Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba Tsy Hampijaly Ahy Intsony Izy?

Inona no Hataoko mba Tsy Hampijaly Ahy Intsony Izy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko mba Tsy Hampijaly Ahy Intsony Izy?

“Sambany no namono ahy ilay ankizilahy miaraka amiko. Niala tsiny izy, kanefa tsy fantatro izao izay tokony hataoko.”—Stella. *

“NY AMPAHADIMIN’NY vehivavy mpianatra no nilaza fa nampijalina sy/na novetavetain’ny lehilahy niaraka taminy”, araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (anglisy). Nisy fanadihadiana natao teo amin’ny tanora 17 ka hatramin’ny 20 taona, tany Alemaina, ka ny ampahefatra mahery tamin’ireo tovovavy no nilaza fa efa noterena hanao firaisana. Nampiasa herisetra, teny mahery, zava-mahadomelina, na toaka ilay lehilahy tamin’izany. Araka ny fanadihadihana amerikanina, dia efa ho ny antsasaky ny zatovo nanontaniana no nahita ny mpiara-mianatra taminy “nasiaka tamin’ilay olona iarahany, ka nanompa azy.” *

Tanora efa lehibe ve ianao, ka mikasa hanambady olona iray izay nanompa, nivazavaza, nanambany, na namelaka anao? Asehon’ny lahatsoratra teo aloha fa fahita sy mampanahy ny fitondrana ratsy toy izany. * Asehon’izy io koa fa tsy mankasitraka ny fanevatevana sy ny fitondrana ratsy toy izany i Jehovah Andriamanitra. Tsy tokony hihevitra azy io ho ara-dalàna izay iharan’izany, na hieritreritra fa noho ny fahadisoany ihany no nahatonga izany. (Efesianina 4:31) Tsy mora anefa ny mahafantatra izay tokony hatao, amin’ny toe-javatra toy izany. Angamba mbola tena tianao ilay ankizilahy iarahanao, na dia eo aza ny fitondran-tena ratsiny. Na ratsy kokoa noho izany aza, fa mety hanahy izay mety ho fihetsiny ianao raha manakiana azy. Inona àry no tokony hatao?

Diniho tsara ilay toe-javatra

Tokony ho tony tsara aloha ianao, ary handinika tsara izay nitranga. (Mpitoriteny 2:14) Tena nanaovana teny mamelively tokoa ve ianao? Ratsy fanahy tokoa ve ilay ankizilahy iarahanao, sa ‘nandefalefa teny tsy tsaroana’ fotsiny izy? (Ohabolana 12:18) Impiry izany no nitranga? Fahadisoana nitranga indray mandeha ve izany, ka azonao odian-tsy hita fotsiny? Sa lasa zatra manambany na manompa anao izy?

Resaho amin’ny olon-kafa ilay zava-manahirana, raha tsy azonao antoka ny amin’izany. Olona be taona sy hendry noho ianao anefa no tokony hiresahanao, fa tsy olona mitovy taona aminao. Angamba ianao afaka mamboraka izany amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra iray. Afaka manampy anao ny dinidinika toy izany mba handinihanao tena, raha sarotsarotiny loatra ianao na tena misy zava-manahirana lehibe tokoa.

Miresaha momba izany amin’ilay ankizilahy iarahanao, raha hitanao fa tsy hampidi-doza anao izany. (Ohabolana 25:9) Resaho aminy moramora izay tsapanao noho izay nataony. Hazavao tsara izay nahatezitra anao. Lazao mazava tsara izay tsy holeferinao. Manao ahoana ny fihetsiny rehefa iresahanao an’izany izy? Tsy miraharaha ny hevitrao na vao mainka tezitra ve izy? Ny fananany fihetsika toy izany dia midika fa tsy vonona ny hiova mihitsy izy.

