Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Fa Maninona àry Aho?’

‘Fa Maninona àry Aho?’

‘Fa Maninona àry Aho?’

“Toy ny hoe nifoha aho indray maraina, ary niova daholo ny fiainako. Olon-kafa tanteraka no fahitako ny tenako.”—Sam.

INONA no atao hoe fotoana maha zatovo? Raha tsorina, izy io dia ireo taona eo anelanelan’ny fahazazana sy ny fahatongavana ho olon-dehibe. Miova be ny toe-batanao sy ny fihetseham-ponao, ary na dia ny fifandraisanao amin’ny olona mihitsy aza. Azo lazaina hoe tena mahafinaritra ny hoe lasa zatovo. Midika mantsy izany fa efa ho lasa olon-dehibe ianao. Misy fihetseham-po vaovao anefa ao aminao, ka mety hampikorontan-tsaina na hampitebiteby anao mihitsy aza ny sasany aminy.

Tsy tokony hatahotra anefa ianao. Marina fa mety hisy zavatra hampalahelo anao. Azonao hararaotina tsara anefa io fotoana io mba hahatongavana ho tena olon-dehibe. Andeha hojerentsika hoe ahoana no hetezan’izany. Hodinihintsika aloha ny olana sasany atrehin’ny zatovo.

Rehefa manomboka ny fahamaotiana

Mandritra ny fotoana maha zatovo, dia misy fiovana ao amin’ny vatanao, mba hahavonona anao ho amin’ny fiterahana. Antsoina hoe fahamaotiana ny fotoana hitrangan’izany fiovana izany, ary maharitra taona vitsivitsy. Tsy ny taovam-pananahanao ihany anefa no miova amin’izay, araka ny ho hitantsika.

Ho an’ny ankizivavy, dia matetika no manomboka eo anelanelan’ny faha-10 sy faha-12 taonany ny fahamaotiana. Eo anelanelan’ny faha-12 sy faha-14 taonany kosa izany ho an’ny ankizilahy maro. Mety hanomboka aloha kokoa na aoriana kokoa anefa izy io, arakaraka ny olona. Nilaza ny boky iray momba ny zatovo fa “samy hafa ny toe-batan’ny olona, ka tsy mitovy ny fotoana hanombohan’ny fahamaotiana.” Hoy koa ilay boky: “Tsy misy fotoana voafaritra tsara hanombohan’izy io.” Tsy hoe misy zavatra tsy mety àry ao amin’ny vatanao, raha tsy mitovy amin’ny an’ny ankizy hafa ny fotoana hanombohan’ny fahamaotiana ao aminao, fa aloha kokoa na aoriana kokoa.

Rehefa manomboka maoty anefa ianao, dia tsy maintsy hiova ny bika aman’endrikao sy ny fihetseham-ponao ary ny fihevitrao ny manodidina anao. Andeha isika handinika lafiny sasany amin’izy io. Mahavariana izy ireny nefa manahirana koa.

‘Fa maninona àry aho?’

Raha vao manomboka ny fahamaotiana, dia mitombo ny habetsahan’ny hormonina ao amin’ny vatanao, indrindra ilay hormonina atao hoe estirôzenina, raha ankizivavy ianao, ary testôsterônina, raha ankizilahy ianao. Izany no anisan’ny mahatonga ny vatanao hiova, ary toa mahagaga ilay fiovana. Mitombo haingana be tsy toy ny hatramin’izay mantsy ny vatanao.

Efa manomboka afaka miasa amin’ny fomba feno ny taovam-pananahanao amin’io fotoana io. Tsy izay ihany anefa no fiovana eo amin’ny vatanao. Mety hihalava haingana koa ianao. Angamba nitombo dimy santimetatra teo ho eo isan-taona ianao tamin’ny mbola kely. Aza gaga anefa raha mitombo avo roa heny ianao, izany hoe folo santimetatra isan-taona, amin’ny fotoanan’ny fahamaotiana.

Mety somary hahatsapa hoe mikaviavia ianao amin’izay. Ara-dalàna izany, satria misy faritra mety hitombo haingana kokoa amin’ny vatanao, ary misy ela kokoa. Mahareta anefa, fa tsy hikaviavia foana ianao. Hifarana izany, rehefa tapitra ny fotoana maha zatovo anao.

Manomboka tonga fotoana na fadimbolana ny ankizivavy, amin’ny fotoanan’ny fahamaotiana. Misy ra sy ranoka ary hoditra malemy avy amin’ny tranon-jaza, mivoaka avy ao aminy isam-bolana. * Matetika no manaintaina izy amin’io fotoana io, ary mihena ny habetsahan’ny hormonina ao aminy. Misy vokany eo amin’ny vatany sy ny fihetseham-pony izany, ka mety somary hatahotra izy amin’ny voalohany. Hoy i Teresa, izay 17 taona ankehitriny: “Vaovao be tamiko ilay hoe tonga fotoana. Tsy maintsy nizatra tampoka tamin’izy io aho, ka nikorontana ny fihetseham-poko. Nanaintaina ilay izy, sady amin’izay tonga isam-bolana!”

