Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midika ho Inona ny hoe Loham-pianakaviana?

Midika ho Inona ny hoe Loham-pianakaviana?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Midika ho Inona ny hoe Loham-pianakaviana?

MILAZA ny Baiboly fa “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:23) Maro amin’ireo milaza fa manaja ny Baiboly anefa no mihevitra fa lany andro io toro lalana io sady mampidi-doza mihitsy aza. Hoy ny mpivady iray: “Raha hararaotina ilay fitsipika hoe tokony ‘hanaiky amim-panajana’ [ny vadiny] ny vehivavy, dia mety hitarika ho amin’ny fandratrana ara-batana sy ara-pihetseham-po izany.” Mampalahelo fa miely patrana ny fanamparam-pahefana. Hoy ny mpanoratra iray: “Lazaina fa zon’ny lehilahy ny mamono vady, any amin’ny tany maro. Heverina ho azo ekena izany, ka hindrahindraina ao amin’ny hira, ny ohabolana, ary ny fombafomba amin’ny fampakaram-bady.”

Misy milaza fa ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fahefan’izay lohany, no nahatonga izany fampijaliana izany. Manambany ny vehivavy sy mampirisika ny herisetra an-tokantrano tokoa ve ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahefan’izay lohany? Inona marina no dikan’ny hoe loham-pianakaviana? *

Tsy natao hanjakazakana ny fahefana

Araka ny Baiboly, dia tokony hampiharina amim-pitiavana ny fahefana, fa tsy natao hanjakazakana amin’ny hafa mihitsy. Noho ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra anefa, dia lasa manjakazaka sy mampahory ny vehivavy ny lehilahy matetika. (Genesisy 3:16) Nanomboka tany amin’ny saha Edena, dia mazàna ny lehilahy no manampatra ny fahefany sy manararaotra ny hafa amin’ny fomba tsy mifaditrovana, anisan’izany ny zaza amam-behivavy.

Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra mihitsy anefa izany. Halan’i Jehovah ny olona manampatra fahefana. Nomelohiny ireo lehilahy israelita ‘namitaka’ ny vadiny. (Malakia 2:13-16) Nilaza koa izy fa ‘ny mifaly hampidi-doza dia halan’ny fanahiny.’ (Salamo 11:5) Tsy afaka mampiasa ny Baiboly mba hanamarinana ny herisetra ataony àry ny mpamono sy ny mpampijaly vady.

Ahoana no hampiharana ny fahefana araka ny tokony ho izy?

Tena ilaina ny fahefana, ary nataon’Andriamanitra mba hihazonana ny filaminana eran’izao rehetra izao izy io. Andriamanitra irery ihany no tsy eo ambany fahefan’iza na iza. Eo ambany fahefan’i Kristy ny lehilahy, eo ambany fahefan’ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary eo ambany fahefan’ny fitondram-panjakana ny Kristianina rehetra. Na i Jesosy aza dia eo ambany fahefan’Andriamanitra.—Romanina 13:1; 1 Korintianina 11:3; 15:28; Efesianina 6:1.

Tena ilaina ny fanekena fahefana, mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina. Toy izany koa fa tena ilaina ny fanekena ny loham-pianakaviana, mba hifandray tsara sy ho sambatra ny fianakaviana. Marina foana izany, na dia tsy misy raim-pianakaviana aza ao an-trano. Ny reny no manjary loham-pianakaviana amin’ny toe-javatra toy izany. Mety handray ny andraikitry ny loham-pianakaviana kosa ny zokiny indrindra amin’ny ankizy na ny havana iray, rehefa tsy misy eo ny ray aman-dreny. Mandray soa foana ny mpianakavy rehefa manaja izay voatendry ho lohany.

Tsy ny fandavana fahefana àry no vahaolana, fa ny fianarana hampihatra sy hihevitra azy io araka ny tokony ho izy. Nilaza ny apostoly Paoly fa tokony ho lohan’ny fianakaviany ny lehilahy kristianina, “toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana.” (Efesianina 5:21-23) Nasehony tamin’izany fa ny fomba nifandraisan’i Kristy tamin’ny fiangonana, no modely tonga lafatra tokony hotahafin’izay lohany. Inona no ohatra navelan’i Kristy?

I Jesosy no Mesia sady Mpanjaka, ary Andriamanitra mihitsy no nanome fahefana azy. Nahira-tsaina lavitra noho ny mpianany koa izy, ary nahalala zavatra maro kokoa momba ny fiainana. Na izany aza, dia be fitiavana sy nalemy fanahy ary nangoraka foana izy. Tsy nasiaka na nitaky zavatra tafahoatra tamin’ny olona mihitsy izy, fa nahay nandefitra. Tsy nanjakazaka izy na namerimberina tamin’ny hafa foana hoe izy no Zanak’Andriamanitra. Nanetry tena am-po i Jesosy, hany ka ‘mora nentina ny ziogany, ary maivana ny entany.’ (Matio 11:28-30) Mora nifampiresahana àry izy sady nihaino ny hafa foana. Nilaza mihitsy aza i Paoly fa lehibe tokoa ny fitiavan’i Jesosy ny fiangonana, ka ‘natolony ny tenany hamonjy azy.’—Efesianina 5:25.

Ahoana no azo anahafana an’i Jesosy?

Ahoana no azon’ny loham-pianakaviana anahafana an’i Kristy? Miahy izay hahasoa ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-batana, ny loham-pianakaviana mendri-pitokisana. Miahy izay hahatsara ny fifandraisan’ny fianakaviany amin’Andriamanitra koa izy. Tsy mitsitsy aina sy fotoana izy, mba hanomezana izay ilain’ny tsirairay sy ny mpianakavy rehetra. Izay hahasoa ny vady aman-janany no zava-dehibe kokoa aminy, noho izay hahasoa ny tenany. * (1 Korintianina 10:24; Filipianina 2:4) Hanaja sy hanohana azy izy ireo, raha mampihatra ny toro lalana sy ny fampianaran’ny Baiboly izy. Afaka hiaraka hamaha izay olana mipoitra izy mianakavy, rehefa mampihatra ny fahefany amim-pitiavana izy. Mampihatra ny fahefany mifanaraka amin’ny Soratra Masina izy amin’izay, ka ho sambatra ny fianakaviany sady hanome voninahitra an’Andriamanitra.

Manetry tena koa ny loham-pianakaviana hendry. Vonona ny hiala tsiny izy rehefa ilaina izany, na dia mety ho sarotra aminy aza ny miaiky ny fahadisoany. Milaza ny Baiboly fa misy ny famonjena “raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 24:6) Raha manetry tena tokoa ny loham-pianakaviana, dia hihaino sy hanontany ny hevitry ny vady aman-janany, rehefa mety izany. Raha manahaka an’i Jesosy ny loham-pianakaviana kristianina, dia azo antoka fa ho sambatra sy hilamin-tsaina ny ankohonany. Hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, izay namorona ny fianakaviana izy ireo amin’izay.—Efesianina 3:14, 15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny andraikitry ny lehilahy manambady sy ny raim-pianakaviana no tena velabelarina amin’ity lahatsoratra ity. Afaka mandray soa avy amin’ny toro lalana ho an’ny loham-pianakaviana koa anefa ny reny tokan-tena sy ny kamboty voatery mikarakara ny zandriny.

^ feh. 14 Manome fanoloran-kevitra azo ampiharina mba hikarakarana amim-pitiavana ny fianakaviana, ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 18]

Mihaino sy mandinika ny hevitry ny vady aman-janany ny lehilahy hendry