Ahoana anefa raha tena manenina sy manetry tena izy? Mety ho azo avotana amin’izay ilay fiarahana. Mitandrema anefa! Matetika ireny mpanao teny mamelively ireny no mody manenina rehefa nanao izay nampalahelo ny hafa, ka manao teny nomanina tsara mba hampisehoana izany. Mamerina manao teny mandratra anefa izy ireo, raha vao misy mahatezitra azy. Ho hita eo ihany rehefa mandeha ny fotoana, raha vonona ny hiova izy. Hitady fanampiana any amin’ny anti-panahy izy, raha tena vonona ny hiova tokoa.—Jakoba 5:14-16.

Tokony ho takatrao fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Tsy hahita olona lavorary mihitsy ianao. Samy “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ihany ny mpivady rehetra, noho izy ireo tsy lavorary. (1 Korintianina 7:28) Tsy maintsy ianao ihany anefa no hanapa-kevitra amin’ny farany, raha ho zakanao ny kilemany na tsia. Hamafisina indray fa ny tsara indrindra, dia ny mamela fotoana lavalava handeha, alohan’ny hanapahana hevitra ny amin’izany.

Rehefa nisy herisetra

Hafa mihitsy anefa ny toe-javatra raha toa ilay ankizilahy mpanevateva ka niteny ratsy sy nandrahona ny hamono. Toy izany koa raha nampijaly anao izy, angamba nanositosika na namelaka tehamaina. Hita amin’izany mantsy fa tsy mahafehy tena izy, ary mety hahavanon-doza kokoa mihitsy aza.

Ny tsara indrindra ho an’ny olon-droa tsy mpivady, dia ny tsy mitokantokana. “Aza mamaly ratsy ny ratsy” anefa raha sendra tafaraka irery amin’ny lehilahy mahery setra iray. (Romanina 12:17) Tadidio fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Aoka ianao ho tony, ary asao izy hanatitra anao hody, na raha ilaina dia mandehana, na mandosira!

Inona no tokony hataon’ny vehivavy iray raha misy lehilahy manery azy hanao firaisana? Tokony hanisy fetra eo amin’ny fifanehoany fitiavana ny olon-droa mikasa hivady, raha vao manomboka miaraka. (1 Tesalonianina 4:3-5) Tokony holazain’ilay tovovavy mazava sy hentitra tsara fa tsy hanaiky lembenana mihitsy izy, raha manery azy handika ny toro lalan’ny Baiboly ilay ankizilahy. (Genesisy 39:7-13) Nanaiky i Anne rehefa noteren’ny ankizilahy iray hanao firaisana taminy. Hoy izy niangavy: “Aza milefitra mihitsy. Hajao ny tenanao. Diso ianao raha manao izany, na dia faran’izay tianao aza izy!” Raha tsy niraharaha ilay fandavanao izy, dia lazao aminy fa horaisinao ho toy ny fametavetana anao izay ezaka ataony handresena lahatra anao. Miantsoa vonjy raha mbola manohy izy, ary raiso ho toy ny mpisavika izy ka tohero mafy. *

Tena mety tsara amin’ireo toe-javatra voalaza etsy ambony ireo, ity torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 22:24 ity: “Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, ary aza miara-dia amin’ny olona foizina.” Tsy voatery hiaraka foana amin’ny olona manevateva sy mampijaly anao ianao. Mazava ho azy fa tsy fahendrena ny mihaona irery amin’ny lehilahy mahery setra, mba hilazana aminy fa hisaraka aminy ianao. Ny mampahafantatra amin’ny ray aman-dreninao izay nitranga no zavatra tsara indrindra tokony hataonao. Tsy mahagaga raha toa izy ireo ka tezitra amin’ilay mpampijaly anao. Afaka manampy anao hamantatra izay tokony hatao manaraka anefa izy ireo. *

Miezaka manova azy

Tsy andraikitrao mihitsy ny hanova ny toetran’ilay ankizilahy iarahanao. Niaiky toy izao i Irena: “Tsy vitanao tsotra izao izany, na dia mihevitra aza ianao fa tia azy, ary ho afaka hiatrika ilay toe-javatra sy hanampy azy.” Niaiky toy izany koa i Nadine. Hoy izy: “Nihevitra foana aho fa afaka ny hanova azy.” Ilay ankizilahy ihany, raha ny marina, no afaka ‘hanavao ny sainy’ sy hanova ny toetrany. (Romanina 12:2) Haharitra ela sy ho sarotra koa izany.

