Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny Mahataka-javatra

Reny Mahataka-javatra

Reny Mahataka-javatra

Miezaka mafy hanome sakafo mahavelona, ny reny be fiahiana sy mahatakatra izay ilain’ny zanany. Miezaka mafy toy izany koa izy hanome azy ireo sakafo ara-panahy.

Vao haingana, dia nisy renim-pianakaviana brezilianina nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila. Nilaza izy fa tiany ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Hoy izy: “Tiako be ilay bokikely. Rehefa nijery vetivety an’ilay lesona momba ireo fanao halan’Andriamanitra aho, dia takatro avy hatrany fa tokony hiarahanay sy ny zanako hodinihina ilay izy, satria tena zava-dehibe. Telo ny zanako, ka vavy roa 10 sy 11 taona, ary lahy iray 5 taona.” Hoy koa izy: “Boky toa an’io mihitsy no ilaiko mba hampianarana ny fianakaviako momba ny lalan’Andriamanitra!”

Nangataka boky ara-baiboly hafa koa io renim-pianakaviana io. Raha maniry sakafo ara-panahy ho anao sy ny mpianakavinao koa ianao, dia afaka mahazo ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.