay lalana tianao handehanana, toy ny tsy hahafantaranao mialoha hoe iza no filaharana haingana indrindra, rehefa ao amin’ny fivarotana ianao. Tsara kokoa ny manam-paharetana rehefa mitondra fiara, toy izay maika ny hitady lalana haingana indrindra.”

Mora Andevozin’ny Nikôtinina

Hoy ny gazety kanadianina National Post: “Mety ho lasa andevozin’ny sigara ny tanora iray, na dia indray mandeha monja aza izy no mifoka. Araka ny fandinihana niavaka natao, dia tsy marina ny fiheveran’ny ankamaroan’ny olona hoe rehefa mahery mifoka sigara mandritra ny taona maromaro ny olona iray vao lasa andevozin’ny nikôtinina [poizina ao amin’ny sigara].” Resahin’ilay gazety fa nanao fandinihana tamin’ny zatovo 1 200 ny mpikaroka, tao anatin’ny enin-taona teo ho eo. Hitan’izy ireo tamin’izany fa “tsy ny fitaoman’ny namany loatra no tena mahatonga ny tanora iray hifoka, fa noho izy efa lasa andevozin’ny nikôtinina. Marina izany na dia ho an’ireo tsy nifoka matetika aza.” Araka ilay fandinihana, dia manomboka mifoka matetitetika ny tanora maro, rehefa avy mifoka indray mandeha, ary lasa mifoka isan’andro amin’ny farany. Milaza ny mpikaroka fa tsy tokony hanampiana ny tanora tsy hifoka fotsiny ny fampielezan-kevitra hiadiana amin’ny sigara, fa hanampiana koa ireo efa nifoka, mba tsy handevozin’ny nikôtinina izy ireo.

Ratsy ve ny Madio Loatra?

Maro ny olona tia mandro ela be amin’ny rano mafana, isan-kariva. Mampitandrina anefa ny gazety aostralianina The Daily Telegraph fa “mety ho tratran’ny aretin-koditra be dia be ny olona iray, raha misasa be loatra. Mandro matetika sy ela loatra ny olona, sady mampiasa karazan-tsavony tsy mety amin’ny hodiny.” Manazava ny Dr. Megan Andrews hoe: “Faly isika rehetra rehefa madio be, nefa misy vokany ratsy amin’ny hoditsika izany. . . . Mahatsiaro ho madio sy mahazo aina erỳ isika, nefa simba ny hoditsika raha ny marina.” Nahoana? Milaza ilay gazety fa raha zatra misasa be loatra isika, dia ‘hiala ny menaka voajanahary eo amin’ny hoditra. Tsy hiasa tsara koa ireo zavamiaina bitika dia bitika miaro azy io. Mety ho vakivaky sy ho feno holatra madinika koa, io taova lehibe indrindra amin’ny vatana io, dia ny hoditra.’ Nomarihin’ilay gazety koa fa amin’ny andro ririnina no “tena atahorana”, satria kely ny hamandoana amin’io fotoana io. Manoro hevitra i Andrews fa tokony ho vetivety sy indray mandeha isan’andro ihany isika no mandro.

Torohevitra Nitera-doza

Hoy ny gazety The Guardian Weekly: “Nantsaka tamin’ny lava-drano marivo kely na kamory na renirano ny ankamaroan’ny olona tany ambanivohitr’i Bangladesy sy Bengale Andrefana [Inde], talohan’ireo taona 1970. Matetika àry izy ireo no tratran’ny kôlerà sy fivalanan-dra ary aretina hafa avy amin’ny rano.” Nanoro hevitra ny olona avy eo ny ONU, mba hihady lava-drano lalina, izay tonga hatrany amin’ireo vato tantera-drano, ka hampiditra fantsona ao anatiny mba hiarovana ny rano tsy haloto sy tsy hisy bibikely miteraka aretina. Efa ho 20 tapitrisa ny isan’ny lavaka nohadina toy izany, tany Bangladesy, Vietnam, Laos, Birmania (Myanmar ankehitriny), Tailandy, Népal, Chine, Pakistan, Kambodja, Bengale Andrefana, ary Inde. Tonga hatrany amina antsanga misy arsenika, tany ambany lalina be tany anefa ny maro tamin’ireo lavaka ireo. Maro be àry ny olona voapoizin’ny arsenika, ka nilaza mihitsy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa izany no “fanapoizinana lehibe indrindra natao tamin’ny vahoaka, teo amin’ny tantara.” Olona 150 tapitrisa teo ho eo no nisotro an’izany rano izany nandritra ireo 20 taona farany. Any Bangladesy fotsiny, dia 15 000 ny olona marary mafy, satria voapoizin’ny arsenika. Efa nitady vahaolana ny fikambanana any an-toerana sy ny fanjakana ary ny ONU, fa mbola tsy nahita izay tena mety.

