Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

“Misalasala aho indraindray raha tena ratsy ny firaisana alohan’ny fanambadiana, indrindra rehefa mahatsiaro tena ho sampona aho, satria mbola virjiny.”—Hery. *

Hoy i Oly: “Tena tiako handramana ny hoe manao firaisana, ary heveriko fa voajanahary amintsika rehetra izany.” Hoy koa izy: “Zavatra momba ny firaisana foana no hita, na aiza na aiza aleha!”

MITOVY hevitra amin’i Hery sy Oly ve ianao? Tsy dia fahita intsony ankehitriny ireo fomba nahazatra sy toetra noheverina ho sarobidy fahiny, izay tsy nampisy firy ny firaisana alohan’ny fanambadiana. (Hebreo 13:4) Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny tany aziatika iray. Hita tamin’izany, fa ny ankamaroan’ny ankizilahy 15 ka hatramin’ny 24 taona, dia nihevitra fa azo ekena ny firaisana alohan’ny fanambadiana, sady antenaina ny hanaovan’izy ireo izany. Tsy mahagaga àry raha efa nanao firaisana ny ankamaroan’ny tanora eran-tany, talohan’ny faha-19 taonany.

Eo koa ny tanora izay mifehy tena tsy hanao firaisana fa manao zavatra hafa, toy ny mifampikasikasika filahiana sy fivaviana. Nanao izao tatitra mahavelom-panahiana izao Ny Gazetin’i New York (anglisy): “Ny firaisana amin’ny vava no manjary zavatra anombohan’ny tanora maro ny fanaovana firaisana, satria mihevitra izy ireo fa tsy dia misy fifampikasohana firy amin’izy io, sady tsy dia mampidi-doza toy ny tena manao firaisana, ... [ary] fomba iray tsy mahabevohoka sy miaro ny maha virjiny.”

Fa ahoana kosa no tokony hiheveran’ny Kristianina ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Ary ahoana ny amin’ireo antsoina hoe fomba hafa fanaovana firaisana? Moa ve izy ireny ankasitrahan’Andriamanitra sy tsy mampidi-doza ary tena miaro ny maha virjiny?

Inona avy no anisan’ny fijangajangana?

I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika ihany no afaka manome valiny azo itokisana amin’ireo fanontaniana ireo. Milaza amintsika izy ao amin’ny Teniny mba ‘handositra ny fijangajangana.’ (1 Korintianina 6:18) Inona no tena dikan’izany? Tsy ny fanaovana firaisana fotsiny no tafiditra amin’ilay teny grika nadika hoe “fijangajangana”, fa ireo karazana firaisana maloto koa. Mijangajanga àry ny olon-droa tsy mpivady raha manao firaisana amin’ny vava, na mifanafosafo filahiana sy fivaviana.

Mbola azo heverina ho virjiny ve izy ireo, eo imason’Andriamanitra? Mampiseho ny fahadiovam-pitondran-tena ny teny hoe “virjiny”, ao amin’ny Baiboly. (2 Korintianina 11:2-6) Mampiseho fahadiovana ara-batana koa anefa izy io. Miresaka momba ny tovovavy iray atao hoe Rebeka ny Baiboly. Lazainy fa ‘virjiny izy, ary mbola tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminy.’ (Genesisy 24:16) Mahaliana fa ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe ‘nanao firaisana’ dia nahafaoka zavatra hafa ankoatra ny firaisana ara-dalàna eo amin’ny lahy sy ny vavy. (Genesisy 19:5) Araka ny Baiboly àry, dia tsy azo heverina ho virjiny intsony ny tanora iray, raha nanao zavatra tafiditra ho anisan’ny fijangajangana izy.

