Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana Niteraka izahay mivady tamin’ny Aprily, ary taorian’ny nahaterahan’ny zanakay lahy, dia nanomboka nitranga tamiko izay voalaza tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana.” (8 Jona 2003) Nilaza tamiko daholo ny olona hoe mahafatifaty ny zanakay, nefa tsy te hijery azy aho. Tsy nivoaka ny trano aho, sady nitomany. Rehefa avy namaky ilay lahatsoratra aho, dia nofihiniko ny vadiko, ary noresahiko sy nohazavaiko taminy izay tsapako. Faly izy nahafantatra ny anton’ilay fiovana hitany teo amiko. Tena velom-pankasitrahana anareo aho, noho ianareo nahay nandanjalanja rehefa nanoratra iny loha hevitra iny. Nanohina ny foko ianareo.

S. V., Italia

Orkide Nazoto erỳ aho namaky ilay lahatsoratra hoe “Orkide Tsara Tarehy.” (8 Septambra 2003) Nanome torohevitra vitsivitsy momba ny fambolena orkide ao an-trano izy io, ary nampianatra ahy ny anarana sy ny niavian’ny orkide sasantsasany. Ireo fanazavana notadiaviko mihitsy no tao amin’ilay Mifohaza!

L. E. C., Bangladesy

Manadio Nify Voatosika hanoratra aminareo aho, noho ilay lahatsoratra hoe “Hazokely Manadio Nify.” (8 Oktobra 2003) Nanontany tena aho hoe ahoana no nanadiovan’ny olona ny nifiny, talohan’ny nisian’ny famotsia-nify. Noho izany, dia tena nahavariana ahy tanteraka ilay lahatsoratra!

D. G., Etazonia

Tsy tia nitsakotsako hazokely mihitsy aho hatramin’izay. Diso anefa aho fa toa mahasoa ilay izy. Hampiasa azy io àry aho, mba hiarovako ny nifiko.

A. A., Tchad

Hetraketraka Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho. Tonga amin’ny fotoana ilana azy indrindra anefa ilay andian-dahatsoratra hoe “Ahoana no Hiarovan-tena Amin’ny Hetraketraka?” (8 Septambra 2003) Lasa nampidi-doza ny fanafihan’ireo mpiara-mianatra amin’ny zanako vavy. Niresaka taminy aho araka ny torohevitra nomenareo, ka afaka nanohana sy nanampy azy. Misaotra noho ny fiahianareo ny olona.

T. M., Ukraine

Tatoazy Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Hanao Tatoazy ve Aho?” (8 Oktobra 2003) Tena noheveriko ho lamaody ilay izy, ka saika hanao tatoazy iray azo esorina aho. Nanohina ahy tokoa ilay filazana fa tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fanisiana tatoazy ny vatantsika, “na dia tsy haharitra ela aza” izany. Nanapa-kevitra ny tsy hanao azy io aho, rehefa fantatro fa mety hanafintohina ny hafa, na hahatonga azy ireo hihevitra ahy ho mpikomy izany.

A. K., Japon

Tena naniry hanao tatoazy aho. Nahatonga saina ahy anefa io lahatsoratra io, fa mety hanenenako izany aoriana any. Noresahinareo tao koa fa mety hahavoan’ny aretina izany. Tsy nieritreritra izany mihitsy aho. Misaotra noho io lahatsoratra mampiaiky io.

D. T., Frantsa

Tantaran’ny Mpahay Siansa Iray Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra tsara dia tsara hoe “Nanokanako ny Fiainako ny Siansa.” (8 Oktobra 2003) Tsy natahotra niatrika ny zava-nisy i Kenneth Tanaka. Niaiky tamim-panetren-tena koa izy fa diso ireo zavatra ninoany nandritra ny taona maro. Nanana toe-tsaina tsara izy.

S. A., Rosia

Nijaly noho ny fahaketrahana aho, ary niady tamin’ny faniriana hamono tena. Avy eo aho, dia namaky ilay fanontaniana napetrak’i Kenneth Tanaka tao amin’ilay lahatsoratra. Izao ilay izy: “Inona àry no dikan’ny fiainana, raha tsy maintsy hanjavona toy izany izao rehetra izao amin’ny farany?” Tena nanohina ny foko izany. Toy ny hoe nilaza tamiko Andriamanitra hoe: “Ankafizo ny fiainana!”

C. I., Japon