Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsarovy ny Mpamorona Anao’

‘Tsarovy ny Mpamorona Anao’

‘Tsarovy ny Mpamorona Anao’

“Tsarovy ny Mpanao [Mpamorona] anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao.”—Mpitoriteny 12:1.

MAMPIERITRERITRA io andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly io. Indray mandeha ihany ianao no tanora. Hahatsiaro ny fotoana naha zatovo anao ianao any aoriana any, ka na ho faly sy ho afa-po, na halahelo sy hanenina. Iza amin’ireo no tianao? Inona no azonao atao, mba ho tsara fiafara ianao?

“Tsarovy ny Mpanao anao”, na ny Mpamorona anao, hoy ny Baiboly. Ahoana no hanaovanao izany? Mila mankatò ny lalàn’Andriamanitra sy ny toro lalany voasoratra ao amin’ny Teniny ianao. Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy mafana fo be amin’ny fivavahana ianao, ary tsy mahazo manao izay mahafinaritra anao mihitsy. Ho sambatra tsy misy toy izany kosa aza ianao, raha mahatsiaro ny Mpamorona anao. Fa nahoana?

Mba hanazavana izany, dia ity misy ohatra: Aoka hatao hoe nahazo fiara ianao, sady nahazo taratasy fahazoan-dalana hitondra azy io. Mahazo mandeha any amin’izay toerana tianao ianao. Mety tena hahafinaritra izany, ka mientanentana erỳ ianao. Eritrereto fotsiny ireo toerana tsara maro azonao aleha! Mitaky andraikitra lehibe anefa izany fahalalahana vaovao anananao izany. Tsy maintsy mankatò ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ianao, rehefa mitondra ilay fiara. Anisan’izany ny hafainganam-pandeha azo ekena sy ny takela-by fampitandremana. Lasa tsy mahafinaritra anao ve ny mitondra fiara noho izany andraikitra izany? Tsy izany mihitsy! Miaro anao kosa aza izy io. Azo antoka fa tsy mahafaly anao ny hoe tratran’ny lozam-piarakodia, sa tsy izany?

Mitovy amin’izany koa ny fahalalahana nomen’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona, anao. Arakaraka ny hitomboanao ho lasa olon-dehibe, dia avelany hifidy ny fomba hitondranao ny fiainanao ianao. (Deoteronomia 30:19; Ohabolana 27:11) Tena miavaka izany fahalalahana izany! Mitaky andraikitra lehibe koa anefa izany. Nametraka ‘lalàna mifehy ny fifamoivoizana’, izany hoe fitsipika tiany harahinao, i Jehovah, ao amin’ny Teniny. Misakana anao tsy ho sambatra ve ireo fitsipika ireo? Azo antoka fa tsia! Miaro anao amin’ny alahelo sy ny fijaliana manjo ny tanora maro be ankehitriny kosa aza izy ireo.

Hitan’i Federico fa tena marina izany. Efa 30 taona eo ho eo izy izao. Tamin’izy mbola zatovo, dia hitany fa nanao ireo zavatra rehetra fantany fa tsy tokony hatao ny mpiara-mianatra taminy. Hoy izy: “Toa finaritra erỳ ry zareo, rehefa jerena. Azoko antoka anefa fa tsy tena sambatra izy ireo.” Faly i Federico rehefa mitodika ny lasa, satria nanana ny fitsipiky ny Baiboly nitari-dalana azy, nandritra ny fotoana naha zatovo azy. Hoy ihany izy: “Marina fa nanana olana tsy maintsy noresena aho, toy ny tanora rehetra ihany. Tena niaro ahy anefa ny Baiboly. Nisy Kristianina nanampy ahy foana koa. Nahasambatra ahy kokoa tsy araka ny noeritreretiko, ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly!”

Tian’i Jehovah Andriamanitra ny hahasambatra anao. Tena ho sambatra ianao, fa tsy toy ny olona mody miseho hoe sambatra, nefa mijaly ao anatiny ao. Hoy ny Baiboly: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao.” Mampitandrina koa anefa io andinin-teny io hoe: “Nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.”—Mpitoriteny 11:9.

Tsarovy ny Mpamorona anao, ka ampiasao tsara ny fahalalahana nomeny. Raha manao izany ianao, dia afaka matoky fa hahatsiaro anao koa izy, ary hataony izay tena hahasambatra anao. Hoy ny Baiboly: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—Ohabolana 10:22.

Mba hanampiana ny zatovo hiatrika ny zava-manahirana azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia namoaka boky 320 pejy, mitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Efa ho 34 tapitrisa amin’izy io izao no natao pirinty tamin’ny fiteny 77. Afaka manontany ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo ianao, raha te hahazo azy io.

[Sary, pejy 8, 9]

Ahoana no Hahitanao Fahombiazana?

Makà fotoana hamakiana ny Tenin’Andriamanitra

Mazotoa mitory

Aza miaraka amin’ny naman-dratsy

Miresaha tsara foana amin’ny ray aman-dreninao

[Sary nahazoan-dalana]

Fonon’ilay bokikely: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.