Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manohina ny Fon’ny Malagasy ny Tenin’Andriamanitra

Manohina ny Fon’ny Malagasy ny Tenin’Andriamanitra

Manohina ny Fon’ny Malagasy ny Tenin’Andriamanitra

NANOHINA ny fon’ny olona teto Madagasikara ny Baiboly. Namoaka ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny malagasy ireo mpandika teny be herim-po, tamin’ny 19 Martsa 1830. Nisy 3 000 no indray navoaka tamin’izay. Tamin’ny 21 Jona 1835 kosa no natao pirinty ny Baiboly manontolo, izay nozaraina ho boky valo. Vita 22 taona talohan’ny fandikan-teny tswana nataon’i Moffat tany Afrika àry izy io. Manaja an’Andriamanitra sy ny Teniny ny ankamaroan’ny Malagasy, ary ana hetsiny ny Baiboly natao pirinty nanomboka tamin’io fotoana io.

Mahaliana fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika Kristianina, io Baiboly malagasy voalohany io. Nanjary fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy tsara àry, fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra.

Mampalahelo fa tato anatin’ny taona vitsivitsy, dia nihanitombo ny isan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly manala ny anaran’Andriamanitra. Nosoloana anaram-boninahitra, toy ny hoe Tompo na Andriamanitra izany. * Nanao toy izany, ohatra, ny fanontana iraisam-pinoana iray. Navoaka taona vitsivitsy lasa izay ny Soratra Grika amin’izy io, ary miely be ankehitriny. Nesorina tao ny anaran’i Jehovah. Nivoaka tamin’ny 2003 ny Soratra Hebreo tamin’ilay Baiboly, ary gaga ireo tia ny anaran’i Jehovah, rehefa nahita fa nesorina tanteraka tao izany anarana izany. Mazava kokoa ny teny ampiasain’ilay dikan-teny vaovao no sady fampiasa ankehitriny. Naleon’ny mpanompon’i Jehovah eto Madagasikara anefa nampiasa ilay dikan-teny tranainy kokoa, izay misy ny anaran’Andriamanitra. Tsy nampoizin’izy ireo ny zavatra niandry azy tany amin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, tamin’ny 2003.

Ny dia nankany amin’ilay fivoriambe

Tsy mora foana akory ny fiainan’ny olona eto Madagasikara. Betsaka amin’izy ireo no miasa mafy eny an-tsaha, mandritra ny ora maro. Ao koa ny manao asa mafy ara-batana mba hahazoana vola kely. Koa velombelona erỳ ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa mamonjy fivoriana sy fivoriambe. Ianaran’izy ireo any mantsy, fa hofaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahantrana sy ny aretina ary ny olana eo anivon’ny fiaraha-monina. Tena zava-dehibe amin’ny mpanompon’i Jehovah ny fivoriambe, ka maro no manao ezaka lehibe mba hanatrehana izany. Tsy maintsy nanao dia sarotra nandritra ny telo na efatra andro ny sasany, ka nandeha an-tongotra, na bisikileta, na fitateram-bahoaka. Nisy ampahan-dalana koa tsy maintsy nandehanana an-tsambo. Matetika no nahatratra 30 na 50 kilaometatra teo ho eo, ilay halaviran-dalana tsy maintsy nandehanana an-tongotra. Nisy aza nahatratra 120 kilaometatra mihitsy.

Nandeha an-tongotra 110 kilaometatra teo ho eo, ohatra, ny rahalahy sy anabavy folo, mba hanatrehana ilay fivoriambe. Iraika ambin’ny folo ka hatramin’ny 50 taona teo ho eo izy ireo. Naharitra efatra andro ny diany. Niakatra sy nidina ny lalan’izy ireo, sady namakivaky ala matevina. Tsy maintsy nita rano koa izy ireo, ka nandeha teo ambonin’ireo vato malama. Feno fotaka ny lalana rehefa avy ny orana, ary miakatra be ny renirano. Tsy maintsy nitondra ny entany sy ny sakafony anefa izy ireo. Tsy maintsy nitady trano hatoriana tao amin’izay tanàna akaiky indrindra izy ireo, rehefa alina ny andro. Vizana ny vatana, ary nanaintaina daholo ny tongotra sy ny soroka ary ny lamosina. Tonga soa aman-tsara tao amin’ilay fivoriambe ihany anefa izy ireo, na teo aza izany rehetra izany. Inona no tsapany? Faly izy niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabaviny. Tsy andriny izay handraisan-tsoa tamin’ilay sakafo ara-panahy hatolotra azy ireo.

