Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Labiera—Ilay Zava-pisotro Mivolombolamena

Labiera—Ilay Zava-pisotro Mivolombolamena

Labiera—Ilay Zava-pisotro Mivolombolamena

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any amin’ny Repoblika Tseky

INONA matetika no irin’ny olona iray mangetaheta be? Mety haniry hisotro amin’ilay zava-pisotro mivolombolamena izy. Tia azy io avokoa mantsy na ny mpiasa madinika na ny mpandraharaha, any amin’ny tany maro. Mety ho azony sary an-tsaina mihitsy ilay tsiro mangidingidy, ananan’io zava-pisotro misy roatrany fotsy io. Mety hiteny anakampo koa izy hoe: ‘Raha izao no mba mahazo labiera mangatsiatsiaka an!’

Efa nisy hatramin’izay ny fanamboarana labiera, ary efa an’arivony taona no be mpitia izy io. Efa anisan’ny kolontsaina mihitsy àry izy io, any amin’ny toerana maro. Misy misotro be loatra amin’izy io, ka mampalahelo fa lasa miteraka olana izany, indrindra any amin’ny tany sasany eto Eoropa. Miavaka anefa ny tsiron’ny labiera, ka mahafinaritra ny misotro azy amim-pahalalana onony. Andeha hodinihintsika ny tantaran’io zava-pisotro be mpitia io.

Oviana no nanomboka ny fanamboarana labiera?

Nisy takelaka misy soratra miendri-pantsika hita tany Mezopotamia, tao amin’ny faritanin’ny Somerianina taloha. Hita avy amin’izy ireny, fa efa ela no nisy labiera tany. Mety ho efa hatramin’ny taonarivo fahatelo Talohan’i Kristy mihitsy aza. Nisotro azy io koa ny Babylonianina sy ny Ejipsianina, tamin’izany fotoana izany. Karazana labiera 19 no nisy tany Babylona, ary nisy lalàna nifehy ny fanamboarana azy io mihitsy tao amin’ireo Fehezan-dalàn’i Hammourabi. Ireny fitsipika ireny, ohatra, no namaritra ny vidin’ny labiera, ary nety ho nosazina ho faty izay nandika azy ireny. Niely patrana eran’i Ejipta fahiny ny fanamboarana labiera, ary tena tian’ny olona tany izy io. Nahita soratra nirakitra ny fomba tranainy indrindra fanamboarana labiera ny arkeology, rehefa nanao fikarohana tany Ejipta.

Nitatra hatrany Eoropa ny fahaizana manamboatra labiera tatỳ aoriana. Nilaza ny mpahay tantara romanina sasany teo am-piandohan’ny andro kristianina, fa nisotro labiera ny Selta sy ny Alemà ary ny foko hafa. Nino ny Vikings fa feno labiera ny kaopin’ireo lehilahy tao amin’ny Valhalla, na ny toeran’ny fanahin’ireo mahery fo maty an’ady, araka ny angano avy any Skandinavia.

Tao amin’ny monasitera mazàna no nanamboarana ny labiera tany Eoropa, tamin’ny Moyen Âge. Nohatsarain’ireo moanina eoropeanina ny teknolojian’ny fanamboarana labiera, ka nampiasa hoblona izy ireo mba hiarovana azy io tsy ho simba. Nanjary nampiasana milina ny fanamboarana labiera, rehefa nanomboka ny taozava-baventy tamin’ny taonjato faha-19. Dingana iray nanamarika ny tantaran’io zava-pisotro be mpitia io izany. Nisy zava-baovao lehibe hitan’ny siansa, taorian’izany.

Hitan’i Louis Pasteur, manam-pahaizana frantsay momba ny simia sy ny zavamiaina bitika, fa hay zavamiaina ny lalivay, ilay mahatonga ny labiera hiotrika. Io zava-baovao io no nahafahana nifehy tsara kokoa ny fiovan’ny siramamy ho alkaola. I Emil Hansen, manam-pahaizana danoà momba ny zavamaniry, no anisan’ireo olo-malaza indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanamboarana labiera. Nikaroka sy nanasokajy ireo karazana lalivay izy, nandritra ny androm-piainany manontolo, ary anisan’izany ny lalivay ilaina amin’ny fanamboarana azy io. Nanova tanteraka ny fanamboarana labiera àry i Hansen, rehefa nampiasa izany fomba izany.