Tsy tokony hatahotra ianao, rehefa manomboka tonga fotoana. Midika mantsy izy io fa miasa tsara ny vatanao. Rehefa ela ny ela, dia ho hainao ihany ny tokony hatao amin’ireo zavatra mpahazo anao, isaky ny tonga fotoana. Hitan’ny ankizivavy sasany, ohatra, fa tsy manaintaina firy izy, rehefa manao fanatanjahan-tena tsy tapaka. Tsy mitovy anefa ny olona rehetra. Mety ho hitanao, ohatra, fa tsy afaka mampiasa vatana firy ianao amin’io fotoana io. Mianara àry ‘mamantatra’ izay ilain’ny vatanao. Raha hitanao fa mila miala sasatra ianao, dia mialà sasatra. Raha mety aminao kosa ny manao fanatanjahan-tena, dia manaova.

Lasa manahy be momba ny bika aman’endriny koa ny ankizy, rehefa lasa zatovo. Nitsotra i Teresa hoe: “Tamin’io fotoana io aho vao nanomboka nahatsikaritra sy nieritreritra be hoe ahoana no fijerin’ny olona ny paoziko. Ary na hatramin’izao aza, dia matetika no tsy tiako ny paoziko. Tsy mety araka ny itiavako azy ny voloko, tsy antonona ahy tsara ny akanjoko, ary toa tsy mety mahita akanjo tiako mihitsy aza aho!”

Mety hisy zavatra hafa hahasosotra anao koa amin’ny vatanao. Lasa miasa kokoa, ohatra, ny fihary hatsembohana, ka mety ho tsemboka foana ianao. Tsy ho maimbomaimbo ianao, raha mandro tsy tapaka, sy manasa matetika ny akanjonao. Azonao atao koa ny mampiasa alamo na zavatra hafa tsy mampisy fofona na hatsembohana tafahoatra.

Ankoatra izany, dia lasa miasa kokoa ny fihary menaka ao amin’ny hoditra, ka mety hampisy mony. Mitaraina toy izao ny ankizivavy iray atao hoe Ann: “Toa isaky ny te ho tsara tarehy iny mihitsy aho no mirongatra ny moniko. Asa raha ny eritreritro no lasa lavitra, fa toy ny hoe minia mipoitra amin’ny fotoana tsy ilako azy mihitsy ilay izy.” Be mony koa i Teresa. Hoy izy: “Lasa mahatsiaro tena ho ratsy tarehy aho. Menatra koa aho, satria mieritreritra hoe ny moniko ihany no hitan’ny olona, rehefa mijery ahy ry zareo!”

Mazava ho azy fa mety ho be mony koa ny ankizilahy. Misy manam-pahaizana milaza mihitsy aza, fa mety ho be mony kokoa noho ny ankizivavy izy ireo. Na lahy anefa ianao na vavy, dia hahasoa anao ny manasa tsy tapaka ny faritra misy menaka amin’ny vatanao, toy ny tarehy, tenda, soroka, lamosina, ary tratra. Tsy dia hiparitaka amin’ny hoditrao koa ny menaka amin’ny volonao, raha sasanao matetika ny lohanao. Misy koa fanafody manala mony. Hoy i Teresa: “Natoron’ny ray aman-dreniko fanafody fidiovana sy fanosotra aho. Nampirisihiny koa aho tsy hihinana haninkanina be loatra. Matetika no afaka ny moniko rehefa tsy mihinana haninkanina aho, fa misotro rano be.”

Misy fiovana hafa koa eo amin’ny ankizilahy, dia ny feo. Hihalehibe sy hihalava ny tadim-peonao mandritra ny fahamaotiana, ka hihabe feo tsikelikely ianao. Nitranga tamin’i Bill izany, nefa tsy voamariny akory. Hoy izy: “Tsy voamariko akory hoe niova ny feoko, raha tsy ny olona no nilaza, fa efa tsy afangarony amin’ny mamanay na ny anabaviko intsony aho, rehefa mandray telefaonina.”

Antsoina hoe vaky feo ianao, rehefa mihamiova ny feonao. Mbetika ianao kely feo, ary mbetika be feo. Nahatsiaro ny fahatanorany i Tyrone, ka nilaza hoe: “Io no zavatra tena nahamenatra ahy indrindra tamin’izany. Isaky ny natahotahotra na nientam-po aho vao niova ny feoko. Niezaka ihany aho mba tsy hihetsi-po, nefa tsy nety.” Hoy ihany izy: “Nijanona ilay izy rehefa afaka herintaona na roa taona angamba.” Aza kivy àry satria kely sisa dia ho lasa bebe feo ianao, ary tsy hiovaova intsony izany.