Niharihary fa nankasitraka ny fandaharana nataon’i Jehovah koa ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Tsy nanam-bola handoavana ny saran-dalan’ny fianakaviany manontolo ny sasany tamin’ireo rahalahy, rehefa hamonjy ilay fivoriambe. Nandeha fiara àry ny zaza amam-behivavy, fa nisy rahalahy valo kosa nandeha bisikileta 160 kilaometatra teo ho eo. Ratsy sy mikitoantoana sady feno lavadavaka sy vato maranitra ny lalana, any amin’iny faritra atsimo iny. Roa andro no nanaovan’izy ireo ilay dia, ary natory teny amoron-dalana izy rehefa alina. Tonga tao amin’ny fivoriambe ihany izy ireo, ary tsy nimonomonona noho ilay dia. Tena nampahery ny nahita azy ireo nifantoka tsara tamin’ilay fandaharana.

Nitsiky ireo nanao ezaka mafy toy izany, rehefa tonga teo amin’ilay toerana hanaovana ny fivoriambe. Azon’izy ireo antoka fa hovalian-tsoa ny ezaka nataony. Mbola tsy diso fanantenana mihitsy izy ireo, ary tsy ho diso fanantenana. Afaka nankafy ilay fandaharana tsara dia tsara izy ireo, sady tena faly nahazo ireo boky vaovao. Niavaka tamin’izany anefa ny famoahana Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny malagasy. Maro tamin’ny mpanatrika no efa niandry azy io hatry ny ela. Ny sasany aza niandry am-polony taona maro, ka toy ny hoe nofinofy sisa ny fanantenany.

Nasaina namelabelatra ilay lahateny hoe “Harena Sarobidy Amin’ny Fiteny Andavanandro”, ny mpandahateny iray, ny zoma antoandro. Tao amin’ny fivoriambe voalohany amin’ny teny malagasy, dia somary nikotaba kely toy ny mahazatra ny mpanatrika, teo am-piandohan’ilay lahateny. Nihatony anefa izy ireo, rehefa nanomboka dimy minitra teo ho eo izany. Nibitsibitsika tamin’ireo olona teo akaikiny ny sasany, ary nanontany hoe: “Hahazo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ve isika?” “Tsia”, hoy ny sasany namaly izany, “lahateny momba ny Baiboly fotsiny io.” Nihanahazo antoka anefa ny mpanatrika rehefa nandeha kelikely ilay lahateny, fa tena hisy Baiboly havoaka.

Hita fa tena tsindrian-daona ny mpanatrika. Maro no tsy nahatombina intsony, sady nieritreritra hoe: “Tsy maintsy ho ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io avoaka io.” Nitraka nijery ny mpanatrika ny mpandahateny ary nahita ny mason’izy ireo, izay toy ny nilaza hoe: “Mba omeo Baiboly re izahay, fa aza mandiso fanantenana anay e!” Tsy ela anefa dia nivadika ho fientanam-po ilay fitaintainana teo. Nasehon’ilay mpandahateny ilay fanomezana nandrasan’izy ireo hatry ny ela, dia ny Baiboly amin’ny teny malagasy. Amin’ny fiteny andavanandro izy io, sady manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Nanome tsipiriany kokoa momba azy io ilay mpandahateny, taorian’ny tehaka nirefodrefotra.

Nolazaina tamin’ireo mpanatrika fa mirakitra Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ilay Baiboly vao navoaka. Tsara fanahy koa anefa ny Filan-kevi-pitantanana, ka nanaiky ny hanakambanana azy io tamin’ilay Soratra Hebreo avy tao amin’ilay Baiboly natao pirinty tamin’ny 1908. Mampiasa ny anaran’Andriamanitra io dikan-teny io, ao amin’ny ankamaroan’ireo toerana tokony hisy izany, na dia somary efa tranainy aza ny teny ampiasainy.

Nisy tsipiriany hafa koa nomena. Nisy ezaka nifarimbonana natao, mba hahamarina tsara ny teny fototra ara-baiboly nampiasaina, ary hahatonga izany ho amin’ny fiteny andavanandro, izay manohina ny fon’ny mpamaky. Nohazavaina, ohatra, fa nadika hoe “Hery Fara Tampony” ny teny hoe “Tsitoha”, ao amin’io Baiboly vaovao io, ary izany foana no nandikana azy isaky ny miseho ilay teny. Tsy tena mazava mantsy ilay teny hoe “Tsitoha” nampiasain’ilay Baiboly malagasy tranainy, ka vitsy tamin’ny sarambaben’olona no nahatakatra ny heviny. Sarotra tamin’izy ireo àry ny nahatakatra an’io toetran’i Jehovah Andriamanitra io. Namaky andinin-teny vitsivitsy avy eo ny mpandahateny. Nazava sy mora azo kokoa noho ilay fandikan-teny taloha izy ireny.