Asa sarotra tokoa ve anefa izy io? Toa tsy mampino izany, nefa marina. Andeha hodinihintsika vetivety ny fomba fanamboarana io zava-pisotro tsara tsiro io.

Alohan’ny hahatongavany ao anaty veranao

Niova be ny fomba fanamboarana labiera tao anatin’ireo taonjato lasa, ary samihafa isaky ny orinasa izany, na dia ankehitriny aza. Misy taharo efatra anefa amin’ny ankapobeny ny labiera rehetra: ny orza, hoblona, rano, ary lalivay. Mizara ho dingana efatra ny fanamboarana labiera: ny fampitsimohana ny orza, ny fanomanana ny ranoka ahazoana labiera, ny fanotrehana ilay ranoka, ary ny fiandrasana ny labiera ho masaka.

Fampitsimohana ny orza. Sokajina sy dinihina amim-pitandremana ary avahana amin-javatra hafa ny orza, mandritra an’ity dingana ity. Alona ao anaty rano izy avy eo. Ilaina izany, raha tiana ny hitsimohan’ny orza. Maharitra dimy ka hatramin’ny fito andro ilay fampitsimohana, ary hazonina ho 14 degre ny hafanan’ny orza mandritra izany. Afindra ao anaty lafaoro manokana fanamainana azy ny orza, avy eo, rehefa misy tsimoka maitso. Ahena ho roa ka hatramin’ny dimy isan-jato ny hamandoana ao anatin’ilay tsimoka, mba tsy hitsimohany intsony. Esorina amin’ny orza ny tsimoka rehefa maina, ary totoina ny orza. Hiroso amin’ny dingana manaraka isika izao.

Fanomanana ny ranoka ahazoana labiera. Asiana rano ilay orza voatoto, ary tanehina. Manomboka manova ilay rihitra ho siramamy ny anzima. Tantavanina ny ranoka azo avy amin’izany rehefa afaka adiny efatra, mba hanesorana ny faikan-javatra. Ampangotrahina avy eo ilay ranoka, mba hampitsaharana ny asan’ny anzima. Asiana hoblona ilay izy avy eo, mba hahazoana ilay tsiro mangidingidy mampiavaka ny labiera. Ampangatsiahina mandra-pahazo ny mari-pana ilaina ilay izy, rehefa avy nangotraka adiny roa teo ho eo.

Fanotrehana ilay ranoka. Ity angamba no dingana lehibe indrindra amin’ny fanamboarana labiera. Ovan’ny lalivay ho alkaola sy gaza karbonika ny siramamy ao anatin’ilay ranoka. Herinandro, fara fahabetsany, no faharetan’izy io. Misy karazany roa ny labiera, dia ny ale sy ny lager, ary miankina amin’izay karazana labiera tiana ho azo, ny mari-pana ilaina amin’izany. Afindra ao amin’ny fitoerany ireo labiera, ary ampidirina ao anaty lakaly fiandrasana azy ho masaka.

Fiandrasana ny labiera ho masaka. Mahazo ilay tsiro sy hanitra mampiavaka azy ny labiera mandritra an’ity dingana ity. Lasa mandroatra koa ilay izy, noho ilay gaza karbonika. Masaka ao anatin’ny telo herinandro ka hatramin’ny volana vitsivitsy ny labiera, arakaraka ilay karazany amboarina. Arotsaka ao anaty barìka na tavoahangy izany amin’ny farany, ary alefa any amin’ny mpisotro, izay mety ho ianao! Labiera inona anefa no tianao handramana?

Misy karazany maro ny labiera

Mety tsy hitovy mihitsy ny labiera. Afaka misotro amin’ireto karazany ireto àry ianao: labiera mazava loko na mavo antitra, mamy na mangidy, ary vita amin’ny orza na varimbazaha. Miankina amin-javatra maro ny tsiron’ny labiera. Anisan’izany ny hatsaran’ny rano sy ny orza ary ny lalivay, mbamin’ny teknolojia nampiasaina.