Ampirisihin’ny Baiboly mafy ny Kristianina mba handositra, tsy ny fijangajangana ihany, fa ny karazana fitondran-tena tsy madio rehetra koa, izay mety hitarika azy hijangajanga. * (Kolosianina 3:5) Mety haneso anao ny olona sasany satria mankatò an’io toro lalana io ianao. Hoy i Oly, tanora kristianina: “Izao foana no reko tamin’izaho nianatra tany amin’ny lise: ‘Tena maty antoka aloha indrỳ e!’ ” Raha ny marina anefa, dia “fifaliana vetivety amin’ny fahotana” fotsiny, ny firaisana alohan’ny fanambadiana. (Hebreo 11:25) Mety hiteraka fahavoazana maharitra eo amin’ny vatana sy ny fo ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra izany.

Tena mampidi-doza

Tantarain’ny Baiboly fa nandinika tovolahy iray voataona hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, i Solomona Mpanjaka, indray mandeha. Nampitahainy tamin’ny “omby entina hovonoina” ilay tovolahy. Toa tsy mahafantatra mihitsy izay hanjo azy mantsy ny omby entina hovonoina. Toy izany koa matetika ny amin’ny tanora izay manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Toa tsy tena fantany, na tsy fantany mihitsy aza fa misy vokany ratsy ny zavatra ataony! Hoy i Solomona momba ilay tovolahy: “Tsy fantany hahafaty ny ainy izany.” (Ohabolana 7:22, 23) Eny, ny ‘ainao’ mihitsy no tandindomin-doza.

Isan-taona, ohatra, dia tanora an-tapitrisany no voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Hoy i Lydia: “Te hisitri-belona aho rehefa hitako fa nisy fery teo amin’ny taovam-pananahako.” Nitaraina toy izao izy: “Aretina mampanaintaina sady tsy ho sitrana mihitsy ilay izy.” Tanora eo anelanelan’ny 15 sy 24 taona ny antsasany mahery amin’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH (6 000 isan’andro).

Ny vehivavy no tena mahita olana maro mifandray amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Raha ny marina, dia maro noho ny lehilahy ny vehivavy mety ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana (anisan’izany ny SIDA). Raha bevohoka ny ankizivavy iray, dia samy tandindomin-doza, na izy na ilay zaza ao an-kibony. Nahoana? Satria mety mbola tsy ho afaka hitondra vohoka ny vatany, ka ho saro-piterahana izy.

Ary na tsy naninona aza izy teo am-piterahana, dia mbola tsy maintsy mitaiza ny zanany ihany. Andraikitra lehibe izany. Ankizivavy maro no mahita fa sarotra tsy araka ny nieritreretany azy ny hoe sady miasa no mitaiza.

Eo koa ny fiantraikany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fihetseham-po. Notandindomin-doza, ary saika simba tanteraka mihitsy ny fifandraisan’i Davida Mpanjaka tamin’Andriamanitra, noho izy nijangajanga. (Salamo faha-51) Tafarina ihany i Davida, kanefa nizaka ny vokatry ny fahotany izy nandritra ny androm-piainany.

Mety hijaly toy izany koa ny tanora amin’izao andro izao. Nanao firaisana tamin’ankizilahy, ohatra, i Malala, tamin’izy vao 17 taona. Nieritreritra izy fa tia azy ilay ankizilahy. Mbola manenina foana izy, taona maro atỳ aoriana. Hoy izy: “Tsy nankamamy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho, ka nizaka ny vokany. Tsy nahazo sitraka tamin’i Jehovah intsony aho, ka kivy tanteraka.” Niaiky toy izany koa ny ankizivavy iray atao hoe Bakoly: “Ny firaisana alohan’ny fanambadiana no fahadisoana lehibe indrindra nataoko. Raha mba azoko averina indray mantsy ny maha virjiny ahy!” Tena mety haharitra an-taonany maro ny ratram-po, ka mahatonga hakiviana sy alahelo be.