Tsy nitsahatra nitehaka ny mpanatrika nandritra ilay lahateny sy taorian’izany. Maro koa no latsa-dranomaso. Naresaka ilay toerana nanaovana ny fivoriambe rehefa nozaraina tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah sy ireo olona liana, io “fanomezana” io. Nampiasa ilay Baiboly izy ireo nanomboka teo ka mandra-pifaranan’ilay fivoriambe.

Fandinihana an’ilay fanomezana

Betsaka no nilaza toy izao, rehefa avy nijery andinin-teny maromaro tao amin’ny Soratra Grika Kristianina: “Tena mazava!”, sy hoe: “Izao vao mazava amiko ny tian’ity andininy ity holazaina.” Re foana ny teny toy izany nandritra ireo andro nanaraka. Na tanora na antitra, dia samy nankafy ny fomba nandikana azy io. Nampitahain’izy ireo ilay dikan-teny vaovao sy tranainy, ka nitsiky sady nihatokatoka erỳ izy ireo. Nasehony tamin’izany fa tena nankasitrahany ilay fanomezana avy tamin’i Jehovah.

Izany koa no nitranga tany amin’ireo fivoriambe rehetra teto Madagasikara, izay nisy 18. Baiboly maherin’ny 30 000 no voazara, rehefa vita daholo ireo fivoriambe. Nampiasain’ireo rahalahy avy hatrany izy io, rehefa nanompo sy nianatra samirery izy.

Hoy ny mpisava lalana manokana iray any Vohidiala: “Mampiasa fiteny andavanandro ilay izy.” Hoy koa ny mpisava lalana iray ao Mandrosoa: “Tena manampy antsika ireo lafiny mampiavaka azy io, toy ilay Fanondroana Teny ao Amin’ny Baiboly. Tiako koa ilay Fanazavana Fanampiny, any amin’ny farany. Manampy antsika eo amin’ny fanompoana daholo izany rehetra izany.” Faly be koa ireo mpianatra Baiboly, ka nilaza toy izao ny iray taminy, izay avy any Antsiranana: “Mazava tsara ity Baiboly ity, ka takatro tsara ireo andinin-teny rehefa manomana aho. Vakiko fotsiny izany taloha, ary miandry ny fanazavana azy aho.” Takany, ohatra, fa tsy mitovy ireo teny roa ao amin’ny 1 Jaona 3:8, 9, dia ny hoe “zatra manota” sy “ho zatra manota.” Tsy nazava tsara ny hafatra tian’ilay mpanoratra ny Baiboly hampitaina, satria nadika fotsiny hoe “manota” izy ireo, tao amin’ilay Baiboly taloha. Mora kokoa ny mahatakatra sy mampihatra izay voalaza, noho ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Natao hanaporofoana ny fahamarinan’ireo fampianaran’ny Baiboly tokoa izy io. Nampiasaina, ohatra, ny Jaona 1:2 mba hanamarinana fa samy hafa ny hoe Andriamanitra sy “ny Teny.” Nilaza ilay Baiboly taloha fa ny Teny dia “tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.” Milaza kosa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao fa “niaraka tamin’Andriamanitra” ny Teny.

Iza no tokony hivavahantsika? Hoy ilay Fandikan-teny Protestanta, ao amin’ny Jaona 14:14: “Raha mangataka zavatra amiko [Kristy] amin’ny anarako hianareo...” Marina tsara kosa ny fomba nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io hoe: “Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo...”

Faly be koa ny vahoakan’i Jehovah nanjary nahatakatra tsara ny 1 Korintianina 5:10, 11 sy ny Efesianina 5:5. Niresaka tamin’ny solontenan’ny sampana ny anti-panahy iray avy any Ambilobe, nandritra ny fivoriambe tany Antsiranana. Hoy izy: “Nihaino sy namaky andininy sasany avy tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao aho. Sambany teo amin’ny fiainako aho no nahatakatra ny hevitry ny teny hoe ‘mpierina.’ Efa namaky imbetsaka an’ireny andinin-teny ireny avy tao amin’ny Fandikan-teny Protestanta izahay, fa tsy nahatakatra ny heviny.” Efa tranainy be ilay teny, ka tsy hita na dia ao amin’ny diksionera malagasy mora azo indrindra aza. Miverimberina io olana io ao amin’ilay Baiboly malagasy.

