Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Tokony Hanao Didy Jadona ny Filan-kevitry ny Tanàna”

“Tsy Tokony Hanao Didy Jadona ny Filan-kevitry ny Tanàna”

“Tsy Tokony Hanao Didy Jadona ny Filan-kevitry ny Tanàna”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

MIARO ny fahafahan’ny olom-pirenena rehetra eto Kanada, ny Sata Kanadianina Mifehy ny Zo sy ny Fahafahana. Sady miorina amin’ny lalàm-panorenana no ampiharin’ny fitsarana, ny fahalalahana haneho hevitra, sy hampiely vaovao, ary ny fahalalahana ara-pivavahana.

Taitra àry ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nandroso didy hitsivolana ny mpitondra tao Blainville (any avaratrandrefan’i Montréal), mba handrarana ny ‘fitsidihana isan-trano mifandray amin’ny fivavahana.’ Hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah io fanitsiana io. (Asan’ny Apostoly 20:20, 21) Nahoana anefa no naroso io fanitsiana io? Nilaza ny manam-pahefana, fa maro ny fitarainana momba ny fitsidihana isan-trano nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nisy anefa izany fitarainana izany, na dia iray aza, tao anatin’ny dimy taona farany, araka ny tatitra nataon’ny polisy!

Lasa lalàna anefa ilay fanitsiana tamin’ny 1996. Nandefa filazana tany amin’ny mpitondra tao an-tanàna àry ireo mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Blainville. Nolazain’izy ireo tamin’izany, fa tsy nifanaraka tamin’ny lalàna ny fanakantsakanana ny fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana ny lalàm-panorenana. Tsy niraharaha an’io filazana io ny mpitondra tao Blainville, fa vao mainka nisy olona 17 notorin’izy ireo tany amin’ny fitsarana. Nitory koa ireo mpisolovavan’ny Vavolombelona mba hiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra, izay zon’ny olom-pirenena kanadianina rehetra.

Nohenoin’ny Fitsarana Avo any Québec teo anatrehan’ny Mpitsara Jean Crépeau, ny momba ilay raharaha, tamin’ny 3 sy 4 Oktobra 2000. Namoaka didim-pitsarana nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitsara, rehefa avy nisintona ny fitsarana. Nanaiky ny Mpitsara Crépeau “fa manara-dia ny fiangonana kristianina voalohany [ny Vavolombelon’i Jehovah]. Mitsidika isan-trano izy ireo mba hampirisika ny olona eo amin’ny manodidina azy, ho tena tsara fitondran-tena sy ho tia an’Andriamanitra. ... Asa kristianina mahasoa ny fitsidihana ny olona any an-tranony. Isaky ny efa-bolana eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah no mitsidika ny olona ao Blainville, ka manasa azy ireo hifanakalo hevitra aminy mahakasika foto-kevitra mahasoa sy mahaliana.” Hoy ny Mpitsara Crépeau tao amin’ny didim-pitsarana navoakany: “Ambaran’[ny Fitsarana] fa tsy takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hananany fahazoan-dalana mba hanaovany ny fanompoany.”

Nampiakarin’ny mpitondra tao Blainville tany amin’ny Fitsarana Ambony any Québec io didim-pitsarana navoakan’i Crépeau io. Natao indray àry ilay fitsarana ny 17 Jona 2003, ary nisy didy navoaka ny 27 Aogositra 2003, izay nanohana ilay didy voalohany. Noresahin’ny Fitsarana ny Sata Kanadianina Mifehy ny Zo sy ny Fahafahana, izay miaro ny fahalalahana ara-pivavahana. Voafaoka amin’izany ny zo haneho finoana amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fanazavana. Hoy ilay Fitsarana: “Ilay didy hitsivolana dia mangeja mafy ny fahalalahana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ny fahalalahan’ny mponin’i Blainville hieritreritra, ary hanambara ny heviny sy ny finoany ... Hita mazava fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no nampitaraina ny mponin’i Blainville, fa ireo mpanao varo-mandeha maro be. Tsy tena ilaina àry ny hanaovana zavatra haingana momba ny fandehanana isan-trano noho ny antony ara-pivavahana. Tsy natao tamim-pitandremana, sady tsy niaraha-nidinika koa ilay didy hitsivolana ary nekena maimaika. Sady tsy eken’ny saina izy io no tafahoatra, nefa nolazaina fa natao hiarovana ny zon’ny olom-pirenena. ... Tsy tokony hanao didy jadona ny filan-kevitry ny tanàna, eo anivon’ny fiaraha-monina anjakan’ny fahafahana sy ny demokrasia. Tsy izy ireo no tokony hanapa-kevitra hoe iza no azon’ny olona raisina ao an-tranony amin’ny takariva na amin’ny faran’ny herinandro. Marina ny an’ny mpitsara teo aloha, rehefa nanambara izy fa tsy azo ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fanitsian-dalàna.”

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah, satria nampiharin’ny fitsarana eto Québec tamin’io raharaha io ny Sata Mifehy ny Zo. Tamin’izany no niarovany ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny olom-pirenena rehetra eto Québec, mba tsy ho azon’ny fampahorian’ireo tery saina.

[Sarintany, pejy 28]

(Jereo ny gazety)

KANADA

Blainville

Montréal

ETAZONIA

[Sary, pejy 28]

Miaro ny fahafahan’ny olom-pirenena rehetra eto Kanada ny Sata Kanadianina Mifehy ny Zo sy ny Fahafahana

[Sary, pejy 29]

Afaka mitory malalaka izao ny Vavolombelona ao Blainville. Sary kely: Fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana