Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Ampy Finoana ve ny Olona Manana Fanahiana?

Tsy Ampy Finoana ve ny Olona Manana Fanahiana?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tsy Ampy Finoana ve ny Olona Manana Fanahiana?

“FADIO NY FANAHIANA.” Izany no lohatenin’ny lahatsoratra nosoratan’ny pasitera iray tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Nolazainy tao amin’ilay lahatsoratra fa sady ratsy no fahotana lehibe ny manahy momba ny vola aman-karena. Tsy ela koa izay, dia nanoratra toy izao ny mpandinika iray rehefa niresaka mahakasika ny fomba handresena ny tebiteby sy ny fanahiana: “Tsy matoky an’Andriamanitra isika, raha mitebiteby.”

Noho ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra no nahatonga an’ireo mpanoratra ireo hilaza izany. Hoy mantsy izy: ‘Aza manahy intsony.’ (Matio 6:25) Koa satria maro aoka izany ny olona manahy ankehitriny, dia mety hanontany tena isika hoe: Tokony hahatsiaro tena ho meloka ve ny Kristianina rehefa manahy? Tsy ampy finoana ve ny olona manana fanahiana?

Fantatr’Andriamanitra fa tsy lavorary isika

Tsy mampianatra ny Baiboly hoe tsy ampy finoana isika, isaky ny manahy. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ka tsy mahagaga raha manana fanahiana. (2 Timoty 3:1) Isan’andro, dia mampanahy ny Kristianina mahatoky ny aretina, fahanterana, olana ara-bola, tsy fifanarahan’ny mpianakavy, ny heloka bevava, ary ny zava-manahirana hafa. Natahotra sy nitebiteby na dia ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny aza.

Diniho ny tantaran’i Lota ao amin’ny Baiboly. Nasain’Andriamanitra nandositra tany an-tendrombohitra izy, mba tsy ho voaringana rehefa horavana i Sodoma sy Gomora. Nanomboka nanahy anefa i Lota. Hoy izy: “Aza an’izany, Tompo ô! . . . Tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho.” Nahoana i Lota no natahotra ny ho any an-tendrombohitra? Tsy milaza ny antony ny Baiboly. Na inona na inona anefa antony, dia tena natahotra izy. Inona no nataon’Andriamanitra? Nananatra an’i Lota ve Andriamanitra, ka nilaza taminy fa tsy ampy finoana izy na tsy natoky azy? Tsia. Naneho fiheverana azy kosa aza izy, ary namela azy handositra tany amin’ny vohitra iray teo akaiky teo.—Genesisy 19:18-22.

Misy ohatra hafa koa resahin’ny Baiboly momba ireo mpivavaka nahatoky izay tena nanahy indraindray. Natahotra i Elia mpaminany, ka nandositra, rehefa nisy olona nandrahona ny hamono azy. (1 Mpanjaka 19:1-4) Nanahy koa i Mosesy, Hana, Davida, Habakoka, Paoly, ary ny lehilahy sy vehivavy hafa, na dia nanana finoana natanjaka aza. (Eksodosy 4:10; 1 Samoela 1:6; Salamo 55:5; Habakoka 1:2, 3; 2 Korintianina 11:28) Nangoraka sy nanohy nampiasa azy ireo teo amin’ny fanompoana azy anefa Andriamanitra, ka nasehony tamin’izany fa tena takany hoe olombelona tsy lavorary izy ireo.

“Ny ota izay mora mamatopatotra antsika”

Mety halemy anefa ny finoantsika, raha manahy foana isika, ka tsy hatoky an’Andriamanitra intsony isika amin’ny farany. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “ota izay mora mamatopatotra antsika” ny tsy fahampiam-pinoana. (Hebreo 12:1) Niaiky i Paoly eo fa na ny tenany koa aza, dia mba malemy finoana indraindray.

Izany koa angamba no nitranga tamin’i Zakaria, ka nahatonga azy tsy hino an’ilay anjely izay nilaza taminy fa hanan-janaka ny vadiny. Indray mandeha, dia tsy nahavita nanasitrana ny apostolin’i Jesosy, satria ‘kely finoana.’ Nankasitrahan’Andriamanitra foana anefa ireo olona voalaza ireo, na dia izany aza.—Matio 17:18-20; Lioka 1:18, 20, 67; Jaona 17:26.

Kanefa, resahin’ny Baiboly koa ny amin’ireo olona tsy natoky an’Andriamanitra intsony ka niharan’ny voka-dratsin’izany. Maro tamin’ireo Israelita avy tany Ejipta, ohatra, no tsy navela niditra ny Tany Nampanantenaina satria tsy ampy finoana. Nanohitra mivantana an’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo, indray mandeha, ka nilaza hoe: “Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ.” Nasehon’Andriamanitra fa tsy nahafaly azy izany, ka nandefa menarana misy poizina izy, mba hanasaziana azy ireo.—Nomery 21:5, 6.

Tsy ampy finoana ny mponina tao Nazareta, tanàna niavian’i Jesosy, ka tsy nanana tombontsoa firy hahita fahagagana teo amin’ny faritra nisy azy ireo. Nomelohin’i Jesosy mafy koa ilay taranaka ratsy fanahy tamin’izany andro izany, satria tsy ampy finoana. (Matio 13:58; 17:17; Hebreo 3:19) Mety tsara àry izao fampitandreman’ny apostoly Paoly izao: “Koa tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.”—Hebreo 3:12.

Eny, mety ho avy amin’ny fo ratsy indraindray ny tsy fahampiam-pinoana. Tsy nanana fo ratsy anefa i Zakaria sy ireo apostolin’i Jesosy, izay noresahintsika teo aloha. Fahalemena nandalo fotsiny no nahatonga azy ireo tsy ho ampy finoana. Hita tamin’ny fiainan’izy ireo amin’ny ankapobeny, fa “madio am-po” izy ireo.—Matio 5:8.

Mahafantatra izay ilaintsika Andriamanitra

Ny Soratra Masina dia manampy antsika hanavaka ny fanahiana isan’andro sy “ny ota izay mora mamatopatotra antsika”, dia ny tsy fahampiam-pinoana. Vokatry ny fananana fo ratsy sy tsy mihontsina ny tsy fatokisana an’Andriamanitra. Tsy tokony hafangaro amin’izy io ny fanahiana mpanjo antsika isan’andro, na ny tsy fahampiam-pinoana mahazo antsika tsindraindray noho ny fahalemen’olombelona. Tsy tokony hahatsiaro tena ho meloka àry ny Kristianina, isaky ny misy zavatra mampanahy azy.

Mila mitandrina anefa isika mba tsy ho tafahoatra ny fanahiantsika ka hifehy ny fiainantsika. Feno fahendrena àry ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’” Nanao izao teny mampionona izao koa izy avy eo: “Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:25-33.

[Sary, pejy 16]

Nanana fanahiana ny apostoly Paoly