Mampiasa tsara an’io dikan-teny vaovao io ireo Vavolombelona rehefa mampianatra Baiboly, nanomboka tamin’iny fivoriambe iny. Nampianatra olona teo amin’ilay lesona hoe “Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra”, ao amin’ny bokikely Takina, ohatra, ny anabavy iray. Novakiny ny andinin-teny sasany eo am-piandohan’ny Matio toko faha-19, izay miresaka ny fiainam-pianakaviana. Tsy nino izy rehefa namaky izany. Tsy maintsy nohazavaina lava be ireo teny tranainy tao, taloha. Tsy misy holazainy intsony anefa izao. Afaka nanome ny fanazavana rehetra nilaina ilay Baiboly.

Naseho ny ramatoa iray mifikitra mafy amin’ny finoana momba ny Andriamanitra telo izay iray ny Romanina 10:13. Nanontaniana izy avy eo hoe ny anaran’iza no tsy maintsy hantsointsika? Hentitra ny valin-teniny, hoe: “Jesosy.” Rehefa naseho azy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, dia tsy nety nanaiky izy hoe ny anaran’i Jehovah no tokony hantsoina. Milaza mantsy ny Baiboliny fa ny anaran’ny Tompo no tokony hantsoina. Nomena porofo avy tao amin’ny Soratra Hebreo anefa izy, ka nampifandraisina tamin’io andininy io ny Joela 3:5. Niaiky avy hatrany izy fa marina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nanampy azy hiala tamin’ny foto-pinoany momba ny Andriamanitra telo izay iray izany. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary mandroso tsara izao ny fianarany.

Fankasitrahana ny tombontsoa manokana nomen’Andriamanitra

Tsy dia misy firy sady lafo ireo Baiboly taloha, ary maro no tsy nanam-bola hividianana. Baiboly iray matetika no ifandimbiasan’ny mpianakavy sy ny namana, ka vetivety dia rovitra ilay izy. Misy olona mividy Baiboly, nefa hay tsy misy soratra ny pejy maro na koa tsy ampy ny boky ao anatiny, satria tsy dia tsara ilay fanontana azy. Nisy ezaka manokana natao àry nandritra ilay fivoriambe, mba hahazoan’ny mpitory tsirairay Baiboly. Ny fanomezana be dia be nataon’ireo rahalahintsika eran-tany no nahavitana izany. Maro tamin’ireo nahazo Baiboly no naneho ny fankasitrahany, na dia nahantra aza, ka nanao fanomezana nifanaraka tamin’izay nananany.

Maro ireo teny nampiseho fifaliana sy fisaorana an’i Jehovah, toy ny hoe: “Ho hitanareo ny fifaliako sy ny fankasitrahako, raha azoko natao ny nanokatra ny foko.” Azo fintinina amin’izao teny izao ny fihetseham-pon’ireo rahalahy malagasy: Feno fankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany izy ireo, noho io fanomezana io. Tsy afaka tao am-bavan’ireo rahalahy sy anabavy ny hoe anisan’ny fandaminana mahatalanjona sy miahy izy ireo.

Fotoana nahafaly an’ireo mpanatrika 32 677 iny fivoriambe teto Madagasikara iny. Olona 665 no nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary nampiseho izany tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano. Nankafizin’ireo mpanatrika ilay fandaharana, anisan’izany ilay fampisehoana tantara ny alahady. Nahazo fanomezana manokana maromaro ireo mpanompon’i Jehovah ireo, rehefa avy namonjy ilay fivoriambe, ka ny niavaka indrindra tamin’izany dia ny Baibolin’izy ireo vaovao.

Mandroso haingana ny fijinjana ara-panahy eto Madagasikara. Nitombo 12 isan-jato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny taon-dasa, ka lasa 14 069. Faly ireo mpijinja fa ampy fitaovana kokoa mba hampianarana Baiboly. Vao mainka tapa-kevitra kokoa izy ireo ny ‘hanome voninahitra’ an’i Jehovah Andriamanitra, ilay loharanon’ny fifaliany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha mila tsipiriany kokoa ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Fanohanana ny Teny Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Amin’ny Tsy Fivadihana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1997, pejy 17.

[Sary, pejy 25]

“Hahazo Baiboly ve isika androany?”

[Sary, pejy 26]

Nandeha an-tongotra 75 kilaometatra izy ireo, mba hanatrehana fivoriambe tany Toamasina