Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafinaritra Nefa Sarotra ny Fotoana Maha Zatovo

Mahafinaritra Nefa Sarotra ny Fotoana Maha Zatovo

Mahafinaritra Nefa Sarotra ny Fotoana Maha Zatovo

METY tena hahafinaritra ny fotoana maha zatovo. Izany tokoa no izy ho an’ny zatovo maro. Maro koa ny olon-dehibe faly rehefa mahatsiaro ny fotoana naha zatovo azy.

Tsy maintsy ekentsika anefa fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Vokatr’izany, dia mahita olana betsaka kokoa sady hafa noho izay hitan’ny olona tany aloha ny tanora ankehitriny. Izany angamba no nahatonga an’i Sabrina Weill, mpanoratra gazety ho an’ny zatovo, hilaza fa tena tsy mora ny fiainan’izy ireo. Nampitahainy tamin’ny olona mandeha amin’ny tady eny ambony avo be ny zatovo, nefa tsy misy zavatra hitanty azy raha sanatria mianjera izy. Mety hikaviavia sy hitebiteby ary hikorontan-tsaina tokoa izy amin’io fotoana misafotofoto io. Hoy i Weill: “Tsy zaza intsony ny zatovo nefa koa mbola tsy olon-dehibe, ka samy ananany na ny toetra ratsy indrindra mampiavaka ny ankizy na ny an’ny olon-dehibe.”

Raha zatovo ianao, ahoana no hiatrehanao ny olana mahazo anao? Raha ray aman-dreny ianao, afaka mieritreritra indray io fotoana misafotofoto io ve ianao, mba hahafahanao hahatakatra kokoa izay manjo ny zanakao lahy na vavy? Manasa ny tanora sy ny olon-dehibe handinika akaiky kokoa ny atao hoe fotoana maha zatovo izahay, amin’ity andian-dahatsoratra ity. Hanampy ny tanora hahay hiatrika io fotoana io izany, sady hahita fahombiazana.