Miova ny fihetseham-po

Matetika no misy fihetseham-po isan-karazany mipoitra ao amin’ny zatovo, ka mampalahelo azy izany. Mety tsy hinamana be intsony, ohatra, ianao sy ny namanao akaiky indrindra tamin’ny mbola kely, na dia tsy niady aza ianareo. Tsy mitovy intsony angamba ny zavatra tianareo. Na dia ny ray aman-dreninao, izay fitadiavanao tambitamby sy fiarovana aza, dia mety ho toa lasa eritreretinao hoe tsy maharaka ny toetrandro sady tsy azo hatonina.

Mety hahatonga ny zatovo hanirery izany rehetra izany. Hoy ny rakipahalalana iray: “Misy mpikaroka milaza fa raha oharina amin’ny ankizy na ny olon-dehibe, dia ny zatovo no tena mora mahatsiaro ho manirery, ary mafy kokoa izany ho azy ireo.” Matahotra ianao sao heverin’ny olona hoe hafahafa, ka mety hotazoninao ho anao samirery ny zavatra ao an-tsainao sy ao am-ponao. Na angamba mieritreritra ianao ao anatinao lalina ao hoe tsy misy olona te hinamana aminao, ka tsy te hiresaka ianao.

Manirery ny ankamaroan’ny zatovo indraindray, ary toy izany koa ny olon-dehibe. Tokony hatao ao an-tsaina anefa hoe mandalo ihany izany. * Tadidio fa amin’izao fotoana maha zatovo anao izao, dia saika miova tanteraka ny zava-drehetra ao amin’ny vatanao. Miovaova foana ny fahitanao ny fiainana sy ny olon-kafa, ary na ny tenanao aza. Mety ho toa tsy fantatrao hatramin’ny tenanao mihitsy aza indraindray! Angamba mitovy amin’izay tsapan’i Steve, 17 taona, ny tsapanao. Niaiky izy hoe: “Sarotra be aminao ny hiteny hoe fantatrao ny tenanao, raha ny tenanao aza miova haingana be.”

Anisan’ny fomba tsara indrindra hanampy anao tsy hanirery, ny fiezahana hifandray amin’ny olon-kafa. Azonao atao, ohatra, ny miezaka hifankahalala bebe kokoa amin’ny olona tsy mitovy taona aminao. Mahafantatra zokiolona maniry hotsidihina ve ianao? Afaka manao ny raharahany ve ianao, indrindra raha mila ampiana izy? Ampirisihin’ny Baiboly ny rehetra, na tanora na antitra, mba ‘hihamalalaka’, ka ho tia ny olon-kafa. (2 Korintianina 6:11-13) Hitondra soa maro ho anao izany.

Io andinin-teny eo ambony io, dia iray monja amin’ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly, izay nanampy tanora kristianina hiatrika ny olana mahazo azy. Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa mety hisy heriny lehibe eo amin’ny fiainanao ny Tenin’Andriamanitra, arakaraka ny hitomboanao ho lasa olon-dehibe.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mety tsy ho indray mandeha isam-bolana ianao no tonga fotoana amin’ny voalohany, fa matetika kokoa na mahalana kokoa. Mety hiovaova be koa ny habetsahan’ny ra mivoaka avy ao aminao. Tsy misy tokony hampahatahotra anao izany. Raha maharitra herintaona na roa taona kosa izany, dia angamba mila mijery dokotera ianao.

^ feh. 24 Raha mahatsiaro ho manirery foana na te hamono tena foana ianao, dia mitadiava fanampiana. Miresaha avy hatrany amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olon-dehibe matotra azonao itantarana ny manjo anao.

[Efajoro, pejy 6]

Tsy Lavorary ny Ray Aman-dreny

“Nieritreritra aho, tamin’izaho mbola kely, fa lavorary ny ray aman-dreniko. Toa lasa tsy dia nahafinaritra anefa ry zareo, rehefa lasa zatovo aho. Raha ny marina, dia hitako fa tsy lavorary ry zareo, ka nampiady saina ahy izany. Nampalahelo fa lasa tsy natoky ny teniny intsony aho. Efa voa mafy aho vao nahatsapa fa diso hevitra, ka nahatonga ahy hanaja azy ireo foana indray izany. Ekeko fa tsy lavorary izy ireo, kanefa matetika no marina ny teniny. Ary na diso aza izy, dia mbola ray aman-dreniko foana. Lasa mpinamana izahay izao, ary mino aho fa toy izany koa ny ankizy sy ny ray aman-dreny maro.”—Teresa, 17 taona.

[Sary, pejy 7]

Tanora maro no lasa mpinamana be amin’ny zokiolona