Tokony ho hentitra amin’ny fanapahan-kevitrao àry ianao. Odio tsy heno izy rehefa miezaka ny handresy lahatra anao. Ataovy izay tsy hifaneraserana aminy, ary aza miraiki-po aminy. Aza miova hevitra intsony ka hiaraka aminy indray, na dia mandresy lahatra, na miangavy, na mandrahona anao aza izy. Nilaza hamono tena ilay ankizilahy nahery setra, rehefa nilazan’i Irena fa tsy hiaraka intsony izy ireo. Tena mila fanampiana ny olona toy izany, saingy tsy ny fanampiana avy aminao. Hanampy azy kokoa ianao raha toherinao mafy ny fitondran-tena tsy kristianina. Azony atao tsara ny mitady fanampiana, raha te hiova izy.

Mihevitra anefa ny sasany fa hamaha ilay olana ny fanambadiana. Nilaza toy izao ny mpikaroka iray: “Gaga mazàna ireo nanambady olona nahery setra, rehefa tsy nijanona izany herisetra izany na dia taorian’ny fanambadian’izy ireo aza. Maro no mino an’ilay hevi-dravina hoe hilamina daholo ny olana rehetra toy izany, rehefa vita ny sora-panambadiana. Aza mino an’izany.” Azo inoana mantsy fa hitohy ao anatin’ny fanambadiana ny herisetra nandritra ny fiarahana.

Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery.” (Ohabolana 22:3) Sarotra ny misaraka amin’ny olon-tiana iray. Mbola manahirana lavitra noho izany anefa ny manambady olona mampijaly anao, ary aza matahotra ny tsy hahita vady intsony. Noho ianao efa niaraka tamin’ny olona mahery setra, dia mahay manavaka kokoa ianao izao, ka ho mora kokoa aminao ny hiaraka amin’ny olona malemy paika sy tsara fanahy ary mahafehy tena.

Fanasitranana ireo ratram-po

Mety tena hampahory ny fanevatevana sy ny fampijaliana. Efa niharan’izany i Mary, ka manoro hevitra toy izao: “Mitadiava fanampiana, miresaha amin’ny olona avy hatrany. Nihevitra aho fa ho vitako samirery ny hamaha ilay olana. Nanampy ahy anefa ny firesahana tamin’olon-kafa.” Aborahy amin’ny ray aman-dreninao, na amin’ny namana mahatoky iray, na amin’ny anti-panahy kristianina, ny alahelonao. *

Misy koa mihevitra fa hanampy azy ny famakiana boky mahafinaritra, fanaovana spaoro, na fialam-boly. “Ny tena zava-dehibe”, hoy Irena, dia “ny fianarana Baiboly sy ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina.”

Mazava araka izany àry fa tsy mankasitraka ny teny na fihetsika mamelively i Jehovah. Hanampy anao izy mba hiarovanao tena amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 4 Marina fa samy mety hiharan’ny fanevatevana sy ny fampijaliana ny lehilahy sy ny vehivavy. Milaza anefa ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina, fa “ny vehivavy no tena ampijalina noho ny lehilahy.” Ho fanatsorana, dia holazainay hoe ny lehilahy no mampijaly ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Izy no Mampijaly Ahy toy Izao?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2004.

^ feh. 15 Manome torohevitra momba izay tokony hataon’ny vehivavy, rehefa misy mitady hisavika azy, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2003, pejy 30.

^ feh. 16 Mety hanapa-kevitra ny ho any amin’ny polisy ny ray aman-dreninao amin’ny toe-javatra sasany, toy ny rehefa misy fametavetana, mba tsy ho voan’izany ny tovovavy hafa.

^ feh. 23 Mety hifidy ny hanatona dokotera na mpitsabo aretin-tsaina ny sasany, raha misy fikorontanana anaty.

[Sary, pejy 16]

Azo inoana fa hitohy ao anatin’ny fanambadiana ny fampijaliana nandritra ny fiarahana

[Sary, pejy 17]

Aza milefitra ka hanaiky ireo fanehoam-pitiavana tsy mety