Anisan’ny malaza indrindra ny lager mazava loko, antsoina hoe pilsner (na pils). Orinasa mpanao labiera an-jatony no manao io karazany io, eran-tany. Eto Plzeň na Pilsen, atỳ amin’ny Repoblika Tseky ihany anefa no manamboatra ny labiera tena pilsner. Tsy ny teknolojia ihany no mampahomby ny famokarana azy io, fa ny akora ampiasaina koa. Anisan’izany ny rano (izay nodiovina mba tsy hisy sira avy amin’ny metaly toy ny kalsioma, vy, ary ny manezioma), ny orza tsara karazana, ary ny karazana lalivain-dabiera mety tsara.—Jereo ilay efajoro miaraka amin’ity.

Ny labiera weiss, izay vita amin’ny varimbazaha, no karazana labiera hafa tena tsara. Any Alemaina izy io no tena be mpitia. Ny porter sy ny stout kosa no tena mampiavaka ny Anglisy. Ireto no nahazoana ilay labiera mahery antsoina hoe porter: lalivay izay miakatra ho eo amin’ny lohan’ny zava-pisotro avy niotrika, sy orza voatoto somary nendasina mba hanome loko antitra kokoa. Tamin’ny taonjato faha-18 no nanamboarana voalohany ny porter tany Londres. Tamin’ny voalohany, dia ireo olona niasa mafy, toy ny mpitaona entana, no noeritreretina homena an’io zava-pisotro “mahavelona” io. Ny fianakaviana Guinness no nampahalaza ny stout tany Irlandy sy eran’izao tontolo izao. Labiera marihitra sady miloko antitra izy io, ary karazany hafa noho ilay labiera mahazatra, dia ny porter. Afaka manandrana ny stout anglisy ianao. Mamy izy io satria misy laktaozy. Mangidy kosa ny stout irlandey, sady be alkaola kokoa.

Zavatra iray tena lehibe amin’ny mpisotro labiera koa ny fomba isotroana azy io. Misy amin’izy io mantsy no ao anaty tavoahangy, na tavoahangy kely, na tovozina avy ao anaty barìka. Tian’ny Amerikanina kokoa ny misotro labiera mangatsiaka be. Izao kosa no tian’ny hafa: labiera niotrika tao amin’ny efitra somary mangatsiaka, 20 degre eo ho eo, na labiera nalaina mivantana avy tao amin’ny lakalin’ireo mpanamboatra labiera ary ampangatsiahina amin’ny fomba hafa.

Misy karazany maro tokoa ny labiera. Mety hisy vokany tsara eo amin’ny fahasalamana, ny fisotroana azy io amim-pahalalana onony. Misy otrikaina sy mineraly samihafa ao anatin’izy io, toy ny vitaminina B2, asidra fôlika, krôma, ary ny zinc. Misy mpitsabo milaza fa miaro amin’ny aretim-po sy aretin-koditra, ny fisotroana labiera amim-pahalalana onony. Ho afaka hankafy an’io zava-pisotro tsara sy mamelombelona io ianao, raha manao safidy tsara avy amin’ireo karazan-dabiera misy, ka tsy misotro tafahoatra. Tadidio àry ny tantara mahavarianan’io zava-pisotro mivolombolamena misy roatrany fotsy io, rehefa manoloana vera misy labiera ianao!

[Efajoro/Sary, pejy 21]

Mpanamboatra Labiera

Taloha dia maro be ireo mpiasa ao amin’ny fanamboarana labiera. Ireto ny sasany aminy.

Mpikarakara ny fampitsimohana ny orza: Ny asa ataony no fiandohan’ny fanamboarana labiera. Manomana ny orza na varimbazaha ahazoana ny labiera izy, ary manara-maso ny fampitsimohana azy io, sy ilay lafaoro fanamainana ny tsimoka. Andraikitra lehibe no sahaniny, satria miankina be dia be amin’ny hatsaran’ny orza voatoto ny tsiron’ny labiera.

Mpahandro ny orza (aseho eo ambony): Mampangotraka ilay orza no asany. Afangarony amin’ny rano aloha ny orza voatoto, ampangotrahiny, ary ampiany hoblona. Mahazo ranoka ahazoana labiera izy, amin’ny farany.