Mamono Tena koa ny Ankizy

“Valopolo isan-jato amin’ireo ankizy manandrana na tena mamono tena, no milaza izany am-bava na an-tsoratra, andro na volana maromaro mialoha”, hoy ny gazety Milenio any Mexico. Ireto no tena mahatonga ny ankizy tsy ampy taona te ho faty: fampijaliana (ara-batana na ara-pihetseham-po na amin’ny teny lazaina), fametavetana, faharavan’ny fianakaviana, ary olana any an-tsekoly. Milaza i José Vàzquez, dokotera mpitsabo aretin-tsaina, any amin’ny Fikambanana Meksikanina Momba ny Fiantohana Sosialy, fa tsy heverin’ny ankizy ho sarobidy intsony ny aina, satria mahita vonoan’olona foana izy ao amin’ny tele sy lalao video ary boky. Milaza koa izy fa ankizy 15 ao anatin’ny 100, eo anelanelan’ny 8 sy ny 10 taona, no te hamono tena, ka 5 amin’ireo no mahavita manao izany. Manoro hevitra ilay gazety hoe tokony ho mailo isika rehefa misy ankizy milaza ny hamono tena. Tsy tokony hoheverintsika ho fampitahorana fotsiny izany, na hoe tetika ataon’ilay ankizy mba hisarihana ny saintsika ho aminy. Hoy koa ilay gazety: “Ny ray aman-dreny, dia tokony hanokana fotoana hiarahana amin’ny zanany, hiara-milalao aminy, ary hiresaka aminy sy haneho fitiavana azy foana.”

Manimba Fahasalamana ny Fahatezerana

“Mihamaro hatrany ny olona tezitra, nefa misy vokany ratsy amin’ny vatantsika izy io”, hoy i Valentina D’Urso, mpampianatra psikolojia any amin’ny Oniversiten’i Padoue, any Italia. Rehefa tezitra ny olona iray, dia mihenjana ny hozany, midobodoboka ny fony, ary misefosefo izy. Lasa sorena be izy avy eo. Tsy mieritreritra tsara intsony koa ny olona rehefa tezitra, ary tsy mahafehy tsara ny fihetsiny. Manoro hevitra i D’Urso hoe: “Aoka ianao ho vonona hiatrika izay toe-javatra fantatrao fa mety hampahatezitra anao. . . . Ho salama kokoa isika raha miteny moramora fotsiny hoe: ‘Tsy ekeko izany.’”

Reraka Loatra ny Dokotera

Milaza ny gazety Vancouver Sun fa vao haingana, dia nanadihady dokotera 2 251 nanerana an’i Kanada ny Fikambanan’ny Dokotera Kanadianina, ka ‘hita tamin’izany fa efa ho antsasany tamin’izy ireo no reraka loatra, ka lasa rera-tsaina be sy tsy mangoraka ary mahatsiaro tena ho tsy mahay ny asany.’ Lazain’ny Dr. Paul Farnan, mpandrindra ny Fandaharana Hanohanana ny Dokoteran’i Kolombia Britanika, fa ireto no anisan’ny antony mahasorena ny dokotera maro: Sahirana izy mitady mpisolo rehefa handeha vakansy, maro be ny marary mitady azy na dia efa tsy miasa aza izy, na be loatra ny taratasy tsy maintsy fenoiny. Mampirisika ny dokotera toy izany ny Dr. Farnan mba hahay handanjalanja eo amin’ny fiainany, ka hanokana fotoana hiarahana amin’ny fianakaviany ary hanao zavatra mahafaly ny fony sy ny sainy.