Mianara mifehy tena

Nametraka an’ity fanontaniana lehibe ity ny ankizivavy iray atao hoe Sandy: “Nahoana Andriamanitra no nampisy faniriana hanao firaisana ao amin’ny tanora, nefa lazainy fa tsy tokony hampiasa izany izy ireo raha tsy efa manambady?” Tena mahery tokoa ny faniriana hanao firaisana, mandritra “ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana.” (1 Korintianina 7:36) Raha ny marina, dia mety haniry tampoka ny hanao firaisana ny zatovo, nefa toa tsy misy antony mazava mahatonga izany. Tsy zava-dratsy anefa izany, satria anisan’ny fivoarana ara-dalàna eo amin’ny rafi-pananahana. *

Marina koa fa nataon’i Jehovah mba hahitana fahafinaretana ny fanaovana firaisana. Mifanaraka amin’ny fikasany tany am-boalohany izany, satria nataony mba hameno ny tany ny olombelona. (Genesisy 1:28) Tsy tao amin’ny fikasan’Andriamanitra mihitsy anefa ny hampiasantsika amin’ny fomba ratsy ny fahafahantsika hiteraka. Hoy ny Baiboly: ‘Tokony ho hainareo tsirairay ny hifehy tena, ao anatin’ny fahamasinana sy ny haja.’ (1 Tesalonianina 4:4) Toy ny hoe mampiseho hadalana ianao raha manao firaisana foana isaky ny te hanao izany. Hitovitovy amin’ny olona mandaroka ny hafa foana isaky ny tezitra mantsy ianao amin’izay.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanaovana firaisana. Amin’ny fotoana mety anefa vao tokony hankafy azy io ny olona, izany hoe rehefa manambady izy. Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa mitady hanao firaisana ny olona tsy mpivady? Eritrereto hoe nividy fanomezana ho an’ny namanao ianao. Nangalariny anefa ilay izy talohan’ny hanomezanao azy! Tsy halahelo ve ianao? Eritrereto àry izay tsapan’Andriamanitra rehefa misy olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana, ka mampiasa tsy araka ny tokony ho izy, ilay fanomezana avy aminy.

Inona àry no tokony hatao rehefa maniry hanao firaisana ianao? Raha tsorina, dia mianara mifehy ilay faniriana. Tadidio fa “tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana [i Jehovah].” (Salamo 84:11) Hoy ny tovolahy iray atao hoe Gordon: “Rehefa manomboka mieritreritra aho hoe toa hahafinaritra izany manao firaisana alohan’ny fanambadiana izany, dia saintsainiko ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah. Takatro fa mety hitondra fahafinaretana ny fahotana, nefa tsy mendrika ny hamoizako an’io fifandraisana io izany.” Mety tsy ho mora ny mifehy tena. Mampahatsiahy antsika toy izao anefa ny tovolahy iray atao hoe Adrien: “Hanana feon’ny fieritreretana madio sy fifandraisana tsara amin’i Jehovah ianao, raha mifehy tena. Ho afaka hifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa ianao, satria tsy manenina.”—Salamo 16:11.

Betsaka ny antony tsara tokony hifadiana izay rehetra anisan’ny fijangajangana. (1 Tesalonianina 4:3) Ekena fa tsy mora foana ny manao izany. Hisy lahatsoratra amin’ny hoavy hanome fomba azo ampiharina, izay hahafahanao ‘hiaro tena mba hadio hatrany.’—1 Timoty 5:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 11 Misy fanazavana momba ny fijangajangana sy fahalotoana ary fitondran-tena mahamenatra, ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe “Hatraiza ny hoe ‘Lasa Lavitra Loatra’?”

^ feh. 20 Jereo ilay lahatsoratra hoe: ‘Fa Maninona àry Aho?’, ao amin’ny Mifohaza! 8 Jolay 2004.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Mbola azo heverina ho virjiny eo imason’Andriamanitra ve ny tanora iray, raha nanao zavatra tafiditra ho anisan’ny fijangajangana izy?

[Sary, pejy 21]

Mety hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny tanora matahotra an’Andriamanitra ny firaisana alohan’ny fanambadiana

[Sary, pejy 22]

Mety ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ireo manao firaisana alohan’ny fanambadiana