Mpiandraikitra ny toerana fanotrehana labiera: Za-draharaha izy eo amin’ny fanaraha-maso ireo barìka fanotrehana sy fiandrasana ny labiera ho masaka. Afindrany amin-javatra kely kokoa ny labiera, rehefa vita izany.

[Sary nahazoan-dalana]

S laskavým svolením Pivovarského muzea v Plzni

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Ny Pilsner—no Nalain-tahaka Indrindra

Nanomboka tamin’ny 1295 ny fanamboarana ny pilsner. I Venceslas II, mpanjakan’i Bohême, no nanangana ny tanànan’i Plzeň. Nomeny alalana hanamboatra labiera ny olona 260 nonina tao Plzeň, taoriana kelin’izany. Tany an-tranony izy ireo tamin’ny voalohany no nanamboatra azy io, sady kely ihany no vitany. Nanorina fikambanan’ny mpivarotra izy ireo, tatỳ aoriana, ary nanangana orinasa. Nikororosy anefa ny toe-karena sy ny kolontsaina tao Bohême, rehefa nandeha ny fotoana, ary nisy fiantraikany teo amin’ny fanamboarana labiera izany. Ninia tsy niraharaha an’ilay teknolojia efa nekena ireo mpanamboatra labiera, fa nampiasa ny fomba fanamboarany azy io manokana. Mazàna anefa no ratsy ny tsiron’ny zavatra novokarin’izy ireo, ka tsy azo nantsoina hoe labiera akory.

Nisy karazany roa ny labiera novokarina tany Eoropa tamin’izany fotoana izany. Tao Bohême no tena nanamboarana ilay labiera misy lalivay miakatra ho eo amin’ny lohan’ilay zava-pisotro. Tsara lavitra kosa ilay labiera tao Bavière, dia ilay labiera misy lalivay midina ho eo amin’ny fanambanin’ilay zava-pisotro. Tena nisy fahasamihafana be teo amin’ny lager vita tany Bavière, sy ny labiera plzeň.

Nisy fiovana lehibe nitranga anefa tamin’ny 1839. Nanapa-kevitra ny mpanamboatra labiera 200 teo ho eo avy tany Plzeň, fa hanatsara ny vokany. Nanangana ny orinasa fanamboarana labieran’i Burgess izy ireo. Ny labiera mampiavaka an’i Bavière ihany no natao tao, dia ilay labiera misy lalivay nidina ho eo amin’ny fanambanin’ny zava-pisotro rehefa avy naotrika. Nantsoina hankao Bavière i Josef Groll, olo-malaza teo amin’ny fanamboarana labiera. Nanomboka niasa avy hatrany izy, ka nahazo labiera iray nanjary nampiavaka an’i Bavière. Hafa mihitsy ilay labiera, nefa koa tsara lavitra noho izay mety ho noeritreretiny. Ny fahaizan’i Groll sy ny hatsaran’ny akora teo an-toerana no nahazoana azy io. Vetivety ilay izy, dia nahasarika an’izao tontolo izao, noho ny tsirony sy ny lokony ary ny fofony, izay tsy manan-tsahala. Nisy lafy ratsiny koa anefa ny lazan’ny labieran’i Plzeň, satria naniry handray soa tamin’io firoboroboana io ny mpanamboatra labiera maro, ka nanomboka niantso ny labierany hoe pilsner. Lasa nalaza be àry ny pilsner, ary izy no nalain-tahaka indrindra tamin’ireo zava-pisotro mivolombolamena.

[Sary]

Josef Groll

Siniben-dranon’ny orinasa iray any Plzeň

[Sary nahazoan-dalana]

S laskavým svolením Pivovarského muzea v Plzni

[Sarintany, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

Plzeň

[Sary, pejy 20, 21]

Sary ejipsianina mampiseho ny fanamboarana mofo sy labiera

[Sary nahazoan-dalana]

Su concessione del Ministero per i Beni e le Attività Culturali - Museo Egizio - Torino

[Sary, pejy 23]

Hoblona, orza voatoto, ary toerana fanotrehana labiera